barofo tao amin'ny lapan'ny fitsarana!

1. jentilisa ( 16/12/2005 12:47)
Nisy zava-nitranga tsy fahita indray tao amin'ny lapan'ny fitsarana anosy androany tolakandro tamin'ny 1 ora teo ho eo. Tsy teo amin'ny vavahady anoloana akory izany fihetsika izany no natao fa taty amin'ny vavahady ambadika, izany hoe ilay vavahady manoloana ny minisiteran'ny fampianarana.

Fa inona moa no zava-nitranga? Fantatra fa androany no nampiakarina parquet Atoa Voninahitsy Jean Eugene. Raha ny fahalalako sy ny nolazaina tamiko dia ny olona alaina ambavany sy ny mpaka ambavany ihany no tokony hifanatrika amin'izany famotorana izany. Tsy mbola ilay tena raharaha-pitsarana aseho vahoaka manko izany.

Izay ary no nolazaina tamin'ireto mpanaraka ny Depiote Voninahitsy fa tsy nanaiky izany ry zareo. Notarihin'ilay senatera malaza ho arema sy mahery fihetsika ( Ramasy Adolphe)fa tsy maintsy tafiditra ao amin'ny fitsarana ary ny mpanaraka azy; Dia raikitra tokoa ny famakiana ny vavahady...niandahy niambavy mihitsy ry zareo.

Marihina kosa fa tsy namaly mihitsy ny mpitandro ny filaminana fa namela azy ireo nanao ny sitrapony teo.
Ary dia tafiditra soa aman-tsara ry zareo. Ny mpanao gazety rehetra na ambava na an-tsoratra na an-tsary no avelantsika hamakafaka ny tohiny sy izay heviny ny amin'izany!

jentilisa
novalian'i fijo ny 20/12/2005 20:45
2. Samoana ( 16/12/2005 13:25)
Misaotra mampita vaovao tselatra toy izao jentlisa a ! Hafakely indray izany mamaky vavahady te... hiditra fitsarana izany:lol:
3. ramorafr ( 16/12/2005 15:16)
mampalahelo tokoa ny mahazo ny Malagasy fa tsy fantatra intsony hoe inona no tokony atao(Dia ATAO HO FIALOFANY OLONDRATSY FOANA VE NY AO AMNY ANTENIMIERAMPIRENENA???satria mantsy hoe tsy mahazo samborina ve dia samy anao anizany daholo ny solombavambahoaka efa mahery ny zato dia aiza ho aiza ny vahoaka nifidy azy?
4. jentilisa ( 16/12/2005 15:21)
Zakahely bonibace moa no talohany teo, fa misy izany depoite TIM izany koa fa tsy mba nolazaina ny anarany!

