Gasy Vao Tonga

1. Ralay ( 21/01/2006 02:28)
Nanao ahoana ny fahitanao ny fiainanao taminao vao tonga hipetraka @ toerana ivelan'ny Madagasikara?(Sarotra sa mora;tamana sa tsia;nisy nandray sa irery...) Misokatra ny dinika :lol:
novalian'i fijo ny 30/03/2006 03:28
2. fijo ( 21/01/2006 04:20)
toa ny rehetra ihany ka,somary sahirana tokoa,satria be ny fiovana tsy hita tany an tanana.ny tena koa moa mbola le mandefitra foana dia nisy tokoa ny nanararaotra.
ny fanambanian'ny gasy sasany moa tsy lazaina.
3. diamondra27 ( 21/01/2006 06:59)
milay, la vie est belle, le nitaingina avion iny no tena lasamborona nahita ny rahona ambony sy ambany, de nidera an'Atra noho izany nandritra ny trajet.
Nony tonga taty indray moa de nahita fahasoavana araka ny nantenaina: asa,tokatrano, fahasalamana ka hatr@ izao. Somary sahirana fa tsy nahita église protestant gasy. De refa nipetraka elaela moa de hita fa mitovy doly refa eto antany ny construction sy ny infrastructure.
4. laracroft ( 21/01/2006 14:34)
Tonga dia nahatsapa fa ivelan'ny gasikara raha vao nahita ireto olona be dia be samy manana lokom-bolo isankarazany nefa kosa mitovy fihodirana daholo,dia mbola gaga ihany koa isaky ny manandrana sakafo tsy fahita any dago, "kiwi" ohatra......
5. booboo ( 21/01/2006 15:01)
Nandritra ny iray volana nahatongavana angamba zà nivanaka fôna t@ raha vaovao aby aby hitako : trano ngôôôôza velona sady ratsy loko velona matetika :°), fiakanjo bizarre :°)nefa koa misy tsara dia mandrak'ity zà rehefa mi-voyage dia finaritra foana mijery pôzina pavillons reny fa hitako hoe tena tsara beeeee aby aby, motika zany tsy tenina tsony :D, olona mifampiarahaba refa mifanena, boky booooooooobaka beeeeeeee sady ao @ ilay tiako aby aby :D ...).
Na zany na tsy zany tena mafy tamiko ny taona voalohany satria manohatra noho ny " esclavage moderne " ny raha niainana tany ireo nandray anay (havana). No comment fa mafy loatra.
Ny taona faharoa vao tena " dans le bain " tsara t@ raha aby aby.
Izay angamba @ ankapobeny t@ zà vao tonga.
6. sipagasy ( 21/01/2006 15:23)
izaho aloha dia faly e! satria tan-tranon'ny havana ny rahavavin-dreniko ihany moa no nivantanako, tena niadana e! tsy nisy nahasamihafa ny t@ fihantahantana teo @ dadanay & mamanay, nitovy tanteraka ny fitondran'izy ireo anay, ny zanany naterany & ny an'ny rahavaviny. Ny nahazendana ahy dia ny metro tambanin'ny tany kilometatra marrrroooo be, kayyy, de inona koa???ny firiorion'ny TGV koa, ny sisa moa efa mba hita t@ film ihany (loool).
7. pissoa ( 21/01/2006 15:30)
Tsara be ny fandraisana ahy taty, dia zah koa moa vao tonga dia niresaka be tamin'ny olona vaovao be dia be! Dia ny olona rehetra (na le Afrikanina, na le Eropeanina na le Amerikanina na le Japoney) ohatran'ny vao nahita Gasy daholo nahita anah Hihihi. Dia gaga daholo hoe hay ve toy izao izany Malagasy rehefa tena hita e - manjakely angamba :°) Dia lasa jejo velona zah hoe zah avy any Dago :-D

Le trano ngôda be no tena vaovao tamiko! Dia ny sakafo koa no tsy nahazatra ... tsy misy tsirony fa matsatso daholo, indrindra fa ny akoho - hihihi, sady izay asian'ny mpahandro siramamy - grrr (Tsy nahandro hanina aho ny taona voalohany nipetrahako taty).

