NY FAMPIRAFESANA

1. lyiah ( 03/03/2006 07:11)
Toetra ratsy ny fampirafesana satria fitiavan-tena,fitiavam-bola aman-karena,betsaka anefa ny manao azy.Inona no antony ary inona no vahaolana ialana aminy.
Izao é inona moa no mahatonga ny olona efa manambady hampirafy na hitia olon-kafa ankoatran'ny vadiny?
mety ho rendrarendra fotsiny, mety ho tsy fahampiana, mety ho noho ny olana ao an-trano.
tsy mahafa-po azy ny vadiny na eo amin'ny lafiny ara-bola,ara-pitiavana,ara-pahafinaretana,ara-pahasalamana(oh:tsy miteraka),ara-piaraha-monina.
tsy mety mifanara-tsaina izy mivady,samy tia tena,samy te hanana ny fiainany...
betsaka ny antony mahatonga izany.
vahaolana: fahaizana mionona amin'izay anjara sy izay ananana.fahaizana manaiky izay efa voasoratra ho lalam-piaiananao.
koa mandiniha sy mieritrereta aloha fa ny tody tsy misy fa ny atao no miverina.Ary ny tena olana dia ireo olona mampirafy ihany no tena tsy mahazaka rehefa atao.fa ireo tsy mieritreritra hanao izany dia mety hahazaka kokoa.
Mb
novalian'i Roch ny 21/04/2006 20:48
2. Fiffi ( 03/03/2006 07:21)
mety ho rendrarendra fotsiny, mety ho tsy fahampiana, mety ho noho ny olana ao an-trano.
tsy mahafa-po azy ny vadiny na eo amin'ny lafiny ara-bola,ara-pitiavana,ara-pahafinaretana,ara-pahasalamana(oh:tsy miteraka),ara-piaraha-monina.
tsy mety mifanara-tsaina izy mivady,samy tia tena,samy te hanana ny fiainany...
betsaka ny antony mahatonga izany.
mazava ho azy! efa nisy dinika lava be tato koa momba an'io.
3. Ragadona ( 03/03/2006 07:49)
Ka refa tsy tafa ve tsy aleo tonga dia misaraka toy izay mijalijaly sy manaonao foana etsy sy aroa, sady mampijaly tena no mampijaly ny hafa
4. lyiah ( 03/03/2006 08:03)
tadidio fa fahotana ny fijangajangana ary aza adino alohan'ny hanapahankevitra fa misy valiny daholo ny atao ka aza manaonao foana fa manana conscience
5. Lili2004 ( 03/03/2006 09:08)
Marina daholo ny voalazanareo rehetra reo, fa saingy aza tonga de mora manome tsiny fa misy antony ao matoa mitranga zany zavatra zany, tsy misy olona te hanaonao foana izany
6. xxx ( 03/03/2006 09:25)
lili2004 : marina zany fa reo olona reo manko tsy eo @ ilay place dia mora ny miteny e , iza marina moa no andeha hampirafy etsy sy eroa ra tsy misy antony ao , ekena fa misy ny manaonao fona fa ny ankamaroany misy antony be ao
lyiah : enao io indrindra no lasa volohany rehefa ho avy @nao zay tsy hety zay
7. ikalakintina ( 03/03/2006 10:17)
masiaka be kosa xxx e!, azafady an!, ary raha efa tafiditra ao anaty ny le hoe mampirafy aza araka ny hevitrareo de inona no atao mba hialana aminy, ?
8. diamondra27 ( 03/03/2006 11:21)
lyiah: manasa anao hijery le size: didy faha -7 ao @ fivavahana sy finoana fa misy ifandraisany io
9. salohy ( 03/03/2006 14:43)
amiko ndray ry reto de zao a! za tsy miteny hoe mety na tsy mety na ratsy na tsara le mampirafy fa amiko kosa aloha de tsy de mitombina loatra le hoe fitiavantena, indrindra le oe fitiavambola ny fanaovana izany fa mety ho eo koa le hoe fitiavana @ maha fitiavana olona roa azy tsy mila tambiny io na vola na inona fa fitiavana tsotra izao fotsiny de zay! ka na misy na tsy misy vola ao de mifankatia izy roa!
10. Veloo ( 03/03/2006 16:03)
eeeeeeee tsita e Satana tsy kely lalana:wink:
11. Fiffi ( 04/03/2006 13:59)
didy haha-7 jerena eh!
12. xxx ( 05/03/2006 14:59)
Ieeeee mba vakivakina ihany ny bokinjanahary fa ahitana vahaolana maro no mba hafaka mamerimberina raha tena fa laaassssaaa:):)
13. Veloo ( 05/03/2006 19:54)
14. salohy ( 06/03/2006 07:48)
ka za anie ry reto tsy miteny hoe ataovy na aza atao izany mampirafy zany e! anjaran'ny tsirairay io! fa ny tiako lazaina t@ io teniko teo ambony teo io de hoe tsy voatery ho fitiavam-bola sns.. no mety mahatonga ny olona hanao izany fa misy koa ny fitiavana tena fitiavana! ka tsy haiko na azonareo na tsia le tiako lazaina! :roll:
15. boubounezy ( 06/03/2006 08:36)
@ko alou tsisy va olana @ zany fa refa manao anah ny lhl dé mba anaovako kou e! satry ny olombelona @ ma olombalona azy dé tsy maintsy misy fanirina izy na ny tsy azy aza indrindra ny lhl ka refa samy nanao dé samy mazaka dé tsy tafasaraka zany e!:-D:-D:-D:-D;-)

