Jonny R'Afa

1. hery ( 11/01/2006 05:28)
Efa henonareo ve ny momba an'i Jonny R'Afa? Mpihira, mpamoron-kira, sady interprete hono izy io. Anisan'ny hira noforoniny Rabodoniarivo, Ravorombazaha (Anazy kay hono io fa tsy an'i Tselonina), Retsiana.
Mba lazalazao hoe izay mahalala. Inona koa ny hirany hafa, aiza izy no tena malaza sns.
novalian'i fijo ny 21/01/2006 04:40
2. dadabe ( 11/01/2006 07:03)
:-@:-@:-@ tsy kopy sefo o!
3. xxx ( 11/01/2006 08:40)
artista feno jonny ka, mpanao sary sikotra sy ny sisa. tsy malaza zany izy fa ny artista no mahalala azy
4. hery ( 11/01/2006 10:06)
Azo fantarina ve hoe inona avy no hira an'i leiry? dia inona avy koa ny hira nataony ka hirain'ny olona no malaza?
5. fijo ( 21/01/2006 04:40)
hery,akamako io bandy io,ravitoto izao dia izy koa no tompony,ravorombazaha,tantarao angano aho dada,ilay dama,ny ankamaroan'ny hiran'i tselonina dia saika izy no namorona azy.
tamin'ny andron'i rabesahala izy dia saika hanao sikotra ny vato teo ampamarinana,efa nisy vahiny vonona hamatsy vola le hevitra,fa nosakanana'i besahala.naivo sy rain'lita ny zandriny.
nanao fianarana momba ny art taty frantsa izy.fa nampalahelo fa tsy nalaza tany mada.mahay izy na hosodoko na sikotra.
teny andohalo izy no nianatra.izay mahalala azy dia mahalala an'i hery ravorona koa,(io cousinako)samy mpitendry glita mahay izy roalahy ireo,nefa samy tsy heno.efa niaraka tamindry lolo sy ny tariny koa ry zalahy.
tany mahajanga izy sy i hery ravorona ,nanao toa ireny ataon'ny ankizy aty ireny.le mihira amina bar sy ny resto ireny.dia bob dylan sy donovan no interpretena.ka nahavariana tokoa ny olona tany.ary tamin'izay ny talean'ny airmad tany antoerana,dia vonona ny hanohana an'izy roalahy,fa lery moa lasa taty.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0932