Dia hoy aho hoe inona ary ity?
5. pitchou ( 16/12/2005 17:06)
izany no atao hoe loholona ka! tsy maintsy ny lohany foana manko no misantatra ny fanaovana barofo! tena nihevitra ny tenany ho tena favy sy mendrika ery izao rizareo o?
6. fijo ( 16/12/2005 19:07)
lay izy anie ady efa tadiavina e.
midradradradra fa tsy nanaja ny lalana ny mpitsara nisambotra."ekeko io raha toa ka tsy nisy marina ny fahatratrarana ambody omby",nefa ny fanaovana toa izany ve no atao hoe fanajana ny lalana.
ny tena marina dia fantany fa tsy be mpanaraka izy,ka ny fomba hentina hanehoana fa manao zavatra dia izao.herisetra.jereo fa misy akama iray ato,dia manao toa io koa.vao tsy voaharo ny hevitra dia lasa ny ompa sy ny karazany.
7. Rainimaharavo ( 16/12/2005 19:23)
Izany no vokatry ny hoe "tsy maty manonta" ny solombavam-bahoaka...afaka manao izay tiany hatao ry zareo satria fantany fa tsy ho voasazy eo noho eo ry zareo...mampalahelo!
Amin'ny lalam-panorenana manaraka dia tokony haisorina ao amin'ny andininy rehetra ny hoe" tsy azo samborina na halaina ambavany ny olom-boafidy raha tsy nahazo alalàna avy any amin'ny antenimieram-pirenena na ny loholona misy azy..."
Raha hiankina amin'izany mantsy izireo dia mbola hitohy ihany izao toe-tsaina izao na ho ela na ho haingana; Izany no nolazaiko hoe : IANAREO TANORA 25-45 taona no tokony hanova ny toe-tsain'ny rehetra. Ireo milaza azy ho babàny amin'ny politika hatramin'izay efa tsy izy intsony fa mpandoto rano fotsiny.
Tsy ny taona akory no inona fa ianareo no manana fisainana vaovao hoenti-manova ny fitondrana. Esory ao amin'ny volavolan-dalàna ny hoe "Immunité parlementaire"...aleo hoan'ny vazaha izany fa mba manàna ny antsika isika. Raha afaka mantsy io andininy iray io dia mino aho fa hieritreritra ry lé-maty alohan'ny hanaovany angaredona amin'izao rehetra izao.
Efa tonga aty amintsika izany ny fomban'ny sendikalista any Frantsa izay mandrava ny zava-bita...
8. fijo ( 16/12/2005 19:33)
le hoe esory kosa aloha tsy mety e.hilaina io ahafahana miasa malalaka,saingy,saingy,ny tokony hatao,dia jerena ny antontan taratasin'izay milatsaka,ka raha toa ka efa nisy olana noho ny fampiasana miohapefy io zo io,dia tsy avela milatsaka intsony.
ry zalahymantsy arema izy aloha,dia lany dia za no rôl,mivadika tampoka UNDD dia lany ihany ,dia za foana no rôl,de TIM indray ,dia mbola za hatrany no rôl e.ka izay no mila ahintsy
9. dadabe ( 17/12/2005 03:08)
hoy i Rainimaharavo>
Raha hiankina amin'izany mantsy izireo dia mbola hitohy ihany izao toe-tsaina izao na ho ela na ho haingana; Izany no nolazaiko hoe : IANAREO TANORA 25-45 taona no tokony hanova ny toe-tsain'ny rehetra. Ireo milaza azy ho babàny amin'ny politika hatramin'izay efa tsy izy intsony fa mpandoto rano fotsiny
tenamarina io zokibe a, ary zah mahita fa ilay fomba fisainana tandrefana izay ezahina aparitaka aty @ tsika (dago)no tena fototr'izao, tsy mbola zakatsika ilay fotokevitra hoe demokrasia (izay avy any @ tany tandrefana )nefa dia ezahina hapetraka :evil:
10. Rainimaharavo ( 17/12/2005 09:32)
Marina ny tenin'i Fijo fa izay indrindra no nilazako fa tokony tsy hisy mihitsy io "immunité parlementaire" io eto amintsika satria na hiova ANTOKO POLITIKA inona sy hivadika palitao injato ambiarivo aza izy dia mbola hitana ny toe-tsainy ihany. Noho izany tsy ampidirina ao anatin'ny lalam-panorenana mihitsy io "TSY MATY MANOTA" io.
Ny Firenena anie no mitondra takaitra fa tsy izy izay mihevitra ny tenany ho tsy azo tohinina mihitsy ê!
Ny hevitra hoe alaina ambony, alaina ambany izy alohan'ny hidirany amin'ny filatsahana ho fidiana dia tena marina sy hitsiny mihitsy fa araky ny fahitako azy hatramin'izay (efa mba zokinjokiny ihany aho ara-taona) dia tsy mahasakana an-dry ZALAHY tsy hanao ny hataony izany. Esory any io "immunité parlemantaire" io dia ho hitantsika fa tsy maintsy hitandrina ry lé-maty amin'izay rehetra hataony.
11. jentilisa ( 17/12/2005 09:42)
Fa nahoana tokoa ho'ahy ny any andafy na tompon'andraikitra ambony aza toa misy azo samborina ihany e? tsy azoko!
12. ds ( 17/12/2005 12:08)
Tsy misy filazana mihitsy ao amin'ny lalam-panorenana hoe misy olona na vondron'olona "tsy maty manota". Jereo ny Andininy faha-69 :
(...)
Tsy misy solombavambahoaka azo enjehina na samborina mandritra ny
fotoam-pivorian'ny
Antenimierampirenena, amin'ny raharaha mikasika ny adiheloka bevava na
adiheloka tsotra raha tsy
nahazoan-dàlana tamin'ny Antenimierampirenena, raha tsy hoe tratra
ambodiomby izy.
Tsy misy solombavambahoaka azo samborina ivelan'ny fotoam-pivoriana, raha
tsy nahazoandàlana
tamin'ny biraon'ny Antenimiera misy azy, raha tsy hoe tratra ambodiomby
angaha izy na
nahazoan-dàlana ho enjehina na voaheloka tanteraka. (...)

