raharaha ihany izy ity e

1. lemenakely ( 10/01/2006 07:40)
ny olona any dago dia mieritreritra fa izany olona avy any an-dafy izany dia olona tsy misy toa azy manam-bola e etc...MANAHIRANA NY MIAINA E
novalian'i bozimanga ny 15/02/2006 05:20
2. pissoa ( 10/01/2006 08:10)
:-D:-D:-D
3. Vahinala ( 10/01/2006 08:45)
lemenakely > Hihihiii efa mahazatra fa hodiana fann fotsiny sisa e ! :-D:-D:-D
4. ravatorano ( 10/01/2006 09:41)
io dia toy izao raha mipetraka eny ambanivohitra ianao taloha ka lasa mila ravinahitra andrenivohitra defa houzy ny olona nialanao we any aminao ilay ZAVATRA,olon ny fandrosoana ireny,manan sosy,aveky eh
toy izany koa ianareo izay monina any ampita any ary raha jerena amin ny fo sy saian tsymiangatra kosa dia ianareo aloha miainana tsaratsara kokoa noho izahay aty na samy miasa aza.Nareoa tsara trano,tsara fiara,tsara kaly :wink::D:Dtsara karama ary izany no mahatonga ny olona miteny izany.Misy aminareo koa rehefa tonga aty lasa fotsifotsy izany tratran ny lanezy angamba , lasa natavy nahazo aiana izany d lasa niboredika koa fa lafiny tsara daholo aloha izany eh.
Ka ny olona anie tsy maintsy milaza eh fa na aoana kosa aloha na aoana hafa ihany zany hoe zanaka,ralah,ravavy,ranadah,ranabavy avy any andafy zany fa tena mijajika b eh :wink::-D:-D:-D
sa nareo aoana amizany ry pissoa,vahinalaary lemenakely.
5. Mifenty ( 10/01/2006 09:53)
>>lemenakely

tsy vao reska maly ty ry mena a.

sizé mba tiana foronina fotsiny fa tapohany kou ngamba i mena na koa oe voadona tany le.
6. mpanakiana ( 10/01/2006 11:03)
marina doly zany volazanareo zany fa saingy zao no
tsarovy fa misy ireo sasany mipetraka any andfy zay mikarama fa tsy fantatro aloha zay asa ataony ee,na mijaly fadiranovana aza izy noho ilay asany d refa tonga aty dago d misekoseko manao la vie sy ny karazany,ekena satria ny sandambola malagasy tsy itovy @ euro na $ mihitsy ka zay no mahatonga ny ol we sambatra ry zareo any,fa nefa tsy fantany ko fa mba mijaly ko ry zareo reo any fa tsy sahy mitantara ny sasany!!
7. Vahinala ( 10/01/2006 11:07)
ravatorano > Ekena fa tsaratsara kokoa ny aty raha resaka karama fotsiny ohatra no resahana, raha toa ka avadika vola malagasy ilay izy dia tena vola be tokoa, fa saingy ny tsy fantatry ny fianakams any Dago dia ny hoe, ny vidimpiainana aty koa lafo lavitra noho ny any indrindra fa resaka sakafo. Dia mitovy ihany e, raha ho entina any ny karamanay d tena kala beu zay fa raha aty karama 1000euro zany aza ohatra ange mbola kely dia kely tsy mahavita zavatra firy e, nefa raha avadika vola gasy io efa ohatrinona !

Mifenty wa > :-*:-*:-*
8. booboo ( 10/01/2006 11:34)
ny fahita @ télé kosa ve ny oul by aby manana frigôôôôôôôô, manana tôôbilinaaaa, tsara tarehy ny fanakaaaaaaaa, ny akanjo sy ny kiraroooo, ny kaly moa tsy tenenina sns . Nefa reo aby aby reo lafo vidy velona any Dago ary tsy ny be sy ny bobaka no afaka mi-se permettre manana an'ireo. Aiza izy no tsy hiteny hoe mpanakarena aby ny any an-dafy ? Sady @ zay na hiteny in-jato amby arivo aza hoe mafy ny fiainana, amin-dreo 1 euro zany efa dôla be dônky re-mpanakarena aby ny any @ zany an-dafy zany !


