Mitady vojy opération urgent, mba vonjeo re vonjy aina ty

1. samblisy ( 06/02/2006 06:27)
Manaôna daholo ny namana rehetra,

Tsy haiko na ato aho tokony hanoratra an'ity fa tena mila fanampiana satria tsy vitako sy fianakaviana intsony lay izy.
Ho didina na atao opération cérébral ny Neninay, misy kista ao ankaikiny atidohany ao ka mampalemilemy azy sy tsy salama mintsy izy zao. Tokony hididiana @ fin Janvier teo izy nefa tsy misy vola ampy hanaovana an'izany.
Dia tsy maintsy mitady fanampiana avy @ namana aho:

Vola 35 000 000 Fmg no ilay @ opration rehetra io hitadiavana vonjy etsy sy eroa.
Inty ny adresse E-mail ko :samb_tra@hotmail.com
Dia Misaotra mialoha Tompoko

Mba toroy lalana raha tsy afaka manmpy ara-bola misaotra mialoha
2. Fanja1 ( 06/02/2006 12:59)
samblisy! mampalahelo tokoa zany... za moa de tsy hitako zay azo hanampiana @ izao fotoana zao fa mitondra ambavaka ho anareo , indrindra ho an'i neninao aho. Mahereza fa zay mahasoa ataon'Atra. Ankino Aminy ny zvt rehetra.
Mahereza hatrany.
3. nomenaj ( 06/02/2006 14:32)
Faly miarahaba anao aho.
mampalahelo tokoa izany amhazo anareo izany;nefa ny azoko anapiana anareo dia izao;mba andramo ihany,aloha,mba hoentina @ 'ireny fivavahana fifoazam-panahy ireny,fa ny zavatra rehetra dia hain'Atra atao,misy fiangonana iray izay,ao andavamamba ao, dia mba handramo ihany ,fa tsy hialambola izany,izay aloha fa raha sitrakao dia manoratra ihany aho,io ny adresseko ato;
dia mahereza!
4. cutie ( 06/02/2006 14:43)
ho ento any @ reny hopitaly karakarain'ny masera reny we raha mety ry zareo.
bonne chance
5. fasaly ( 06/02/2006 15:08)
mampalahelo tokoa fa ny azoko hatao de ny mankahery
dia mivavaha araka ny voalazan'ireo namana etsy ambony, tena lafo tokoa ny fitsaboana ankehitriny raha tsy misy vola dia tsy afaka mitsabo, enga anie mba ho sitrana somanatsara ny marary de mahaereza.
6. Fiffi ( 06/02/2006 16:21)
Tena mampalahelo tokoa izao fa mba jereo eny Ambohibao fa toa eny no misy ny fitsaboina ny olona mila fanampiana maika be tahak'izao , ary ry zareo koa no mpikarakara ny fandefasana ny olona tsaboina aty ivelany , efa naheno an'io aho efa im-betsaka ka mba jeroe hiany aloha , dia mivavaka ho anareo koa ny tenako. Ary mahereza .
7. Veloo ( 06/02/2006 19:47)
cutie marina mihitsy zany. misy hopitaly izay ataon'ireo mpanao fivavahana ireny any ka mitadiavy re. Dia mivavaka ho anareo ko izaho.
ary mahereza e
8. vakodrazana ( 06/02/2006 21:39)
Dia mahatsiaro anareo mianakavy fa dia fantatray tokoa ny hamafin'izany.
Mitondra am-bavaka ho anareo mianakavy ary mahereza.
9. Fiffi ( 07/02/2006 05:11)
io fitsaboina ao Ambohibao dia sahalan'ny croix rouge , ary tsy azo hatao ve ny manao fangatahana fanampiana eny @ minisiteran'ny fahasalamana ?
10. ari.malala ( 07/02/2006 07:00)
Raha eto Madagasikara dia maantona hoe ny association Terre des hommes, toa eny Manakambahiny no misy azy raha tsy diso aho. Dia mahereza,ary mirary fahasalamana hoan'ny reninao.
11. Veloo ( 07/02/2006 19:48)
ary izy to mbola tsy niverina?
12. ari.malala ( 08/02/2006 09:59)
ka mety mbola sahirana aky izy veloo a! :)
13. Veloo ( 08/02/2006 20:43)
ari a ie ko aiza no ahitany ny valin-teny tokony ho andehanany raha tsy mande ato izy mijery8O:-D:°):^):twisted:
14. mll ( 09/02/2006 16:17)
Manaona ianao
mahereza ary mivavaha mafy ;efa nandalo tamin'io problemenao io koa zahay fa voan'ny cancer le zandriko ary nila 75.000.000 fmg .
noho ny fivavahana moa dia afaka niresahana le dokotera dia natao 4 paiements le vola marihiko fa vidina fanafody ny azy io fa tsy operation ka mba iresaho ihany ny dokotera sao misy moyen hanamorana ny paiement ary raha aty france moa ianao dia manatona association na manangana mihintsy association (ohatry ny nataonay) mba ahazahoana fanampina na dia kely aza.
mahereza
15. adidy ( 12/02/2006 19:50)
Aiza moa no isy anao io ? Any Mada sa Frantsa ? Ary aiza ny hopitaly noheverina handidiana azy? Raha any ianao dia vidin'ny fitaovana ve ireo sa karaman'nilay mpitsabo?
16. boubounezy ( 06/03/2006 08:12)
marina alou ny anao ry adidy satry tsara iany ny afatarana anizany satry za zao ohatra ka mba te hanampy nefa mety miroro saina iany @ tsy fahafantarako mazava ny tena fandeanjavatra, nefa na zany aza enjana be iany zany very neny zany ka dé ampetraka eo ampelatanan'Atra ny zavadrehetra fa izy no mandidy sy manapaka anizao retra zao

adidy:

Aiza moa no isy anao io ? Any Mada sa Frantsa ? Ary aiza ny hopitaly noheverina handidiana azy? Raha any ianao dia vidin'ny fitaovana ve ireo sa karaman'nilay mpitsabo?



© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4977