Ity trosa trosa ity!

1. vegas ( 11/11/2005 12:16)
Mba mangataka hevitra avy aminareo azafady o!
Efa manomboka leo aho ka tsy hitako intsony izay atao. Ny olona maika ery rehefa ihindrambola nefa rehefa hamerina toa malaina be ihany.
Inona kay no azo atao rehefa misy olona ananao trosa ka milaza aminao hoe: "Tsy manana aho ka inona ara no azoko atao?".
Tena ohatrany manirikiry be ny mihaino azy. Efa ho amantaonany ve de tsy hanana foana? Sao dia efa fanaovana tsinotsinona? Ampio za ry zareo mba hampitony ny saiko fa raha mietsika eo ny adalako dia mety ho ratsy ny fiafarany na ho toriko mihintsy aza tsy rarahako. Lazao kely tsotsotra aho hoe sao dia misy fika azo atao? na ankolaka na amin'ny fomba mihaja na ankery.
Misaotra.
novalian'i dadabe ny 13/01/2006 06:51
2. sipagasy ( 11/11/2005 14:33)
fa nanao ttsy fifampirarahana ve aloha ianareo e!??? raha tsy izany mantsy dia hoy aho hoe eeee!!!! efa teo aho no niala fa dia niala maina e!!!! dia nataoko hoe asa fanasoavana iny dia any izany e!
3. ravakamalala ( 11/11/2005 15:57)
sao dia mba tena tsy manana marina izy ry vegas? raha tena tsy manana marina mantsy izy , inn tokoa moa no ataony eo, andidy hoditra? dia efa namana ny asa soa ny anao.
fa raha ohatra izy ka hitanao hoe manana possibilité amerrenana an lé vola dia omeo ultimatum izy, sady hentitra enao no miteny aminy hoe tena ity ny date farany fa raha tsy mamerina ianao dia ho avy a amin ny angady sy ny harona, efa nampitandrina aloha ianao.
4. fasaly ( 11/11/2005 16:31)
vegas a!
hadinoy hatreo, rehe trosa efa nialin-taona izany de aza antenaia ho azo tsony, ataovy anatra ho amy manaraka, ataovy otran'ny nanasoavanao olona iny, fa izaho efa tratran'io matetika fa afaka ho terenao amin'ny inona izy rehefa hilaza fa tsy manana foana???
aza atao mankarary fo fa vola fitady de aza manao intsony. izaho alou de izay e! hanampu olona sahirana aza hatao ange e! ka avalao amzao fa olonakafa foana no hamaly ny tsara hataonao aman'olona fa tsy ilay olona nataonao tsara iny, de mahereza aky a!:-*
5. Herimiafina ( 11/11/2005 17:25)
Inona le antony hindramany vola, de maninona izy no mindrambola? Ireo no Kestion de départ hapetraka.

-Raha sakafo sy fiainana andavan'andro no hilany vonjy aminao de aza manantena fa ho tafaveriny vetivety iny vola iny.

-Raha hanaovana Bizna njay de afaka mety manantena ihany enao fa averiny iny refa takianao.

-Raha ohatra ka niandry vola izy de mbola tsy tonga le vola de nindrana tany aminao izy, de mety haveriny ihany iny refa tonga ny volany.

-Raha ohatra ka tena tsisy vola handrasana mahintsiny izy fa mbola vao mitady asa dia aza manantena hoe tafaveriny vetivety iny vola iny.

NB: Jereo foana le contexte.
Ny tokony ho izy rehefa mindrana vola any aman'olona dia tokony hahafantatra aloha fa hisy hamerenanana azy any aoriana, araka ny daty hifanarahana.

Betsaka anefa ny olona no mindrana vola nefa tsy sur akory hoe ho voaveriny.
6. pissoa ( 11/11/2005 17:30)
vegas a - marina mihitsy ilay hoe ny mamoy no mety fa ianao indray no ho tezi-dava eo rehefa mahita azy :lol:

fa raha tena tianao alaina nefa - dia mety ve raha amin'ny fandraisam-bola izy no tenenina e, dia atao araka ny tenin'i ravakamalala rehefa tsy mety. :lol:
7. mirabel ( 11/11/2005 18:15)
zah koa dia oh anao ry vegas @ izao fotoana izao aryn mi comprendre anao ny hany atoroko anao dia fadio manomboka anio ny mampindrana satria na ny mihaino azy mamaly anao hoe tsy misy aza toa manao tsinotsinona anao sy mampandefa eritreridratsy
8. Veloo ( 15/11/2005 18:42)
vegas a
raha aty vegas ianao dia torio hihihihi
ary @ manaraka raha te hanome vola olona asivo taratsy mihitsy... raha vola kely dia adinoy e inn moa no azo atao...:(
9. pika ( 16/11/2005 10:46)
eritrereto ho toy ny asa soa e dia @ sisa aza atao intsony dia mba fidio ihany ny omena
ravakamalala a raha tena tsy manana moa maninona fa ny mitranga ka mampivontofo indraindray dia manana izy mividy haitraitra saingy modiny fanina ny volanao
za aloha tsy mahavita mifamaly e fa dia mbola ho avy ny 1andro hatadidiavany ahy tsara
10. Veloo ( 16/11/2005 17:38)
pika a mila limitena kosa aky ny asa soa kle ... lasa clochard ny afarako kle hihihihihi
11. Herimiafina ( 16/11/2005 21:37)
Ka enao ve hanao asa soa ry Veloo raha tsy efa sur hoe misy hitobaka foana eo hitsinj0ovana ny vody andro merika an?

Zah kalongany de manao analizy be vao manome e.
Ohatra: misy mangataka $100 zah, de ataoko ny calcul rehetra, hatramin'ny hoe inona no mitranga raha tsy tafaverin'ilay olona ara-potoana le vola.

De raha ohatra ka sur zah fa hisy $100 efa ho tonga koa hanentsenako ny mety ho banga izay zah vao hanome.

Raha tsy sur njay zah fa hahita $100 dolara dia ataoko an'izao ilay olona hoe miala tsiny fa simba ny budget-ko de mety tsy ho ampy ny hofantranoko raha omeko $100 enao. de milamina.
12. pika ( 18/11/2005 08:10)
ny zavatra mitranga matetika amiko anie ry veloo dia izao e misy olona izao mitaraina fa misy marary na tsy mahatody azy @ faran'ny volana oh ny volany dia tsy hisakafo ve ny zaza na tsy hihanatra sns dia eo njy mangoraka rehefa avy eo modiny fanina
fa raha hoe mampindrana tena volabe ho hampiasaina kosa aloha dia asina ttsy mazava tsara e
@zay tsy ny vava no miady fa ny lalana
13. ravakamalala ( 18/11/2005 14:00)
efa azo ve ny volan i vegas e?
14. vegas ( 19/11/2005 19:17)
ravakamalala> tsy mbola. Sady tsisy torohevitra koa eto fa teny fampiononona no bedebe.
15. ravakamalala ( 20/11/2005 17:10)
ianao kosa tsy mamaky e! manambola amerenana ve lé olona sa tsia ho a (raha ny fijerinao azy)?
16. pika ( 21/11/2005 05:28)
tonga dia gidraho aza e tairo @ resaka degany :-D:-D izay ve no tadiavinao e
raha tsy izany torio sao anefa ka ny vola any indray kely noho ny vola lany @ fitoriana indrindra moa misy ttsy ve?
dia mba valio ilay fanontanian'i ravaka io ambony io ny fiainana mantsy toy ny kodiarantsarety e:lol:
17. tsimiandravola ( 21/11/2005 23:17)
Ny ho avy no azoko anoroana hevitra ry Vegas(Any las Vegas any hono toa mpiloka no betsaka lol!)
Ny ahy ny rahalahiko nitady hihindrambola tamiko nefa tsy "solvable"(reradreraka ny fidirambolany,indrisy fa izany no toe-pirenentsika ankapobeny aloha hatreto).Tsy tiako ny miandry ny andro amerenany ny vola,ka aleoko nifanaraka tamin'ny vadiko mba hanome vola azy fa tsy averina.Mazava ho azy fa tsy dia araka ny somme notediaviny fa kelikely kokoa.Aleo lavitra izay toy izay miandry famerenan-trosa ,indrindra raha Euros no omena azy.
Dia mahereza daholo!
18. APOKY ( 13/01/2006 06:00)
Ny azonao atao dia aza manome vola olona afda-tsy izay foinao ho very @ sisa.
Ary izay efa lasan'olona afoizo fa mankarary an-doha fotsiny.Mahaiza miteny hoe izaho tsy hanome; fa aza atao hoe tsy misy.Misy hoe fa tsy azoko omena anao.
19. dadabe ( 13/01/2006 06:51)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4709