lyiah:

Toetra ratsy ny fampirafesana satria fitiavan-tena,fitiavam-bola aman-karena,betsaka anefa ny manao azy.Inona no antony ary inona no vahaolana ialana aminy.
Izao é inona moa no mahatonga ny olona efa manambady hampirafy na hitia olon-kafa ankoatran'ny vadiny?
mety ho rendrarendra fotsiny, mety ho tsy fahampiana, mety ho noho ny olana ao an-trano.
tsy mahafa-po azy ny vadiny na eo amin'ny lafiny ara-bola,ara-pitiavana,ara-pahafinaretana,ara-pahasalamana(oh:tsy miteraka),ara-piaraha-monina.
tsy mety mifanara-tsaina izy mivady,samy tia tena,samy te hanana ny fiainany...
betsaka ny antony mahatonga izany.
vahaolana: fahaizana mionona amin'izay anjara sy izay ananana.fahaizana manaiky izay efa voasoratra ho lalam-piaiananao.
koa mandiniha sy mieritrereta aloha fa ny tody tsy misy fa ny atao no miverina.Ary ny tena olana dia ireo olona mampirafy ihany no tena tsy mahazaka rehefa atao.fa ireo tsy mieritreritra hanao izany dia mety hahazaka kokoa.
Mb



16. saho ( 17/03/2006 11:56)
tena mandreraka be io mampirafy io fa aleo misafidy tokana ihany satria raha tena tia dia mahalasa adala moa raha kilalao dia kilaolaony eny foana koa ianao...

Anjaranao no misafidy izay tianao fa izay no tena antoky ny fandrosoana eo @ ankohonana iray, @ toerana iray, ary @ firenena iray...

Jerenareo anie ilay fisainana madio e! Rehefa madio ny ao am-ponao sy ny ao an-tsainao dia mandeha ho azy ny fiainanao fa kosa raha be erehina dia tsy mety mitombona ny zavatra rehetra fa mifamafao ao daholo...mba ahoana ary ny sain'ny olona mampirafy miala ny tokantranony dia hiaraka @ olon-kafa raha atao ny resaka am-bava hoe iny lhl iny na hoe iny vhv iny sahala @ izao na izao dia tsy mba menatra ve ianao mampirafy...na dia hoe tsy mpivavaka aza ianao fa dia olona tsotra izao...

Aleo avadibadika ihany ny eritreritra mandeha satria tena ho voa ianao no farany...sady tsy misy lanjany intsony ny fahadiovan'ny sainao sy ny fonao fa mizarazara
17. Roch ( 21/04/2006 20:48)
Lili2004:

Marina daholo ny voalazanareo rehetra reo, fa saingy aza tonga de mora manome tsiny fa misy antony ao matoa mitranga zany zavatra zany, tsy misy olona te hanaonao foana izany

zany ahay ka olona mitazan-davitra. Ny atony hiainana dia miankina @ fitiavana, ary ny fitiavana koa tsy hifanarena, mafy anie zany miaraka @ olona tsy tianao intsony izany e, lany ny fitiavana, nefa ny tena voafatotra, ka aza de manome tsiny fotsiny fa misy antony ao.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1676