9. kally ( 10/01/2006 15:21)
Hono ho'a, ny any an-dafy moa tsy mahita hoe tena mampalahelo ny ankamaroan'ny gasy fa mahantra sy tsy manam-bola? Ny dikan'izany mahatsapa tena koa izany ianao any an-dafy fa "manam-bola" kokoa noho izy.

Saingy ny mampalahelo ilay toe-tsaina mieritreritra fa "mpamboly vola" ny any an-dafy any ka misokatra fotsiny ny vava dia mirotsaka ny vola sy ny entana lafo vidy izay ilaina halefa ho any Dago, nefa koa mba lomorina ilay toetsaina hoe avy any an-dafy dia hiseho hanindritsindry sy mihevitra an'ilay mijanona ao an-tanàna fa vendrana sy tsy mankaiza.
10. Vahinala ( 10/01/2006 15:34)
kally:

Hono ho'a, ny any an-dafy moa tsy mahita hoe tena mampalahelo ny ankamaroan'ny gasy fa mahantra sy tsy manam-bola? Ny dikan'izany mahatsapa tena koa izany ianao any an-dafy fa "manam-bola" kokoa noho izy.

Saingy ny mampalahelo ilay toe-tsaina mieritreritra fa "mpamboly vola" ny any an-dafy any ka misokatra fotsiny ny vava dia mirotsaka ny vola sy ny entana lafo vidy izay ilaina halefa ho any Dago, nefa koa mba lomorina ilay toetsaina hoe avy any an-dafy dia hiseho hanindritsindry sy mihevitra an'ilay mijanona ao an-tanàna fa vendrana sy tsy mankaiza.



Marina mintsy ny teninao, tsy laviko satria ny tena aty lavitra no mahatsapa tokoa hoe mbola mahantra ihany tokoa isika mihoatra andry zareo aty ary tsy resaka vola ihany io fa na ny tanàna, ny fivoharana sns, tsy midika anefa izany fa manambany ny olona any antanindrazana izahay, sanatria izany fa izaho zao aza refa misy occasion dia mandefa zavatra ho any fianakaviana any ihany araka izay fahefako mividy koa. Normal be tokoa ny fisainandry zareo any raha hiteny hoe mananambola kokoa ny aty, ny mampalahelo anefa dia ny sasany ohatra tena mihevitra araka ilay nolazainao io hoe "mpamboly vola" anga le malagasy aty ka raha sendra miteny ianao hoe tsy manambola aho izao ohatra dia efa ratsy ny fisainandry zareo.
Misy koa anefa ireo izay avy aty dia tena manindry mafy ny hafa tokoa rehefa tonga any antànana ary na ny samy gasy aza aty ivelany dia maro no mifampialona sy mifanao fijery ratsy rehefa mba mifanena eny andàlana.
Ilay toetsaina mihitsy no mbola mila fivoharana kely.
11. fijo ( 10/01/2006 22:00)
kally an,za aloha rehefa tonga any tia manindritsindry fa tsy le tiandry lazaina no tsindry ataoko an.hi hi hi
fa mampalahelo tokoa aloha fa ny olona dia mihevitra foana fa kala be avy aty,nefa anie raha mahita ny fiainana aty koa ka lasa saina ihany e.zarehefa tonga any dia mahatsapa ,fa ny avako any no miadana sy milamina kokoa no ho za avy aty.
12. Samoana ( 11/01/2006 08:53)
Na any Dago na any andafy samy tsy misy toa azy e ! :lol: Tsy mety afa-po mandrakizay Ra-olombelona fa samy manana ny anjara taraina sy fitsiriritana ny tsy hiainany hatrany e ! Na vola izany, na asa, na ...namana:D
13. Vahinala ( 11/01/2006 12:07)
Samoana > Marina mihitsy zany e, ny any dago maniry ny fiainana aty, ny aty maniry ny any US, ny any US maniry ny hipetraka eny am volana d ohatrizay hatrany hatrany. Maniry ny tsaratsara kokoa foana ra olombelona fa tsy mety afapo amin'izay hananana mihitsy.
14. fijo ( 26/01/2006 04:17)
vahinala,za tsy maniry hoany US ka,aleoko ihany any mada.
15. pitchou ( 26/01/2006 18:38)
lemena> zà klou tsy mieritreritra an'zany satria efa hitako hoe manahoana ny fianan'ny ankamaroan'ny gasy any andafy any e!
vahinala> zà klou maniry ny hanao vacances eny @ volana e!
16. fasaly ( 26/01/2006 19:27)
mpanakiana:

