toa tsy niova loatra le toetsaina an.

1. fijo ( 14/09/2005 22:44)
jereo anie ity zavatra voasoratra tamin'ny taona 1861 inty e:"un tel engouement pour le costume européen,...en donnant naissance à un certain désir d'ostentation,il incita bon nombre de gens à se livrer à des dépenses somptuaires hors de proportion avec leurs moyens sans apporter aucune amélioration à leur bien-etre."rev ELLIs 1861.
tany isika dia efa variana tamin'ny rendrarendra mbazaha,ary tany isika dia efa nandany vola noho io rendrarendra io.
toa mbola hita taratra ihany io toe tsaina io ankehitriny.
asa.
novalian'i fijo ny 16/09/2005 20:15
2. Herimiafina ( 14/09/2005 23:23)
Amiko tsy dia misy blem fa mba tia hanana zavatra tsara fotsiny ilay olona ry io lazain'ilay Reverend io hoie Bien être aza dia anisan'ny bien être koa ny fanaovana ireny costume occidentales ireny.

Ny tena marina dia ny zavatra tsara rehetra dia azontsika tazomina amin'ny kiltiora rehetra fa ny zavatra ratsy no tsy mety ny mitazona azy ary ny zavatra ratsy no natao hoe Rendrarendrambazaha.

Mitovy amin'ny voninkazo ihany ireny akanjo ireny, mba mahafinaritra ny maso ny mijery azy, ary izay no mety ho antony nandaniana vola tamin'izany.

Ny tsy itovizako hevitra amin'io Reverend nanoratra an'io dia satria lasa satisfaction d'un besoin naissant le resaka fividianana akanjo, dia anisan'ny tafiditra ao anatin'ny BIEN ËTRE Izany ilay izy.

Anjaranao ny mandanjalanja hoe inona ny tinao, hihinankanina intelo isan,andro dia tsy mahazo pataloha jean levis sa mihafy kely herin'andro tsy mihinana afatsy indroa dia mba manana economie kely hividianana jean.
3. sechat ( 15/09/2005 07:05)
Ny ahy koa izay no fijeriko: ny tsara azo alaina dia alaina, ny ratsy aleo hijanona ho an-dry zareo ihany. 8)

Tsy isika irery ange no manao an'izany fa ny rehetra e! Rehefa manomboka misy ny fifaneraserana dia tsy maintsy misy io.


4. jentilisa ( 15/09/2005 07:54)
ny adino tamin'izay voalaza dia i Radama II nandidy mihitsy fa ny olona rehetra (afa-tsy ny mahantra tena tsy mahavidy mihitsy) dia tsy maintsy fitafy tandrefana indray no itafiana...
5. booboo ( 15/09/2005 08:27)
dé ouz lé mpanoratra tsy tadidiko zay avy teo oe " rajakom-bazaha" oun
6. sechat ( 15/09/2005 08:44)
booboo>:-D:-D
7. fijo ( 15/09/2005 21:06)
ny tena tiako marihina ,tamin'io,dia ilay fironana raha vao mahita zavatra vazaha.na mety io na tsia dia lasa izao fa vazaha.izay no tena olana,ary nahatonga io fiteny maneso hoe "rajakom bazaha "io.
ohatra.
tamin'izany fotoana izany,ilay vy manadoroboka ny zipom behivavy dia nisy nanao tety ivelany.nefa dia zavatra natao hampibontsina lezipo.

ankehitriny koa,mbola hita any amintsika,fa na andro mafana be izao aza,dia eny ihany ny blouson cuira,satria izay no izy e.na mafana toa inona aza.

tsy ratsy ny makatahaka ny soa,fa mba fantarina koa ny fanao sy ny fampiasa azy.

jentilisa.ie,ny manamboninahitra no tena noterena hanao fitafy tandrefana.saingy ny olana dia,samy nanao izay tiany.ka ny sasany nanao fitafy generaly anglisy ny hafa nanao jeneraly frantsay.hany ka sadaikatra ny vahiny nahita izany;
8. Herimiafina ( 16/09/2005 03:03)
Marina izany.

Ny tena tsy mety mihintsy hitako amin'ny olona sasany dia ilay fanamboniana be ny atao hoe vazaha, marobe ny mpisolelaka hoy ny fitenenenana satria ve any ny vola?

Manana akama aho tsotsoka ny iray, tavaratra ny iray ary gasy ny iray.

Fa ny mahagaga dia rehefa mi-discuter toa izao dia rehefa miteny izaho na ilay tavaratra dia manohitra be foana ra-gasy, ary rehefa miandany amin'ny hevitray ra-tsotsoka (Frantsay) dia miova hevitra tampoka ileiry.

Manalika be ileiry refa bandy akama samy avy any amin'ny tany mahantra toa anay no miaraka aminy. Rehefa miresaka amin,ny vazaha anefa dia lasa toto kely, merci vazaha, t'es beau vazaha.

Dia torak'izany koa, izay ataon'i vazaha no atao fitaratra.

Tena sans recul sy fisainana lalina mihintsy, et dire qu'il se croit intelligent. Si c'est ca l'intelligence, je suis super-intelligent.
9. fijo ( 16/09/2005 20:15)
io toetsaina io mihintsy no tena tiako hiaviana eto.maro no manao an'io aty .ny tsy tsapa anefa dia tsapan'ny vazaha koa izay,ka vao maika hambaniany izay manao toa izany.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2419