Voafaritry ny lalàna tsara izany ny fisamborana na fanenjehana ny solombavambahoaka. Io karazana lalàna hiarovana ny depiote io dia misy manerana ny firenen-dehibe fa tsy ao Dago irery akory. Ny filoham-pirenena koa tsy azo kitikitihana mandritra ny fitondrany ny tany sy ny fanjakana. Ka tsy hitako ny olana amin'izany satria ireo olona ireo azo toriana sy enjehina rehefa tsy am-perinasa intsony na ivelan'ireo fotoana voatondro. Na dia eo aza ny fiarovana ny olom-boafidy, amiko rehefa heloka dia heloka raha toa ka voaporofo. Angony ary ny porofo rehetra izay manana, dia mametraha fitoriana rehefa tonga ny fotoana fa zon'ny tsirairay ny manao an'izany ary voasoratra mazava ao anaty lalam-panorenena ihany koa.
13. jentilisa ( 17/12/2005 12:43)
Ka ny olana amin'izao fotoana izao dia hoe ambodiomby ve ilay raharaha ankehitriny?
14. Rainimaharavo ( 17/12/2005 12:57)
Marina fa misy dia misy ny fiarovana ireo olom-boafidy mandritry ny fotoana iasany; ny eto amintsika anefa dia manararaotra izany fiarovana azy iza
15. Rainimaharavo ( 17/12/2005 13:09)
Marina fa misy dia misy ny fiarovana ireo olom-boafidy mandritry ny fotoana iasany, ny eto amintsika anefa dia manararaotra izany fiarovana azy izany ry ZAREO. Adikao tsara ny hevitr'io "immunité parlementaire" io fa TSY MATY MANOTA no tena heviny raha mbola eo amperin'asa ry zareo. Ireo izay hoe niala teo amin'ny maha Solom-bavambahoaka azy na Loholona dia mbola mitàna izany ihany ry zareo hoe tsy azo kitikitihana. Izany no mahatonga ny sasany hatramin'ny andron'ny Repoblika voalohany hoe :"Ingahy dépioté" na dia tsy eo amin'n'izany toerana izany intsony aza izireo. Marina koa fa mitàna ny anarany hoenti-maharitra ry zareo amin'ny maha mari-boninahitra azy. Ny toe-tsainantsika Malagasy dia ny manaja ny Olomboafidy na amperin'asa izy na tsia. Ireo manana izany sata izany anefa dia tsy mahay manaja ny voninahitra ananany. Ireo olomboafidin'ny firenena hafa dia tsy mampiseho toetra tsy maontina toy ny hataon'ny eto amintsika. Ny fomba hanalana ny "immunité parlementaire"n-dry zareo dia amin'ny fomba ara-dalàna na ho aiza na ho aiza. Ohatra fotsiny Ingahy Le Pen (député européen) Ingahy Charles Pasqua (député européen). Ireo olona roa ireo fotsiny dia afaka taminy ny maha-dépioté eropéanina azy. Tsy manakana an'ingahy Charles Pasqua tsy ho Loholona ao Frantsa anefa izany, ary tsy manakana an'ingahy Le Pen ho filohan'ny antoko politika amin'izao fotoana izao.
Tsy ny hiandrasana izay lalana hoentina hanalàna azy amin'ny toeranany no inona fa ny TOETSAIN'IREO milaza azy ho DEPUTES na SENATEURS nefa tsy mampiseho ohatra mendrika hoan'ireo izay hitondra ny Firenena atsy ho atsy.
Koa na tsy voasoratra aza fa tsy hoe TSY MATY MANOTA ny ao amin'ny lalampanorenana dia izay no toe-tsaina hoentin'ireo Olomboafidy sasantsasany eto amintsika eto Madagasikara.
Mbola ho ela isika vao ho tafarina amin'izay TOE-TSAINA izay.
16. pakopako ( 17/12/2005 20:52)
rariny sy hitsiny ny fanagadrana an'i ngah voninahitra raha ohatra ka nataony marina izao zavatra izao,fa ny fanontaniana mipetraka moa ve tena filagiran marina ve io an'i voninahitsa io araka ny heno mantsy d toa tsy tra-tehaka izany hono fa nosavana d nahitana vola tao ka,sa mbola filagiran foana ve izany?
17. ds ( 18/12/2005 10:32)
