Tetezamita hono

1. ralambo ( 12/10/2005 05:29)
Ahoana ry zareo no mba fijerinareo mikasika ilay hetsi-panoherana nataon'i Pr Zafy Albert, Pasteur Andriamanjato Richard, Voninahitra Jean E sy ireo Arema tany Toamasina ny asabotsy lasa teo. Hanangana teteza-mita ary handrodana izao fitondrana misy izao alohan'ny faran'ny volana Novambra hono, izay lazain'izy ireo fa Satana sy devoly kely avokoa ny mpitondra ankehitriny dia ry zareo izany no tena masina be eto @ ny tanàna sa iza ry zareo?
novalian'i Stone ny 14/12/2005 23:18
2. matisse ( 12/10/2005 06:57)
fa izafy ve mitapy e! ry pasitera tsy menatra akory ry lerony zany tena bandy tsisy ilana aza mihitsy raha mba olona hafa ankoatry ireo indray no manohitra mba azoko eritreretina ihany fa ry zalaha ireo tena tsssss asa aloha nareo ry zalahy fa raha za aleoko ihany i bainina kely ra 8
3. miarina ( 12/10/2005 07:36)
aza mitsara mba tsy ho tsaraina .. mamoaka ny heviny izay no mha democratie ny democratie.

Fa ianao miteny io izany mihvitra ny tenanao ho iza koa. Matoa ianao sahy mitsara azy dia manana ny hevitrao sy mihevit
4. miarina ( 12/10/2005 07:37)
aza mitsara mba tsy ho tsaraina .. mamoaka ny heviny izay no mha democratie ny democratie.

Fa ianao miteny io izany mihvitra ny tenanao ho iza koa. Matoa ianao sahy mitsara azy dia manana ny hevitrao sy mihevit
5. lolabe ( 12/10/2005 07:47)
Ö ry Miarina a, fa ianao nga nahazo tombotsoa t@ fitondran'ireo olona ireo no tô miaro azy ty ianao, mba menatra, inona ko no hidiran'ny ny hoe aza mitsara mba tsy ho tsaraina, tsy misy mitsara azy eo fa milaza azy ho anjely izy a de mbola lany t@ fifidianana satria hitan'ny vahoaka fa marina toy ny anjely, fa matoa izy tsy lany de..., na demcratie io na tsia, tsy izany no fomba hitondrana ny fanoherana raha tena mafy ianao fa andraso ny fifidianana de ho hita eo raha ho lany na tsy ho lany, na ny devoly no mbola hanjaka eto na ry anjely
6. jentilisa ( 12/10/2005 10:23)
ny tena loza dia ny teny hoe tsy maintsy gidragidra no analana ny mpitondra sy ny hoe tsy maintsy rafitra ny ady. Tahaka ny ahoana re no mety ho nitranga raha tany amin'ny firenen-kafa no nisy teny tahaka izany?
7. pika ( 12/10/2005 10:43)
aza mitsara mba tsy ho tsaraina .. mamoaka ny heviny izay no mha democratie ny democratie

ekeko io amiko raha hita fa tsy ilain'ny olona intsony ry zareo dia tokony tsy misy hatahorana e rehefa leo ve izy tsy hangina
aza tampenambava fa avelao hiteny izay hiteny fa ny vahoaka no hitsara
8. stephane197 ( 12/10/2005 11:00)
ny tapenambava alo tsy misy ê! afaka miteny daholo fa ny mahagaga ireo antitra ireo tsy mety leo mihintsy fa dia mahita ho kianina fona fa tsy mba izay hanampiana izay eo no atao fa seza fona tsisy fiafarany!mandrapaha-fatiny manohitra fona! aleo ny vahoka no hitsara ê!( ny fifidianana ihany)
9. zakony ( 12/10/2005 11:11)
tsy efa imbetsaka moa ny mpanohitra no nanome daty hoe tsimaintsy main'ny fotoana toy zao na izao nefa toa mbola eo foana le fitondrana hatram zao. Asa aloha amin'ity indray mitoraka ity fa tsy dia mino loatra aho e
10. miarina ( 12/10/2005 14:58)
lolabe-> tsy nisy resaka momba aniza na iza teo ry Lola (tsy misy haiko ireo ary tsy niaina t@ fitondran'iza na iza aho). Fa ahoana moa no nahatonga an'i Ra8 teo mba hainao. Raha samy resaka fifidianana ihany raha hendry izy tokony naniaky nanao ny fifidianana faharoa ... tsy ampy 50% akory ny azy fa notereny fotsiny(c ca la democratie).
Samy nanana ny soa vitany izay nitondra teo ary samy nanao ny hadfalany daholo tsy nisy tonga lafatra akory teo na iza na iza.