Dia ny oniversite an-dry zareo koa ngôda be, dia very foana tamin'ny voalohany. Fa tsy nahatsiaro very satria vahiny teto daholo koa ny namako (na dia tsy Gasy toa ahy aza) dia lasa mivanitika fotsiny izahay mitady ny lalana hamonjena ny fiara mody - Hihihi.
8. nani ( 21/01/2006 17:20)
Za ohatrany tsy nino zani mintsy fa ohatrany hoe nanofy hoe t@ alina tany dago , de refa maraina tonga de mahita trano avo bedabeuu sns !! ny taona voalohany de tsy tamana mintsy fa te hody foana , tsy de nangina loatra satria misy havana fa mba manina an dago fotsiny !! hahah dia te handeha metro fona hahah !! na tsy misy dia aleha ary hahah lol
9. fasaly ( 21/01/2006 23:32)
ny ahy ny tena nahavariana ahy dia ny voankazo, toa hita nanadavantaona ny voankazo , sady hita avokoa ity karazana voankazo ity, sady ngedabe dooly ny habeny, any amintsika mantsy dia manaraka saison ny voankazo de zà mitàna paoma iray zany de tena hoy aho hoe: ity zany tonga de mahavoky ahy, sinon tao anatin'ny ririna zà no tonga taty de nirotsaka ny neige de variana nitanàka miaka-midina ny loha manara-maso ny firotsaky ny ny neige tena zavabaovao, de latsapitenenana mahintsy hoe, hadray znay izy otsan'ny vovo milatsaka avy any andanitra...
10. Veloo ( 21/01/2006 23:48)
ny ahy ndray dia tonga dia te-ody any dago tsy tamana mihitsy za en plus ririnina zao no tonga...mangatsika ny andro, mangatsika koa ny olona nandray.. tena kivy be e.. fa ita fa ny gasy aloha dia mahay mi s'adapter na aiza na aiza aleha e :lol:
11. tianavola ( 28/01/2006 21:11)
Sady tamana no tsy tamana dé entina @ onjany eny eh :-o
Soa ihany fa nisy an'tony nety nety tony mba hanakaikezana gasy :-*
Sady ho tamana any Mada koa ve nefa raha ohatra ka hiverina any? 8O
12. Vahinala ( 28/01/2006 21:35)
Za koa dia tsy tamana mihitsy hatram voalohany, na hatramzao aza moa, betsaka tokoa ny zavatra tsara hita mahafinaritra ny maso mihoatra ny any amintsika nefa rehefa aty ivelany ianao dia mahatsapa mihitsy hoe hafa ihany ny any antànana. Ny fitadiavana moa mahazaka maniraka dia tsy maintsy nanamboatra saina ihany satria tsy maintsy mbola hiverina hody sady expérience ilaina koa izany eo amin'ny fiainana, somary sarotra tokoa ny fahatongavana satria aty amin'ny toerana ipetrahana dia tsy mahalala olona mihitsy na iray aza fa ao Paris no misy havana ka dia vao nanao "nouvelles connaissances" ary soa ihany aloha fa mahafinaritra daholo ireo namana manodidina sy mpiara miasa hatramzao.
Ny lesona azoko notsohaina dia rehefa miverina aty amin'ny manaraka aho dia vacances ihany fa tsy tamana raha toa ka tena hipetraka.
13. Veloo ( 28/01/2006 23:05)
tianavola ie wa retsy otran'ny mba oe any dago rehefa miditra ato o?:-D:-D:-D
14. rurik ( 02/02/2006 07:20)
veloo sady ohatran'ny we tsy lavitra ny dago zany rehefa miditra eto e mihaino radio miresaka ........ho ela velona anie ny net :-*
15. Veloo ( 02/02/2006 19:18)
rurik zany mihitsy retsy a eto no mba ahatsiarovana oe any dago isika o :(:idea::-*:-*:-*
16. tianavola ( 03/02/2006 15:49)
Veloo, rah nifanena eny Analakely zao tsika roa dé tsy nifampijery akory nefa teto lasa mihavana eh?
:-D :-*
Dé miaraka miheno radio dé miaraka mivanitika :°)
17. Veloo ( 04/02/2006 23:51)
:-*tiana a an3 rehefa mifankafantatra retsy dia miharaba sy miresaka sy miaraka mijery sport na vitrine ka :-D
18. tianavola ( 09/02/2006 20:08)
Ndao eh ndao eh :-D :-*
19. Veloo ( 09/02/2006 20:53)
tiana :-D:-D:-D sur fa raikitra e:-D:-D
20. tianavola ( 09/02/2006 21:11)
:-D kay njy veloo ao ambadika ao kouu? :-D
Raikitra zany! zah efa eto @ atsasadalàna rahateo :^)
Fa zany hoe mandrapiandry anjy aloha dé zah hijery sary be da be ato fa mahavariana beee :-D
:-*
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4575