SAKAFO MIADY AMIN'NY VIH/SIDA

1. Fiffi ( 09/02/2006 04:44)
Tsy nisy nitsipaka ny voka-pikarohan'i Zaranaina
"Tokony efa hankatoavina ary ekena tsy misy fepetra ny fizaka-pikarohana nataonay mikasika ilay fanampin-tsakafo mampiakatra ny habetsaky ny hery fiarovana miady amin'ny tsimok'aretina VIH/SIDA , vita avy amin'ny alalan'ny zavamaniry. hatramin'ny omaly mantsy dia tsy nisy nitsipaka io voka-pikarohana io" Zaranaina Christian no nanome io fanamarihana io . Raha ny tokony ho izy dia omaly no nifarana ilay fe-potoana 15 andro nahafahan'ireo mitsipaka na mamaetraka fanamarihana na fitoriana andry zaranaina sy ny ekipany mihintsy aza momba ny voka-pikarohana mikasika ity fanefitra miandy amin'ny tsimok'aretina VIH/SIDA ity . Niandry fihaonana mety hataon-drizareo ny mpanao gazety omaly kanefa tsy tanteraka izany ." Tsy miankina aminay no tsy nahatanteraka an'io" hoy i Zaranaina . Tsiahivina fa fanambarana nataony tetsy amin'ny Motel Anosy ny 20 janoary lasa teo , ny fahafahan'ny besinimaro mijery ny andinindininy rehetra momba io voka-pikarohana na karazan-tsakafo mampiakatra ny habetsaky ny hery fiarovana io . Toa tsy nitàna ny teny nomeny ihany ry zareo.Nambaran'i Zaranaina omaly fa hanokatra trano-kalam-pifandraisana izy sy ny ekipany , farafahatarany amin'ny alakamisy ho avy izao.Raha ny fanazavany tamin'ny tapa-bolana ihany dia hangataka fahazoan-dàlana ahafahana mivarotra io karazan-tsakafo miady amin'ny Sida io rizareo aorian'ny fankatoavana na ny fahazoana ny brevet momba izany . Tantara mitohy .....

Nalaina tamin'ny gazety Ao Raha laharana 0152
Mpanoratra: RR
novalian'i bozimanga ny 14/02/2006 11:36
2. zandikely ( 09/02/2006 12:02)
Mba omeo preuves scientifiques ny olona fa sao dia resabe fotsiny e !
3. kally ( 09/02/2006 15:17)
Izay mantsy ho'a! tsy nisy fikarohana, tsy nisy fanandramana natao teny @ tobim-pitsaboana, sao hampidi-doza tahaky ny tambavy sinoa nahafaty olona.
4. Fiffi ( 09/02/2006 16:37)
izay aloha e! @ fomba ahoana koa moa no ahazoana io brevet io raha tsy misy porofo ara-siantifika fa mandaitra izany ?
Kally : hay nisy an'izany koa ?
5. fijo ( 10/02/2006 19:56)
le rangahy io ngamba tokony ampidirina ka.tsy didijadona intsony ny resaka eto,fa fiarovana ny fahasalamam bahoaka
6. bozimanga ( 14/02/2006 11:36)
miverena ery ambony
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3753