11. stneh ( 12/10/2005 18:14)
i dadazafy mintsy no tena devoly tokony expédiena any @ afobe direct androany fa tsy milay mintsy ny fikany,na apanaovina kandra izy e! asaina manao otran'ny fikany ra8 t@ izy vao ilatsaka reny e! manao fanapina etsy sy eroa ho hitan'ny kil e! taoko mlay zany @zay izy lany hoazy refa misy élection, ra tsy hoe anga vao lany de tratran'ny motion de otrotrozay ndray ha! ha! ha! ha! ha!
12. Robert ( 12/10/2005 21:23)
Raha za manokana aloha de tsy itako izay anaovana tetezamita izany. Ekena aloha misy ny tsy mety ataon'ny mpitondra ankehitriny, fa avelao izy hanampitra mandat-ny. De reseo lahatra tsara ny vahoaka tsy hifidy azy intsony(Ra-8 io an) @ élection manaraka.
Ny marina anie de efa matahotra ny ahalany an-dRa-8 @ fifidiana manaraka ry zareo de manakorontana, Hehehe.
Mpanohitra tsy mahatohitra.
13. maditra ( 12/10/2005 23:33)
wa wa wa wa, bla bla bla bla, katsaka tsaramaso voanjobory. Fidinareo zah.=D=D=D=D=D=D :-D
14. pika ( 13/10/2005 05:21)
ny tody tsy misy fa ny atao no miverina e
nigirevy teo @13mai nahay
koa ny tsy hazaka ???????
tsy midika izany anefa fa ilaina ny korontana
ny efa vita aza efa nanenenana
15. Mandefitra ( 13/10/2005 07:28)
Hoy VJE:"gidragidra no nipetrahan dra8 teo de gidragidra koa no hanalana azy" => toetsaina loham-boto toy izany ve no hitondrana firenena?
hoy koa ny mpanohitra hoe:"tokony ho nationaliser-na n tiko sy magro"=> Ory hava manana ny gasy, toetsaina mirefarefa @ tany.Firifiry ny orin'asa tantanan i Fanjakana no faillite? ary ireny aza privatiser-na, koa ny orinasa malagasy mamelona malagasy, ilain' ny malagasy ny zavatra vokariny (menaka, yaourt, dibera, fromage.....) no hialonana.
Raha vonona hampandroso firenena de manangana orinasa, mambole vary fa tsy tetezamita hanapotehana firenena no vetsovetsoina
16. pika ( 13/10/2005 10:46)
orin'asa manampy ny gasy a ...... nefa izay mba te hanao izany dia henjehina tokoa
oh jereo ireo nampiditra menaka teto izay......???????
ary raha nahatadidy aho talohan'ny ity fitondrana ity dia nisy hoe tokony mbola mandoha oh@fanjakana ny .... nefa izao nankaiza
resaka ny antsika no tsy mitovy fa tsy ny olona no miady izay koa aloha dia tokony mbola hovaina @gasy
matetika mantsy manao vazaha mody ady ry zalahy dia ny vahoaka koa no toa samy hentimpo .....hihihi
17. Solofoniaina ( 15/10/2005 16:03)
Sao dia tetezana mitsingevana kosa no tena tiana atao!!! tetika diso tsy mba kabary
18. pika ( 17/10/2005 09:47)
mba hisian'ny fifidinana mangarahara dia tsara raha misy ny tetezamita @fotoampifidianana fa toa tsy matikilolo ity
19. jajaf401 ( 17/10/2005 10:40)
samy amin'ny fomba fijeriny io eh; mety ilay mamolavola zany angeh efa manana strategie positive mifanaraka @ izay mety ho aorian'izany eh, satria zay no eritreretiny mandrakariva; fa raha ny tsy mbola miandany aminy kosa dia mihavitra fa simple fanakorontana zany ilay tetezana.
20. kitjo ( 18/10/2005 09:23)
Marina izany ry mandefitra
raha mahay sy mahavita maninon araha mi concurrencer an i Tiko
Fananany manokana io koa tadiavina ho nationaliser-na fts....hahhaha...Miteny2 foana

zany ve no hampitondraina firenena?

Vao nanao Conference nationale no nilaza fa tsy maintsy mahavita an' izao...amin' ny fotoana tahaka izao...nefa aiza?
Efa nisy teooooo?

Ko tsy ho toy izay daholo izay projetm-panjakana ho avy eo ra ireo no ho tonga eo ?

Ny zavatra lazainy izao aza nefa vao olona firy izy no anatin' ny 3N tsy mahatanteraka akory izay lazainy koa indrindra raha hitantana fanjakana sy ministera maro marin atsy hikorontana ao daholo sy hiady seza fts

tsy adala ny Gasy e!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0462