Tsy mandry ny heritreritra

1. Fiffi ( 07/02/2006 05:01)
Lasa indray ny heritreritro @ io hoe "tsy mandry ny heritreritra" Inona moa no mahatonga an'izany ? inona no vaha-olana mba hapandry azy ?
novalian'i Fiffi ny 11/02/2006 19:04
2. fasaly ( 07/02/2006 05:08)
tsy mitobmina tsaina ny dikan'io, manana ahiahy hoe sao de mba ho izao ary, sao dia ho hisy zavatra hitranga ary!!!!!!tebiteby izany e:°)
3. Fiffi ( 07/02/2006 05:18)
fasaly: marina ny andry an! mitebiteby , eny na dia nety na tsy nety ary koa fantatra fa izay no tokony natao nefa dia mbola ao hiany io hoe tsy mandry ny heritreritro. :-*:-* ndriko
4. maelys ( 07/02/2006 06:08)
oh ny hoe misy zvt mampiahiahy angamba ny dikany. Tsy voatery ho nanao zvt ratsy ihany fa oh hoe mi s'inquieter eh ! tena tsy hitako ze dikany am teny gasy marina !!!
5. Fiffi ( 07/02/2006 07:10)
maelys: mitebiteby araky ny filazan'i fasaly zany, sa mbola hafa indray ?
6. maelys ( 07/02/2006 08:21)
mitebiteby na manahy izy daholo e!
oh zao hoe raha nalefa rery le zaza nandeha nianatra de tsy mandry ny eritreritra sao voadonan'ny fiara.
de manahy ny heviny raha izay
7. Veloo ( 07/02/2006 16:46)
tsy mandry ny eritrei-njy @ inn aloha e? misy isakarazany mantsy...
ny ahy zao dia be soucis be fa rehefa vova ilay soucis dia tsy misy intsony....:wink:
8. hesham ( 07/02/2006 16:46)
ampatorio ny eritreritra , meo fanafody mampatory fa matory io farany . Ianao ihany no fanafodiny e, aza eritreretina lotra ilay zavatra fa manaova zavatra hafa mahavariana ny eritreritrao , ohatra mamaky boky ... ny ahy koa taloha tsy mandry mintsy fa zao matory lotra indray ary hihihi.
9. Veloo ( 07/02/2006 19:52)
hesham a raha fanafody kosa aky ratsy a lasa drug addict eo izy...fa inn aloha ny eritreretin-njy e? mety mahita solution za an...
10. fijo ( 08/02/2006 04:52)
ny fanalana azy???manaova sport,na miaraha amin'ny namana fa hovariana enao dia vita io.
11. Fiffi ( 08/02/2006 05:38)
ka ny olona anie dia izao e! na mety na tsy mety ny nataonao ary hinoako fa matoa nataonao koa ilay izy dia efa niheritreritra tsara alohan'ny hanaovan-javatra , ohatra hoe io no hitan'ny saina fa nety tokony natao dia natao ilay izy nefa etsy an-daniny indray io fa tsy mandry indray ilay heritreritra hoe tena io tokoa ve no tokony natao ?8O
12. Veloo ( 08/02/2006 20:52)
fiffi a tadidio fa ny instinct voalohany no mazana no tena izy, ka avelao @ io voloany io dia aza mieritreritra intsony, ho lasa antitra @ tsinapa eo njy... relaxe de mihaino hira, dia manova meditation dia aza mivaky loha intsony an :-*
13. Fiffi ( 09/02/2006 05:35)
Veloo: :-*:-*:-* marina aloha ny andry e! fa azo alaina taratra izany fa tsy ho ahy irery fa ho an'ny olona rehetra izay tsy mandry ny heritreriny.:)
14. Veloo ( 10/02/2006 20:02)
bien sur ny resaka eto ho an'ny rehetra ka :-*:-*
15. Fiffi ( 11/02/2006 07:02)
O ry Veloo a! :-D:-D io ary aho nandefa hevitra vaovao ao @ "hoy ny gazety" dia ohatran'ny tsy mandry ny heritreritro hoe " voadika tsara moa ilay izy teo ? sao dia nisy diso ?" dia vao nojereko teo , hay nety tsara ka :-D:-D:-D
16. mirana5 ( 11/02/2006 18:57)
rehefa alohan'ny hatory ianao dia manaova respiration profonde in dimby moramora, dia avy eo mieritrereta zavatra mahafinaritra be plage, lanitra manga asa, zay tena tinao é, dia mino aho famandry ho azy ny eritreritrao ANDRAMO ange io é(l)(l)(l)
17. Fiffi ( 11/02/2006 19:04)
mirana: ok ! andramako anio alina dia omeko vao2 ndry rahampitso :):-*:-*
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.8092