Mahantra ve ny Malagasy?

1. Fiffi ( 20/02/2006 08:07)
Tsy aiko raha azo lazaina fa mahantra ny Gasy, marina aloha fa misy mihintsy ny mahantra saingy maro dia maro tokoa ny manana: Raha jerena ohatra ny mponina ao Tana firy , firy no manana ireny fiara manja be ireny ? ny 4x4 aloha tsy lazaina intsony , ny fiara farany mivoaka toa misy manana koa . Fa dia ny mahantra dia ahantra hatrany fa ny manana kosa dia sady mitombo foana ny harenany . Mampalahelo ny mijery ny fahatran'ny sasany.
novalian'i TYNOS ny 28/03/2006 12:17
2. jentilisa ( 20/02/2006 09:50)
Ka inona moa no tena mampahantra ny gasy?
3. ravakamalala ( 20/02/2006 11:35)
mety hoe mahantra ara bola ny malagasy fa manana harena hafa ihany koa izy.
tsy maninn fiffi rah mbola ny 4*4 no heverin ny sasany fa mah mpanankarena azy a! misy tsy manana4*4 fa mankarena hafa :wink:

jentilisa > ny fanjanahan tany
4. Lejim ( 20/02/2006 14:24)
mahantra alou ny Gasy e, tsy azo lavina izany. Rehefa mbola manjaka ny kere, maro be ny mosarena sy ny 4'mis, sns, mahantra izany isika, na dia manana tany be sy harena ankibon'ny tany aza.
5. andrea ( 20/02/2006 16:09)
Ny zavatra tena ahy mahagaga dia mitombo isan'andro ny tsy fitoviana . Ny mpanana dia voa maika manana, ny mahantra dia voatery miady amin'ny fiainana foana. Na dia bestaka aza ny fiara sns, dia tena tsapa fa miha-mafy ny fiainana .... Mba misy fanontaniana kely ry reto ity a , rehefa "retraite" ny olona iray (avy niasa 50 taona na 40 taona).. Inona no afaka atao hivelomana rehefa avy eo ? misy karama ve sahala amin'ny hoe "pension" sa tsia ? sa miala maina voatery mitady asa hafa indray ?
6. Fiffi ( 20/02/2006 16:46)
raha mpiasam-panjakana aloha dia mandray pension eh! raha privé indray dia tsy aiko loatra fa misy ny manao cotisation isam-bolana koa .
Fa na izany kosa aloha an dia hita ben'ny maso mihintsy ny manakarena eh!
ravakamalala: fa inona akia izany harena zany ?
7. felicia ( 20/02/2006 22:13)
fiffi an...ny pension tsy mahavelona ao dago,ary ny akampoben'ny behantitra tsy mandray.Fauten'ny mpanao politika amiko ny fahatran'ny gasy satria izay tonga eo dia samy mameno ny kibony.Ny firenena manankarena fa ny gestion no tsy milamina.ny kapoakam-bary aza midangana isan'andro,ny fond humanitaire haodin'ny sasany,lasa any amin'ny frippe sns,ny vary tokony ho fanampiana avy amin'ny firenena mikambana varotan'ny résponsable n'ny distribution,ny fanafody avy amin'ny firenena manan-karena lasa affaire be eny ankatso,donc n problème tsy hitako hoe aiza ilay solution...ilay fahantrana tena hoe niveau primaire mihitsy.
Ny mpanana moa dia manararaotra...ny affaire mandeha,omena tsolotra ny mpiasan'ny port dia tsy mandoha frais de port,tsolotra etsy sy aroa donc ny mahantra mifaly amin'ny vola kely ny manan-karena mampitombo vola.Efa lasa ao amin'ny mentalité ny malagasy mihitsy ireo donc tsy avotra e...
8. Veloo ( 20/02/2006 23:23)
ko tsy ny kapitalisata zany no manjaka any Dago? ny mahantra dia ahantra ary ny panakarena dia hanakarena fona?:roll:
9. Fiffi ( 21/02/2006 05:50)
felicia: ka soahiany kosa aza fa mba misy pension ka! fa raha tsy izany angamba dia inona no hanjoa ?
Ny olana koa dia ny samy mameno ny paosiny , tsy misy fijerena ny hafa fa dia ny fitiavantena no manjaka , eny na dia tsy natokana ho azy aza , fa tokony mihintsy hoe ny fahatongavan'ny fanampiana ivelany dia ireo vahiny koa no hitantana azy nefa indray moa tsy mety satria toa tsy rariny koa io. Ka inona no azo hatao? :roll::roll:
10. felicia ( 04/03/2006 11:04)
izay le hoe tsisy fika
11. Fiffi ( 04/03/2006 13:51)
zay mihintsy!
12. mirana5 ( 07/03/2006 08:58)
maha vizana ny miheritreritr'an'izany:roll::roll::?:
13. Fiffi ( 09/03/2006 20:47)
dia avela ao fotsiny ve ? 8O
14. TYNOS ( 28/03/2006 12:17)
eny no tsia ny valiny raha avy aty aminay aty:mahantra ny malagasy sasany fa ny hafa kosa de ny mifanohitra ny amin'izay ;eny manoatra ny any an-dafy mihitsiny raha resaka fananana;ny mampahantra de izao:angonin'olom-bitsy ny fananana rehatra na ny affaire rehatra ka tsy afa-mihetsika ny madinika:?:ny tena marina de izay tsy mitovy firaihankevitra @zay mitondra rehetra....ny fitiavantena no betsaka eto dago ka rariny raha tsy mety tafavoaka ny lazaina hoe malagasy,MAHANTRA TOE-TSAINA NY GASY:?::?::?:
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.779