Mampalahelo

1. Fiffi ( 09/02/2006 16:55)
Mampalahelo be ny nanjoha ity ankizy lahy vao 10 taona. Raha nisakafo ny tao an-trano ary akoho ny laoka dia nikiky taolana izy ary nateliny ny taolana somary kely izany , saingy io taolana io dia tafajanona tao anatin'ny tendany ary nanelingelina azy rehefa misakafo izy. 3 andro avy eo dia nanavy be izy ary nantsohina mpitsabo dia noentina teny @ hopitaly. Vita ny radio dia hita tao fa nisy taolana voatelina ary nandratra ny "conduit" moa izany nefa koa izy io dia voatazona tao foana nandritry ny 3 andro io. Mbola miandry vao2 aloha hatramin'izao na nanao ahoana izy izao . :(
novalian'i Fiffi ny 09/03/2006 18:09
2. vale ( 09/02/2006 17:32)
aaandray tena mampalahelo marina izy izany, enga anie ka mba tsy haninona!:(
3. fasaly ( 09/02/2006 17:48)
ka tanremo mintsy zany fa na dia olondehobe aza mety ho tratranzany an!
mba lazao vaovao ihany zany zahay ry fiffi!!!!!:(
4. Veloo ( 09/02/2006 19:33)
:(:(
5. Fiffi ( 09/02/2006 20:35)
eny akia ry fasaly an! :(:(
6. Herimiafina ( 10/02/2006 00:28)
Efa nisy toa io mihintsy koa fa le izy kiratsondro sy taolan-trondro, de ny iray sarona stylo, de mitsivalana ao amin'ny troatroaka.

Voatsabo tsara daholo nefa na dia izanya za, ary na dia ela vao mi-cicatriser ny traotraoka any anatiny any. Misy espoara izany e!
7. ari.malala ( 10/02/2006 04:04)
mirary soa be dia be e
8. vale ( 10/02/2006 21:27)
aî, tena mba tsara tokoa raha misy espoir , fa aiza de ho sakafo nohanina ve no hafaty?hummm!:(
9. Fiffi ( 11/02/2006 06:50)
vale: :-* tena mampalahelo tokoa raha hoe sakafo no ahafaty fa enga nie ka tsy hihafara @ izany. Fa mba aoka hasiana fitandremana hiany aloha @ io fahazarana mikiky taolana io.
10. vale ( 11/02/2006 19:35)
hihih izany tokoa Fiffi à, ny tsy ampoizina no ahitàndoza knoooo!:(:(:((l)
11. Fiffi ( 12/02/2006 06:22)
fa mba tokony hitandrina hiany aloha @ io fikikisana taolana io eh! ny trondro ary efa manahirana ery mihinana azy raha tsy filet , fa ny taolana kosa tena sady lehibe satria tsy voatsako :(
12. poucie ( 21/02/2006 03:56)
anjay tena mampalahelo tokoa zany an! merci ihany nadefa izao zvtr izao fa ahafantaranay ny momba izany!
d nanao aôna ihany kay lé zaza!
nefa kou anatra ihany izany satria "soa kenda ahay hitsako"
13. Fiffi ( 21/02/2006 05:59)
efa mihatsara izy izao , io novao2 azo omaly.
14. Fiffi ( 21/02/2006 06:00)
samia mitandrina fotsiny @ ireny fikikisana taolana ireny fa mampididi-doza mihintsy .
15. Fiffi ( 24/02/2006 05:56)
miha-tsara ny fahasalaman'io ankizy io an:)
16. Fiffi ( 01/03/2006 16:20)
efa mety hivoaka ny hopitaly @ faran'ny herinadro ity hono ka dia isaorana Ny Tompo
17. Fiffi ( 04/03/2006 06:09)
Hivoaka ny hopitaly ilay ankizy androany ka isaorana an'Andriamanitra fa mahery tokoa izy.
18. Fiffi ( 09/03/2006 18:09)
Amim-pifaliana no hilaza antsika rehetra eto fa nohon'ny Fitahian'ny Tompo dis efa nody soamantsara ilay ankizy ary sitrana soamantsara koa. Isaorana ny Tompo fa lehibe tokoa ny Fitiavany antsika!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1805