Serasera amin'ny teny hafa?

1. hery ( 12/09/2005 18:51)
Miezaka manamboatra tsikelikely ny serasera amin'ny teny hafa izahay :-) Tsy ho hitanao eto amin'ity takelaka ity akory ilay izy... fa azonao jerena tsikelikely ao amin'ny loharano.com
Teny telo ihany no mbola ao dia teny Malagasy (ho esorina tsy ho ela), teny Frantsay ary teny Anglisy. Mbola hisy teny hafa ao (Italiana, Espanola no efa vonona). Jereo ery ankavanana ny lisitry ny teny.
Ny fidirana ao dia mampiasa ny solonanarana sy ny tenimiafina eto amin'ny serasera.org
Mbola vao fanombohana fotsiny io fa efa manatsara azy tsikelikely izahay.
Ny serasera.org dia mijanona ho teny Malagasy ranoray... tsy midika izany fa tsy mahay teny hafa na tsy te hianatra teny hafa ny eto amin'ny serasera... fa mba te hanome toerana manokana sy manontolo ho an'ny teny malagasy manokana sy manontolo. Dia samy mizaka ny vokany e.
Manomboka izao izany dia efa manana takelaka rahavavy (sa rahalahy?) amin'ny teny hafa ny serasera.org
http://loharano.com

novalian'i lanah13 ny 20/09/2005 06:07
2. maditra ( 13/09/2005 03:40)
Mahafinaritra ka, misaotra amin'ny finiavanao!:)
3. pika ( 13/09/2005 04:46)
aleo mihitsy rehefa teny gasy dia teny gasy mba ho fitiavantsika ani dango kely
any @ hafa no atao ny teny vahiny
koa misaotra an'i hery
4. mandrindra ( 13/09/2005 10:48)
Ny fananana ny teniny no mampiavaka ny firenenna iray.
5. lanah13 ( 20/09/2005 06:07)
Misaotra an'i Hery dé ho tahin'ny Tompo lalandava anie ny soa vitanao sy ireo zay nanatontosa azy niaraka t@nao. merciii
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1912