lozam-pifamoivozana nampidi-doza!

1. jentilisa ( 27/02/2006 06:59)
Nisy lozam-pifamoivozana nahatsiravina tamin'iny lalana nampitohy an'Antananarivo sy Moramanga iny. Nisy fiara citerne nitondra kerosena 30.000 litara maty teo ambonin'ny fiaran-dalamby tany akaikin'i Moramanga tany ny Zoma alina teo. Tsy nahita io fiara maty io mihitsy ny mpitondra ny fiaran-dalamby izay handalo teo...sady alina ny andro no tsy nisy ny famantarana milaza ny fisiana fiara tafahitsoka (maty fa tsy hoe vaky pneu na nihisatra teo) tany alohaloha tany. Voalaza fa nampandre tany amin'ny garan'i Moramanga ihany ilay mpamilin'io fiara maty io fa lavidavitra ihany ny elanelana amin'ny gara iray amin'ny iray hafa ary efa nandalo indrindra ilay fiaran-dalamby.
Vokany: nodonin'ilay fiaran-dalamby nitarika wagon 12 ilay fiara feno solika ary dia nirehitra aok'izany. Maty noho izany ny mpanamory sy ny mpanampy azy an'ilay fiaran-dalamby. Mirary fiononana ho an'ny fianakavian'ny niharam-boina.
novalian'i RALANTO ny 16/04/2006 09:30
2. Fiffi ( 27/02/2006 07:40)
Nifandona tamin'iny lalàm-pirenena faharoa iny, teo amin'ny Pk 96,700 km, tanànan'Ankotrokotroka tsy lavitra an'i Moramanga ny kamiao mpitatitra solika sy ny lamasinina, ny zoma alina tokony ho tamin'ny 8 ora sy 10 minitra. Ireny solika fampiasa amin'ny fiaramanidina ireny no nentin'ity kamiao ity (nalaina avy any Toamasina) ary tonga dia nipoaka raha vantany vao nifandona tamin'ilay lamasinina. Maty tsy tra-drano kilan'ny afo tamin'izany ny lehilahy iray, Andrianjatovo Maminirina Solofoheritiana (24 taona) izay mpanampy ny mpamilin'ilay lamasinina ary ny mpamily kosa, Rakotoarimalala Jean Joseph, naratra mafy.

Tsy afa-nihetsika.
May ihany koa ity farany ary tsaboina eny amin'ny hopitaly amin'izao fotoana izao. Nipitika tany anaty ala sahabo ho 30 metatra ity mpamily fa ilay namany kosa tavela tao anatin'ilay lamasinina ka dia kilan'ny afo. “Efa mba tafala teo amin'ny toerana nisy azy tao anaty “cabine” ihany izy, hoy ity mpiasan'ny lalamby iray tafaresaka tamin'ny mpanao gazety izay tonga naka ny razana tany an-toerana, satria teo amin'ny lalan-tsara no nahitàna azy. Saingy mety ho ny tongony tapaka no tsy nahafahany nitsoaka”.
Kila tsy nisy noraisina vokatr'izany na ilay kamiao mpitatitra solika na ilay lohamasinina. Ny afo moa niitatra 100m hatrany amin'ny tanety manodidina. Solika-na fiaramanidina mahatratra hatrany amin'ny 35 000 litratra any raha ny fanazavan'ny “administrateur” sady tale jeneralin'ny orinasa Madarail, no indray nentin'ity kamiao mpitatitra solika ity.
Tavela teo ambonin'ilay lalamby nanapaka an'iny lalàm-pirenena faharoa iny araka ny voalazan'ireo tompon'andraikitra ilay kamiao mpitatitra solika noho ny fahasembanana ara-teknika. Tsy afaka nandroso fa nikorisa niverina fotsiny ary latsaka tao anatin'ny lavaky ny lalamby no niafaran'ny vodin'ilay kamiao. Ilay lamasinina anefa amin'io efa niala ny garan'Anjiro hamonjy an'i Moramanga.
Nosoritan'ity tompon'andraikitry ny orinasa Madarail ity efa fa mba nandray fepetra ihany ny mpamilin'ilay kamiao nanakana fiara ary namonjy ny garan'i Moramanga mba hanakana izay lamasinina handeha hiakatra na hidina any an-toerana. Fa tsy tratra intsony. Ny lamasinina efa teny an-dalàna ary izay no nisian'ny fifandonana. Sahabo eo amin'ny 30 km miala ny toerana nisehoan'ny lozam-pifamoivoizana no misy ny garan'i Moramanga nandehanany. Ny toerana rahateo koa somary nisy fiolahana izay, no sady fidinana, ka tsy tazana izay zava-misy eo amin'ny arabe raha tsy efa eo akaiky.

Mpamonjy voina.
Raha ny fanazavan'ny “chief of staff” eo anivon'ny minisiteran'ny Fitaterana, Rakotoson Arotsilavo, dia lasa namonjy ny garan'i Moramanga indray ilay mpamily nampilaza ny zava-nanjo azy teo ambony lalamby. Tsy tokony ho izay anefa no nataony, hoy ihany ity tompon'andraikitra ity, raha nanaja ny lalàn'ny fifamoivoizana izy fa tokony ho nandeha tany amin'ny lalamby 500 metatra aloha sy aorian'ny toerana nametraka famantarana hiomanan'ny mpamilin'ny lamasinina, hampijanonany azy. Nosoritany mantsy fa tsy mitovy ny manajanona fiara sy lamasinina, mbola mikorisa any amin'ny 100 metatra any ny lamasinina vao tena tafajanona.
Ny mpamonjy voina avy taty an-drenivohitra moa no voalaza fa tonga tany an-toerana namono ny afo, rehefa nahazo baiko avy tamin'ny ben'ny tanànan'Antananarivo renivohitra, Patrick Ramiaramanana. Fiara be efatra no indray nidina tany ary tamin'ny 4 ora sy sasany maraina vao maty ny afo.
L'Express de Madagascar
Mpanoratra: Nirina Rakotoson
3. Fiffi ( 27/02/2006 07:42)
Dia mbola miala-tsiny fa lava be saingy tsy afaka ho fintinina.
4. Angie ( 27/02/2006 07:42)
Tena loza zany marina. (firy ny maty sy ny naratra t@ izany?)

