ny vola

1. Lalakely ( 09/11/2005 13:28)
mba nieritreritra aho hoe: mety ho azo atao ve ny hanangana vola iray itambaran'izao tontolo izao. oh: ny euro efa mampiombona firenena maro. tsy izany manko fa toa lavitra loatra ny elanelana misy eo amin'ny euro 1 sy ny ariary, na koa vola hafa toy ny dollar, yen,na ny volan-dry zareo maorisiana aza efa lasa lavitra noho ny ariary fa nahoana?
novalian'i yehel ny 13/12/2005 14:05
2. Herimiafina ( 09/11/2005 14:02)
Izay mintsy le tanjona kah. Mitambatra daholo. saingy tsy hanaiky an'izany mahintsiny ny tany mandroso satria fanahy iniana ny hitambaran-dry zareo mba hatanjaka kokoa ny volany hi-dominer-ny ny tsena manerantany, mifaninana ny avy any Amerika sy ny avy any Europa.

Hahafahany mi-domine iny volany be valera be iny.
3. pika ( 10/11/2005 07:06)
ny vola hiraisana eo @ tsena iraisampirenena hitovizana no katsahiny
fa raha ny hoe tsy hisy hafa tsy iray ihany mbola sarotra izany araka ny fanazavan'i herimiafina io
4. fasaly ( 11/11/2005 16:36)
toa nofifnofy izy izany fa saorotra be ny fanantanterahana izany e! raha mba izay tokoa mantsy ny zavamisy an! de ho tafita ve gasikara????
5. Herimiafina ( 11/11/2005 19:08)
Raha izay tokoa ny zava-misy de zay vao tena manomboka ny fanjanahantany vaovao, hita mivandravandra tsara mahintsiny ny elanelana amin'izay.

Hita mazava tsara hoe iry ambany iry i Madagasikara klé.

6. Gasitra ( 16/11/2005 16:21)

Azo atao ny manao izany fa ny fanatanterahana azy dia mila pitsony teknika.Hazavaiko. Raha nanao ny vola euro ny firenena eropeana dia tsy vita indray andro ary tsy izy rehetra no indray niditra tao satria noho ny lafiny toekarena sy ny mifandraika amin'izany. Ny vola mantsy dia maridrefim-bidy nefa koa manana valeur. Araka izany ny fahefa-mividin'ny vola (pouvoir d'achat)dia miankina amin'ny tanjaka ara-toekarena eo amin'ny firenena iray (azo omena ny fanazavana ar-teknika n'io raha tianao) ary mikaonty ao anatin'izany ny tombo na faty antoka eo amin'ny fifanakalozana ara-barotry ny tany iray amin'ny any ivelany, ny sondro bidy (inflation) etsetra. Koa hitanao amin'izany ary fa ny tany eropeana mitovytovy tanjaka aza tena sahirana vao naharavona ny volany ho iray vao mainka fa ny tany rehetra eran-tany izay ao ny manan-karena be ary ao ny fadiranovana mahantra.
Raha tsorina dia ny fahasalamana sy ny tanjaka ara-toekarenan'ny firenena iray no mahatonga ny volany hatanjaka na harefo.




7. yehel ( 13/12/2005 14:05)
Nofinofy ara-toekarena ataon'ny mponin'ny firenena mahantra izany.

Mila mamokatra aloha isika e.Izay aloha no priorité.

Production+exportation dia avy eo jerena eo.Nefa isika dia tsy ho avelan'ny firenena matanjaka (usa,gb,japon,chine,canada,reny malala indrindra indrindra,...)hivoaka @ zao situation zao.Ryzareo ary anie efa sahirana mamoaka ny vokatra e,zara ary misy an'i dago kely mihinana ny ampinanindry zalahy.Makarary fo fa dia tsy hita ho'a.

Isika raha hoatr' zao foana dia ho firenena hi-consommé foana.Ny mpitondra sy ny ray aman-dreny raha teo dia tsy nametraka culture d'entreprendre,d'industriel fa dia bureaucratie,commerce,pmu,tourniquet.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4295