bresil champion du monde 2006

1. zama91 ( 12/12/2005 13:48)
Raha jerena ny mpilalao an'ity bresil ity dia tsy hisalasalana fa izy no ho tompondaka ADRIANO avant centre Robhinoh en soutien RONHALDHINOH demie gauche kaka a droit 2recuperateur junhinoh' claberson
novalian'i fabrice ny 22/04/2006 14:30
2. jentilisa ( 12/12/2005 14:12)
mba mety tsy hanaiky resy koa allemagne any koa! tandremo nefa sao costa-rica no mhazo azy!
3. sonwin ( 12/12/2005 14:21)
lasan'ny anglisy io na tchek!! bresil quart de final raha alavitra indrindra.
4. lapino ( 12/12/2005 15:34)
Zidane koa ange efa nisehoan'ny masina hono e! :-D:-D
5. Ragadona ( 12/12/2005 21:55)
Suède zao handray anjara, ry zala matetika tsy tafakatra mondial fa refa tafakatra ry zala d tena ao tsara, ka inoako fa hisy hosahiraniny ao amin ny dem final ao, asa alo na iza e
6. sefo ( 13/12/2005 06:10)
mety tsy ho lasa lavitra ibrresil, robinho mbola tsy nahafaty mihintsy tao@real de madrid
7. zama91 ( 13/12/2005 07:48)
Izaho dia tsy mba mpaka an'i bresil,fa raha mba fantatrao hoe iza sy iza avy ny mpilalao ao dia ho torakovitra ny adverse.Jereo ny demostration bresil tamin'ny coupe de confederasion,4 a 0 face a l'ar gentine.mba jereo amin'ireto equipe ireto no hanao final an'i bresil
Italie,pays bas,Argentine,Tcheque,surtout Allemagne
8. Lepetitbeau ( 13/12/2005 09:49)
Za aloha tsy dia mpaka Brésil fa na izany na tsy izany aza dia izy aloha no GRAND FAVORI e! manaraka azy eo i ALLEMAGNE mampiantrano ka dia ho hita eo izay ho vokany e! fa za tsy miala amin'ny rainiboto e!
9. jentilisa ( 13/12/2005 15:13)
ka le bresil na misy pozisio d'or jeux :°) aza ka maty ny baolina dia maty foana iny e. Fa raha vao ny hafa no misy na dia tifi-davitra aza mety mbola lazain'ny arbitre fa hors jeux foana!

izany hoe iangarana foana i brésil hatramin'ny nahitako azy na dia efa favori aza. Noho izany tsy mety maka brésil aho na dia comores aza no hifanandrina aminy!
10. zama91 ( 14/12/2005 15:22)
Tsy tena mpankafihy baolina kitra ianao ry jentilisa,indrisy ! bresil izany tsy mbola nandiso fanantenana firy ny mpankafihy baolina kitra,fa na ny adversaire aza mitehaka rehefa lasa ny spectacle an'i bresil.
11. jentilisa ( 16/12/2005 15:13)
izany ve hoy ianao? tsarovy fa tsy izy irery fa na dia argentine ihany koa aza! tsarovy ireny tanan'Andriamanitra "maradona" nahafaty baolina ireny. Ary nisy ny efa tokony ho nihintsana fa nahafaty baolina espaina tamin'izany fotoan izany saingy nolavin'ny arbitre ilay izy.
Misy koa ilay mody torana ka namoahana karatra mena ny tiorka iray izay nolazaina fa namely totohondry ny mpilalao breziliana iray...

Manaiky aho fa mahay brezil fa tsy tokony hiangarana amin'ny pozitio d'or jeux lava izao! (rehefa brezil sy arzentine ihany no " d'or jeux" fa amin'ny hafa hors jeux a!

miala tsiny amin'ny mpakafy brezil aho raha miteny izany. Mpanoha-riana aho eto satria fanatika brezil daholo ny 90%n'ny mpijery matetika.

Asa raha hitanareo ilay baolina tany afrika iny.(tsy tadidiko na cameroon na nizeria) fa ny 99% dia nanohana brezil hatramin'ny farany!

