Tena fitiavana ve ?

1. lionbrun2004 ( 02/10/2005 13:30)
Nisy vehivavy iray nianarako "fitiavana" 24 taona t@'izay tena tsy aritro mihitsy ny tsy hahita azy in-1 andro.Efa tratrako vitan-dry zalahy anefa le zavatra , nisara-toerana izahay rehefa "vacance" ary lasa nifindra toeram-piasàna ny RAD le kala ka lasa koa izy . Tafaraka tamina sipa iray hafa koa zah taty aorina sipa izay avy nokotrohiko talohan'ny iray nisaraka tamiko . Tena mbola maimaika ery zah satria mbola vao 17 taona le kala sady mbola tsy nisy olon-kafa teo fa izaho no nanala ny kapsily voalohany .Nisaraka koa izahay rehefa avy niaraka nandritry ny 7 volana .T@ taona 2004 teo , dia samy tazako tany Mahajanga daholo izy roa , mbola samy tsy manam-bady fa le ray faharoa misy bandy miaraka aminy .Nilaza le sipa fa mbola tsy afa-po tamiko izy ,ary tsy ho afa-po aho hoy izy sns...Ilay taloha indray , dia nilaza fa tena tsy misy mampisalasala azy raha toa ka mbola vonona .Loza anefa fa dia samy tsy foiko avokoa izy roa satria samy manana ny tantarany izay miraikitra ato am-poko .Mipetraka ny fanontaniana hoe : asaiko mifandamina izy roa , fa iza no tena hatao vady-be ary iza no vady-kely : mety hanaiky ve izy reo, fa ny tena fantatra aloha dia efa samy mifankahalala izy roa ary tena tsy miady fa de mifampiarahaba tsara .TSY TIAKO HO VOTSOTRA ANEFA NY IRAY AMIN'IZY IREO . Asa amgamba inona no HEVITRA tokony hataoko ....
novalian'i Ragadona ny 10/11/2005 20:11
2. fasaly ( 02/10/2005 18:27)
alamino miadana ao e! ataovo ankitsapaka de zay lany fidiana...
3. rongatry ( 03/10/2005 11:01)
normal ihany raha mila hevitra ianao, tsy marary ve ny lohanao @ zany e !
Mahereza e : mamy ny atsy, fy ny aroa !!!!!!!!!!!!
4. vivi ( 03/10/2005 11:38)
mafy ny mahazo anao, ary maninona raha tsy atao 27 d boka e! fa raha mi traine d hilaozany sipa koa ianao !ianao koa toa miseo role b koa ! ny vhv anie tsy kilalao e; ary @zao fotoana tsy misy anizany we milay b fa nazaka sipa vierge fa rehefa tiana d tiana , fa toa efa taraiky b ianao zany!, ary na ianao aza anie nahavita na tsy nahavita anilay zvt anie misy mpitia foana izy 2 vavy e! fa mbola miandry tour io, fa angaha ianao rery no lhl @ ty tany ty, au contraire aza ianao nanambotra azy no toa ho voa mafi satria mbola tsy ampi experience ry zareo d tsy maintsy hipitsika aminao ihany e!hotrany adinonao we 2005 tsika fa tsy 1950tsony
5. vale ( 03/10/2005 11:40)
Ianao ihany no afaka manam-pa-kevitra ny @ izany fa ny hevitro aloha dia mety2 kokoa angamba raha ilay faharoa ajanona any satria izy efa miaraka @ olona sady maninona koa nefa no tsy iàlàny ilay olona???eritrereto tsara ihany!!!Dia mahereza é!
6. Herimiafina ( 10/10/2005 01:43)
Za kou tô tara amin'i toi sao de interessé i toi. hehehehehehehe :-D:-D:-D:-D
7. Ragadona ( 10/11/2005 20:11)
Ohatry ny tsy d masaka loatra izy zany ry zoky a. Tokony iverenana lay tantara hoe naninona no nisaraka. Ary ny fijeriko azy toa tsy d misy resaka fitiavana loatra fa kajikajim piarahana no atao n se nefa se miteny fanambadiana. Nahita ny entan izy roa tany jangil tany ndray se, ny andro mo ngamba mafana rahateo , d taitaitra ndray, o ry Zoky a. . .
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.7051