Momba ny toe-tsaina, dia azo kianina avokoa ny sokajin\'olona rehetra fa tsy ny ao amin\'ny olom-boafidy irery akory. Eo amin\'ny fampiharana ny lalàna no tsapako misy fitongilanana eo amin\'ny sokajin\'olona samihafa. Rehefa ampiharina tsisy ankanavaka ny lalàna velona ankehitriny, dia na ny Bianco tsy hilaina intsony.
pakopako
18. Rainimaharavo ( 18/12/2005 16:11)
Ny toetasina resahana dia ny an'ireo milaza azy ho "OLOMBOAFIDY" aloha. Ny an'ny Vahoaka sy ny sarababen'olona dia an'ny tsirairay no mitondra ny tenany ho amlin'ny fahamarinana sy ny hitsiny. Tsy ho voatery hanao izay ataon'ny Olomboafidy na ny Mpitondra akory. Porofon'izany ireo izay Mpitondra fivavahana mari-pototra amin'ny tena asany. Tsy ireo mihitsy no hampiseho ohatra ratsy hoan'ny besinimaro. Marina fa misy ireo Mpitondra fivavahana tsy mahay mihonona amin'ny maha Mpitondra fivavahana azy fa mitetateta manao politika politisianina. Ireo Olomboafidy no manome ohatra voalohany. Ireo anie no tena taratry ny Firenena fa tsy ny tsirairay avy amintsika Malagasy akory. Hafa indray raha toa ka any ivelan'i Madagasikara no mampiseo toetra tsy mendrika ny iray amintsika ka holazain'ny olona hafa firenena hoe : Hay toy izany ianareo Malagasy?
Ny toetsaina hoentin'ny tsirairay dia ny fahaizana miaina amin'ny fiaraha-monina aloha vao miantefa any amin'ny zavatra hafa. Tsy ny fandrobana ny entana sy ny fananan'ny hafa na ny fialonana satria manana izao na izao i Ranona dia anaovana toetra tsy zaka.
Tsy hoe rehefa manana fiarakodia tsara tarehy vao nivoaka avy any amin'ny mpanondrana i Ranona dia ialonana; tsy hoe nahavita trano ary an'anona i Ranona dia ho simbàna izay zava-bitany. Izany rehetra izany dia TOETSAINA daholo no mitondra azy.
Ny an'ny OLOMBOAFIDY kosa dia ny mahay mampiseho amin'ny Vahoaka hoe izao Ranona no tokony hitondrana ny Firenentsika sy ny Taranantsika fa tsy hisehoseho amin'ny Vahoaka hoe : rotahako ity fefy ity, simbako ity zava-bita ity, ataoko mahita ahy tsara ireo fahavaloko ireo...sy ny sisa tsy hay lazaina intsony.
NY fanontaniako amin'izay afaka manome valiny dia hoe : Mba inona loatra no fahaizana amam-pahalalàna ananan'ireo Olomboafidy manao ambozizy ny fananam-bahoaka ireo? Taiza no nianatra ireo Olona ireo. Inona sy inona marina no TENA ZAVA-BITANY TAO AMIN'NY FARITANY NAHAVOAFIDY AZIREO hatramin'izao? na atsimo izy, na avaratra, na antsinanana na andrefana, na afovoantany?
Mbola averiko indray hoe : ESORY ANY IO FEHEZAN-KEVITRA HOE TSY MATY MANOTA NY OLOMBOAFIDY EO AMPERIN'ASA. Voafoakako ao daholo na Filoham-pirenena na Solombavambahoaka na Loholona na Minisitra na Ben'ny Tanana na Lehiben'ny Fokotany. Io no fositra manimba ny toe-tsain-dreo.
Mino aho fa mazava ny resako momba ny hoe TOETSAINA.
Rainimaharavo.
19. Stone ( 19/12/2005 03:41)
Hamaly faty izany hono Ramasy Adolph sy Zefa, ka tsy maintsy hoeny @ 13mai indray rizareo n'inon-kitranga na inon-kidona. Ny undd sy arema izao efa akamabe.
Asa tokoa rahatoa ka rizalahy ireo no hitondra ity firenena ity apres Ra8? Hoany an-kady angamba?
20. fijo ( 20/12/2005 20:45)
le resaka ambdy omby no naika hoazavaiko fa io efa nolazain'i DS io.ity nahazo an'ingahy voninahisty dia io famaritana faharoa io.
ary raha ny fahalalako azy dia nisy mpitsara niaraka tamin'ny mpitandro filaminana tamin'io isamborana azy io.ka raha izay no izy dia tratra ambody omby izy.
ny filazany anefa toa ny 29/11 vao nitory azy ilay olona nefa izy voasambotra ny 28/11,ka izay no tsy haiko ny fahamarinany.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0483