8 marsa... mariky ny mbola tsy fitovian-jo

1. hery ( 08/03/2006 09:01)
Mahagaga ahy ny mahita hoe faly sy mirehareha ery ny vehivavy rehefa mandre hoe 8 marsa dia andro natokana ho azy ireo. Tsy mifanohitra amin'ny fitovianjo dradradradraina hatramin'izao ve ny fanekena ny hanomezana andro iray ao anatin'ny taona ho azy ireo?
Tsy tokony hiantsoantso ve ny vehivavy hoe ny andro rehetra no ilainay hanajana ny zonay sy hitovizanay amin'ny lehilahy? Sa mbola fanaka malemy tokoa?
novalian'i Fiffi ny 10/03/2006 19:46
2. Ragadona ( 08/03/2006 09:35)
Na za koa mandinika an io mba lasa saina ihany
3. pissoa ( 08/03/2006 09:36)
Miombon-kevitra amin'i Hery amin'ny ampahany :roll:

Fa araka ny voalaza ao amin'ny resa-behivavy, dia fahatsiarovana ny 8 marsa. Fahatsiarovana ireo vehivavy nitolona tamin'ny fotoan'androny mba hitovy zo ny lehilahy sy ny vehivavy. Dia mitovitovy amin'ny fankalazantsika malagasy ny 29 marsa (ohatra) ihany no tokony hankalazana ny 8 marsa.
4. Fiffi ( 08/03/2006 09:39)
Tsy hoe fanaka malemy kosa fa efa lany andro izany fitenenana izany , eny na dia tena azo lazaina hoe tsy mahavita ny vitan'ny lhl ahy ny vhv fa misy kosa tena mahavita lavitra mihintsy aza an!
Tsy mifanohitra amin'ny fitovianjo dradradradraina hatramin'izao ve ny fanekena ny hanomezana andro iray ao anatin'ny taona ho azy ireo?
amiko aloha dia tsy hoe mifanohitra @ fitovianjo ny fanekena io andro iray io fa mety hoe andro natokana ho an'ny vhv mety hoe ho fanajana azy ve ?
5. sipagasy ( 08/03/2006 09:39)
marina izany ry hery fa io 8/03 io anie ka natao indrindra hahatsiarovana ny vehivavy mihisa ho 129 izay maty nitaky ny zoan'izy ireo tany zamerika e! t@ taona 1929 tany ho any e! tao New york.
Ohatran'ny hoe date d'anniversaire izany e! tahakan'ny hoe 26/06 ho an'ny Malagasy tsy an-kanavaka dia io ny mba ho an'ny Vehivavy eran-tany tsy an-kanavaka koa e! henoy ny fanazavako azy ao @ RVG anie e! tsy hoe andro natokana tsy hanaovana raharaha akory io fa ho fahatsiarovana indrindra ny nitolona t@ izany andro lasa sarotra hadinoina izany e!
Dia mbola manentana antsika vehivavy ihany tsy hanary ny ilo mby an-doha e! azontsika ny zontsika nefa ny takalon'izay kosa dia maro ny andraikitra tokony ho sahanintsika, koa mahereza ry rahavavy isany ann.
6. Fiffi ( 08/03/2006 09:40)
hay koa io zany misy fanazavana avy @ i pissoa!
7. sipagasy ( 08/03/2006 09:41)
pissoa:

Miombon-kevitra amin'i Hery amin'ny ampahany :roll:

Fa araka ny voalaza ao amin'ny resa-behivavy, dia fahatsiarovana ny 8 marsa. Fahatsiarovana ireo vehivavy nitolona tamin'ny fotoan'androny mba hitovy zo ny lehilahy sy ny vehivavy. Dia mitovitovy amin'ny fankalazantsika malagasy ny 29 marsa (ohatra) ihany no tokony hankalazana ny 8 marsa.



izay mihintsy ilay izy ry pissoa ann
8. Fiffi ( 08/03/2006 09:41)
rahoviana izany fanazavana izany no andeha ?
9. Ragadona ( 08/03/2006 11:31)
Raha ny fahazoako an ilay hoe zo aloha dia tsy zavatra alaina hoe azo tahaka ny fakana zavatra hita maso iray, ohatra mofo, fa zavatra volavolaina isanandro amin ny alalan ny zavatra atao sy fiainana eo amin ny fiaraha monina, ka ny fomba itazomana azy dia tsy misy afa tsy ny fanatsarana hatrany ny adidy na andraikitra takian ilay zo (tokony tsy hisaraka ny zo sy adidy fa raha miteny zo nefa tsy manoritra ny adidy takiany dia toy ny kiraron ...). Mahita ny soa dhl e
10. sipagasy ( 08/03/2006 12:17)
ragadona dia izay mihintsy re ny izy annn
11. majakely ( 08/03/2006 15:12)
sady zay vehivavy toukou mou ve mirehareha refa 8 mars,,,,hihihi,,mirehareha fona zay isan'andro kou hahaha...
12. Ragadona ( 08/03/2006 15:34)
Ie hitako mirehareha foana tokoa ianao isan andro
13. cutie ( 08/03/2006 15:38)
Mpandefa : majakely [ Valio ] 08-03-2006 19:12:03
Lohateny : Re : 8 marsa... mariky ny mbola tsy fitovian-jo
sady zay vehivavy toukou mou ve mirehareha refa 8 mars,,,,hihihi,,mirehareha fona zay isan'andro kou hahaha...

=D=D=D=D=D=D
14. Angie ( 08/03/2006 15:45)
Ny tena tsy milay koa zany dia any dago tsy miasa ny vhv refa 8 Mars nefa mandray soasy, aty nefa zahay tena miasa be. Tena tokony hitolona isika hoe hatao tsara lay fahatsiarovana e mba avela haka aina ny vhv.
Za aloha androany mba misy mitsena avy miasa e hihihi
15. Fiffi ( 09/03/2006 05:56)
Angie: fa fetin'ny vhv ve dia i ramose no tsy niasa fa naka-sasatra dia nadeha nitsena andry ? :-D:-D
16. majakely ( 09/03/2006 07:14)
ragadona ,,,hahahhahaha:-D
17. Fiffi ( 10/03/2006 04:51)
inona no moa no maharatsy an'izany ?
18. majakely ( 10/03/2006 15:11)
Fiffi
19. Fiffi ( 10/03/2006 19:42)
[IMG]http://membres.lycos.fr/gssmiliz/03/GS_80b176d61476c6426d6e4de0578adb75.png[/IMG]
20. Fiffi ( 10/03/2006 19:46)
f'ita wa akia ry manjakely eh ? nefa tsy aharaka antsika mihintsy anie ry zareo eh! :-D:-D:-D:-D
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1954