Dia mirary fionona ho an'ny fianankaviana namoy ny havantiana, Andriamanitra anie hanome hery sy fiononampo ho azy ireo.
5. Fiffi ( 27/02/2006 07:53)
Tsy voalaza koa hoe ilay lamasinina ve nitondra olona sa mpitantitra entana , na hoe nisy olona may ve tao na tsia , fa raha araky izao voalaza izao dia olona iray hiany no namohy ny ainy.
Dia mirary fiononana ho an'ny fianakaviana . Ny Tompo anie Homba sy Hitahy anareo.
6. jentilisa ( 27/02/2006 09:17)
Ny nilazako hoe roa dia satria izay no nolazain'ny Radio Madagasikara ny Alahady maraina raha ty diso aho iny. Ny fiaran-dalamby dia mpitondra entana fa aza fady nanadino izay! Raha ny sary no jerena dia tsy hita mihisy ny nalehan'ny citerne fa ny lohan'ilay fiara sisa no hita! ilay lôkômôtiva kosa tena fesona mihitsy!
7. Kadoda ( 27/02/2006 10:47)
:(
Tena tsy mety mihitsy tokoa aloha ny raisonnement n'ilay chauffeur satria aiza no ahalalàny raha efa nisy lamasinina an-dalana mandrapahatongany any @ gara? Tokony nanakana tany aloha sy aorianan'ilay citerne izy aloha. Ny fampandrenesana ny gara koa ange azo nampitaina izay fiara hafa hitany e?
8. xxx ( 27/02/2006 12:10)
mampalahelo marina fa hafa mihintsy ny raisonnement an' ilay sofera .... handeha ho any moramanga any amin' ny gara hanakana ny lamasinina .....tena mampalahelo ihany dia tsy nampianarina ny momba ny zavatra tokny atao izy (any an-dafy misy ny formation conducteur (FIMO.....)), fa aty mada rehefa mahay mitondra dia mandeha izay, ary mirimorimo ....malahelo ihany aho fa nisy havana akaiky matin' ny camion t@ RN2 iny......mila ho jerena ny tokony atao ...formation ve? sa limitation de vitesse ho an'ny camion ? mba lazao izay hevitrareo ????? mety ahazo an-tsika rehetra anie izany hitsahan' ny camion izany ny fiara kely é ...raha tsy misy ny fitandremana sy ny lesona avy amin' izao .... misaotra é
9. Fiffi ( 27/02/2006 15:42)
raha ny aty an-dafy aloha dia na dia misy neige kely aza dia tonga dia tsy mahazo mandeha ny kamion eh! indrindra moa fa ny "verglas" mampibolisatra be ireny. Na dia be ny mimenomenona aza fia rehefa hoe tsy mahazo mandeha de zay!! raha ny tena marina kosa aloha dia be loatra ny loza nohon'ny ireo kamion reo
10. jentilisa ( 01/03/2006 12:52)
efa renareo ve fa ny madarail indray no melohin'ny vondron'ny mpitatitra solika?
11. Fiffi ( 01/03/2006 15:31)
fa ahoana hono ?
12. Veloo ( 01/03/2006 21:16)
ndray2 maha tezitra ilay fiainana miseo, fa angaha ry zareo tsy manana logique njavatra ? sa dia tena tsy mety mihitsy?:x
13. Fiffi ( 02/03/2006 08:29)
Veloo: tsy hay intsony akia an! fa mampalahelo ny toe-javatra tahak'izao a,
14. Veloo ( 02/03/2006 20:50)
ie:(
15. Fiffi ( 04/03/2006 06:31)
nisy nahazo vao2 farany ve momba an'io?
16. jentilisa ( 04/03/2006 07:18)
Nolazainy ary fa efa namapandre ny gara tao moramanga ny mpamily raha vao "latsaka" tao anay rail ny fiarany. Koa melohin'ny vondrona mpiatatitra solika ny madarail satria tsy ampy fitaovam-pifandraisana hanajanonana ny fiaran-dalamby noho ny fikatsian'ny fiara citerne.
Ny madarail kosa dia nilaza fa tokony hametraka marika 500m aloha sy aorian'ny hidin-dalamby ilay soafera ahafahan'ny mpitondra fiaran-dalamby manajanona ny lôkômôtiva ara-potoana!
Dia tsy henoheno aloha ny tohiny!
17. Fiffi ( 04/03/2006 07:31)
misaotra anao . fa ilay olona naratra mba nanao ahoana ?
18. Veloo ( 05/03/2006 01:26)
dia afahafa ihany ilay story ka, tsy dia mitombona^^
19. Fiffi ( 05/03/2006 06:47)
:roll:
20. RALANTO ( 16/04/2006 09:30)
ny tiako hanontaniana ; Moa ve ny auto école malagasy mampianatra ny resaka 'SECURITE' ao @ programme-ny.
Tokony ialana ny permis vidiana vola fa tokony andalo auto école daholo vao mitopndra fa mampidi-doza
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3031