marina doly zany volazanareo zany fa saingy zao no
tsarovy fa misy ireo sasany mipetraka any andfy zay mikarama fa tsy fantatro aloha zay asa ataony ee,na mijaly fadiranovana aza izy noho ilay asany d refa tonga aty dago d misekoseko manao la vie sy ny karazany,ekena satria ny sandambola malagasy tsy itovy @ euro na $ mihitsy ka zay no mahatonga ny ol we sambatra ry zareo any,fa nefa tsy fantany ko fa mba mijaly ko ry zareo reo any fa tsy sahy mitantara ny sasany!!


ahoana mou no ilazàna hoe sambatra sa tsy sambatra, na mipetraka dago na andafy samy miasa vao mhita vola, samy tsemboka vao homana, ka tsy hitako zay olana, na asa inona no ataony na mampijaly azy ny asany, rehefa tsy mamngalatra sy tsy manao ratsy izy de izay no zava dehibe! izay no atao hoe realiste! mi s'adapte amin'ny fiainana misy azy sy ny fiainany . sady tsy ny nakamaroan'ny gasy no misekoseko refa tonga any am tanàna fa tsy maintsy misy foana ny olona manana toetra toa izany ka aza omena tsiny izy fa samy manana ny toetrany lay olona, amiko manokana alou tsy tiko lay misehoseho be ireny sy lay mizahozaho fa na izany aza avelako miaina am fahalalahany izy raha izay ny fantany fa mety:wink:
17. fasaly ( 26/01/2006 19:36)
Vahinala:

Samoana > Marina mihitsy zany e, ny any dago maniry ny fiainana aty, ny aty maniry ny any US, ny any US maniry ny hipetraka eny am volana d ohatrizay hatrany hatrany. Maniry ny tsaratsara kokoa foana ra olombelona fa tsy mety afapo amin'izay hananana mihitsy.


zà kou tsy maniry ny hiaina any usa, any aza mbola pire noho ny aty europe, angamba fa ny tena tsara any am tanàna ihany fa saingy ......aleo kalou ato am misy ahy ihany mandrapàha:°)
18. Vahinala ( 26/01/2006 20:59)
Eny e, tsy ny rehetra anie no tiako lazaina amzany e, fa ny ankamaroany indrindra fa ireo mpanankarena izay efa tsy hitany tsony ny asiany ny volany e, tsy maintsy misy foana ny lafinjavatra na dia hoe amin'ny fiainana andavanandro aza tsy mety mahafapo ny olombelona, tsy iniana zany fa efa toetra ao anatintsika mintsy.
19. fijo ( 03/02/2006 22:13)
izay mihintsy.
20. zandrikely ( 04/02/2006 18:30)
ka io ilay olona any @ tanana mahita ireny olon avy aty miseho milay ireny e , normal ry zareo ra miteny hoe tena mamboly vola ny any andafy , amiko aloha dia tena tsara ny ilazana @dry zareo ny zavamisy aty , eny e marina aloha fa hafa ihany ny aty miohatra ny any @ tanana fa efa miha enjana ko e
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4928