Fomba fikapoka gitara

1. onjah ( 07/03/2006 19:55)
Hono hoy aho ry zalahy mahay mitendry gitara sy mpametraka tondrompeo.
Sao dia mba afaka manisy fanazavana fanampiny na torolàlana kely ianareo @ ilay fomba fikapoka ny gitara (Battement na arpège hoy ny teny vahiny) ?
Toy izay hita any @ site vazaha.
Amin'izay mba ho moramora hoanay vao mianatra ny mba mitendry ilay hira.
Ohatra :
http://www.chanson-et-guitare.com/chanson/chanson2.php

Soratana toy izao :
MD - MD(1/2)-MK(1/2)-MD - MD(1/2)-MK(1/2)
MD(Midina) MK(Miakatra)

http://www.chanson-et-guitare.com/titre/beatles/yesterday.php

Atao toy izao :

P -(IMA) -(IMA)-(IMA)- P -(IMA) -(IMA)-(IMA)

Dia miandry anareo mahay ary izahay vao mianatra e. Misaotra mialoha.



novalian'i fijo ny 09/03/2006 04:44
2. lapino ( 07/03/2006 21:28)
Ilay hoe: "Soratana toy izao : .......... Atao toy izao : ......", zavatra iray ihany ve ireo fa toa tsy izany no fahazoako azy.

Tairo ezahana hazavaina kely raha mety àry hoe:

Jerena aloha hoe firy temps ilay mesure ? Dia ny temps voalohany ilay idiran'ny mesure iray iny no "temps fort" fa misy temps somary fort koa eny ampovoany raha lehibe ilay mesure (4 na 6 temps ohatra). Amin'ny temps fort izany no maneno ny feo mahery rehetra, ohatra hoe fidoboky ny bass. Rehefa mitendry gitara dia matetika amin'io temps fort io no ampanenoana ny feo bass (tendren'ny ankihibe havanana) raha arpege, na asiana kapoka iray mafy sy miavaka (Midina) raha battement no atao.

Ho an'ireo ohatra roa ireo izao ohatra, samy 4 temps le izy, misy temps fort anankiroa:

- Ilay voalohany battement izany hoe kapohina bambaray ny tadiny maromaro hiaraka indray maneno. Ny temps fort tendrena in-1 midina ihany, fa ny temps faible tendrena in-2 midina-miakatra.

- Amin'ilay faharoa indray ny loharantsana ankavanana no mitendry ny corde isanisany. P (ankihibe), I (fanondro), M (fanondro adala), A (manarapoana). Amin'ity ohatra ity izao mitendry irery ny bass ny P, ary miaraka mitendry ny I, M, A. Samy tendrena in-2 daholo ny temps fort sy faible, fa ny temps fort atomboky ny bass amin'ny P.

Izay, rediredy be fa na za koa aza tsy mahay tsara akory. Efa mazava ihany ilay fanazavan'ilay ao @ le site.
3. onjah ( 08/03/2006 10:30)
Lapino > araka ny mba fahazoako azy koa aloha dia toy izao hazavainareo izao e.
Ilay ohatra voalohany "Battement" hoy ny vazaha, fa ilay faharoa kosa dia ny "arpège".
4. lesabotsy1 ( 08/03/2006 11:49)
:-D
5. Fiffi ( 08/03/2006 19:00)
6. fijo ( 09/03/2006 04:44)
araka ny mba haiko aloha dia misy karazany ny fomba fitendrena gitara.
dia ny :
battement:io le tendrena miaraka ,na bambaray,
ny buté:io dia ny bassista no mpampiasa azy,tsy mampiasa ankihibe io,fa ny rantsana hafa no ampiasaina ary hotry ny mijanona eo amin'ilay tady eo ambony ny tanana avy misintona le eo ambany;
ny arpege;io le tendrena tsirairay ny tady ilaina amin'ilay tondrom peo.(efa voazava etsy ambony)
pincé;io dia ilay fampiasanan'ny mpanao "folka"
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2116