Fomba fametraka fanontaniana

1. hery ( 11/02/2006 10:26)
Mahita ny Dinika tato ho ato aho... dia betsaka ny manontany. Inona no mahatonga...? Nahoana ny ... no ... ? Ahoana ny hevitrareo amin'ny...? Raha .... dia ahoana ny...? sns.
Dia lasa ny eritreritra (mandalo) sady mbola fanontaniana indray. Ahoana no tena fametraka fanontaniana? :-)
Ireto misy valiny vitsivitsy :
1. Omeo valiny hifidianana ny olona
Ho an'izay efa nandalo klasy ambaratonga faharoa fototra (na Sé é zé) dia toa moramora kokoa ny mamaly rehefa ilay misy Tsabo telo iny (vaintisety de boka) toa izay ilay fanontaniana iray fotsiny. Ohatra le hoe Iza amin'ireto no renivohitr'i Kenya : - Kartoum - Nairobi - Paris :-) Raha miresaka dia azo atao hoe efa mba taritinao kokoa ny sain'ny olona hamaly fa tsy voatery haminavina be loatra... mahatonga azy tsy hanome valiny na hanome valiny tsy andrasanao.
2. Omeo aloha ny hevitrao
Ny olona mametraka fanontaniana matetika dia efa misy valiny ao an-dohany ao fa mila fanamarinana avy amin'ny hafa izy. Raha izay dia tonga dia lazao aloha ny hevitrao vao manontany ny hafa.
Ohatra: Ny fitiavana amiko dia fanoloran-tena ho an'izay tiana sns... ahoana no mba fiheveranao izany?
Amin'izay mantsy dia manohitra na manamarina anao ny olona.
3. Apetraho ny antony mahatonga anao mametraka fanontaniana
Rehefa mametraka fanontaniana ianao dia aza heverina hoe azon'ny olona avy hatrany ny antony mahatonga ny fanontaniana. Ianao ihany no tena mahalala ny seho (contexte) nahatonga ilay fanontaniana. Tsara, noho izany, raha apetrakao aloha io seho nahatonga ny fanontaniana io.
Raha hanontany hoe "Inona no atao hoe fitiavana?" dia mivelatra be ny mety ho valiny. Ka tokony hasiana fampidirana hahafantaran'ny olona ny antony mahatonga ilay fanontaniana. Ohatra hoe, "Nisy olona iray izay notiaviko, afaka 5 volana anefa dia fantatro fa tia olon-kafa koa izy. Izy anefa mbola miteny foana hoe tia ahy. Inona marina no atao hoe fitiavana?"
Raha tahaka an'io dia hahazo valiny mahitsy sy mifandraika amin'ny ilainao kokoa ianao.

Alao hery ary... manontania... fa mahaiza manontany dia hahazo valiny ianao.
novalian'i pitchou ny 15/02/2006 01:02
2. fasaly ( 11/02/2006 11:05)
misaotra tamin'ny fanzavàna fa de hiezaka hanazava ny dinika hapetraka e!:-*
3. Fiffi ( 11/02/2006 11:47)
marina daholo izany valaza rehetra izany , hita koa fa mazava tsara @ izay izay fanontaniana hapetraka alohan'ny hamaliana azy. Misaotra anao ry hery :)
4. methode ( 11/02/2006 17:26)
Ka ny olana matetika tsy hoe tsy mahazo ny namana fa tsy te-hamaly fotsiny na te-hananihany fotsiny ko! Ngamba tokony ho ferana ihany amin'ny lohahevitra sasany ny vazivazy mba hahamatotra ny resaka!
5. Fiffi ( 11/02/2006 19:02)
marina aloha ny an'i methode eh! fa saingy mba hasiana vazi2 kosa indraindray fa manjary resaka sérieux be loatra dia tsy misy hihomezana kely. Fa na izany aza aloha dia tokony hoe rehefa dinika matotra dia tokony mba hoe ho matotra tokoa satria matoa ny namana mandefa ny dinika dia misy antony izany ary mety hanampy na ahazohana fitaratra , saingy indraindray dia vao misy mamaly ny dinika dia lasa miova tampoka ilay sizé dia lasa fananihany ilay izy dia mety tsy ahazoana izay mba valin'ny sasany angalana fitaratra @ ny ho avy.
6. Veloo ( 11/02/2006 23:49)
7. majakely ( 12/02/2006 09:57)
8. fasaly ( 12/02/2006 13:41)
ny ankizy kosa ry methode mamaly matotra foana a! eny ampiandohàna mamaly matotra fa rehefa lany hevitra de lasa miova ny sizé, ka miafàra amzay foana lay izy, ka tsy deh itako lotsa lay maharatsy ny vazivazy avy eo fa mila maka soufla:°):wink:
9. pitchou ( 15/02/2006 01:02)
tena dakôrou @njy zà fasaly! sady manjary mety hamonamonaina nge ny resaka raha tsy asiana tsikitsiky e!:D:D:D
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.7846