Ary mino aho fa raha tonga eto Madagasikara koa ireo dia tahatahak'izay no maka azy toy izay barea! ity aho eto!

Mahavita baolina tsara izany Zidane izany fa tahaka ny ahoana ny teheka azony rehefa mahavita zavatra eo ampilalaovana izy? fa raha breziliana iray koa no manao izany?

anjaranareo ny mitsara!
na dia ianareo mianakavy aza no hifandahatra amiko eto tsy maninona!
12. fijo ( 16/12/2005 22:01)
mahay tokoa io ekipan'ny brezil io,nefa hoy ny fahendren'ny gasy hoe"baolina boribory"ka aleo aloha hanao ho hita
13. jentilisa ( 17/12/2005 09:34)
Sady ny antony atahorana ilay hoe fitsarana avy amin'ny video tahaka ny amin'ny rugby eo amin'ny fitsarana baolina anie mba hanositosehana an'i brezil hatrany e! Raha tena te-hanao ny fahamarinana ny FIFA maninona raha manao tahana ny an'ny IRB ( international rugby board)?

Tsotra ny antony! tiana ho izy indray no hahazo ny amboara fahaenina amin'ity!

Japon aza anie tsy resin'ny brezil vao haingana iry e!
14. diamondra27 ( 17/12/2005 18:39)
allemagne no champion @ity
15. zama91 ( 17/12/2005 21:10)
i rainiboto angaha ny equipe mba tianao ry diamondra,ny baolina boribory nefa amin'ity mondial 2006 i bresil enjana noho ny tamin'ny 94 sy 2002 nahatompondaka azy farany
16. stephan ( 19/12/2005 06:29)
ZAy ange ilay hoe manonina no fantika brezil e? Maninona izao raha afrikana no alaina dia mba mahazo lanja izany afrikana izany...tsarovy fa matetika amin'ireny mondial ireny dia asiana foana ny afrikana. Izaho aloha efa mondial telo sa efatra izay nifidy afrikana foana na dia "vendrana" aza iny e! sa ahoana ny hevitrareo?
17. jentilisa ( 20/12/2005 07:49)
Eh! hitanareo tokoa ve ny valin'ny coupe du monde d'équipe natao tany Yokohama? Ekipan'i Sao Paulo sy The Reds (liverpool moa) no nanao ny final.

intelo nahafaty baolina ny Eoropeana fa nolavina avokoa ny baolina matiny. Fa vao nahafaty kosa ny breziliana dia noekena avy hatrany.

Vokany: ny Breziliana no Champion. Hitanareo amin'izany fa atao hoe mahay ny breziliana fa ampiampiana foa mba ho toy ny andriamanitra kely! nefa raha nisy ny camera hita tsara mihitsy hoe resy ny breziliana e!

mamalia ary izay sahy mamaly?
mety ho azony tokoa ny kopy 2006 fa amin'ny alalan'ny halatra toy ny tany Zapon vao teo vao teo! ( tamin'ny faran'ny herinandro ho an'izay te-hahalala sa vao omaly ary!)
18. jentilisa ( 21/12/2005 06:45)
Ary toa tsy misy mety mamaly? f'ahoana?
19. mandrindra ( 22/12/2005 10:35)
raha jerena dia maro mpilalao mahay i barazily. Misy fahamarinana maro ireo lazain 'i jentilisa ireo. Tadidio ny tamin'ny 1994, taona farany naha lehiben'ny FIFA an'i Joao Havelange, izay breziliana. Ny tanjona voalohany tamin'iny dia ny haitsanana an'i argentina sy Maradona.
Ny amin'ny 2006 hoy aho dia izay tafavoaka ao amin'ny vondrona C (argentina, côte d'ivoire, serbia, pays bas) no ahazo azy.
20. jentilisa ( 22/12/2005 14:25)
raha mety omeo eto ny ekipa tsirairay isaky ny tarika fa izahay tena tanavo be e!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3372