fitiavana rava

1. jos13 ( 01/09/2005 19:57)
misy mpifankatia miaraka amantaonany maromaro nifampanaiky we hivady, nefa mapalahelo fa misaraka! , fanontaniako tiako hapetrako we maninona olona notiviana no hisarahana , nefa tena sur ianao t@ voalohany we tia azy?(lasa ratsy tarehy ve?sa lasa antitra ve ?leo fa tsy manam-bola.....) inona ny antony?
novalian'i deghany ny 19/09/2005 13:59
2. Herimiafina ( 01/09/2005 20:21)
Zavatra matetika mitranga izany noho ny fiovana lehibe eo amin'ny fiainan'olondroa.

Mety mbola mpianatra izao ry zareo tamin'ny vao niaraka, dia iray petsapetsa amin'ny zavatra rehetra, mitovy intérêt, mitovy problèmes, sns. Ny condition niforonana'ilay fitiavana koa mitovy.

Taty aoriana angamba samy efa niasa dia samy efa nanambola, tsy mitovy intsony ny zavatra hatao, samy nahita fiainana hafa, sns. Tsy teo intsony ilay condition tary amin'ny voalohany, dia niova arakarak'izay ilay fitiavana dia nisaraka.

Ka raha tianao haharitra dia tsara raha efa tsy mitovy intérêts, rha sany efa miasa vao miaraka amin'izay zatra ilay tsy mitovy environnement dia tsy maninona.

3. tafita ( 01/09/2005 20:25)
Toy ny zavatra rehetra ny fitiavana ka rehefa ele ny ele ange de misy ny maharatsy azy ihany izany hoe ohatra : Raha manana fiara enao de tsoriko fa amin'ny taona voalohany anananao azy iny enao no tena .......... fa rehefa afaka roa na telo taona de hitanao fa toa tsara indray ny an'ny hafa , dia toy izany satria fo mitempo io fa tsy fo plastika akory , Tsy hoe mamporisika ny olona hoe misaraha na rehefa tsy titina de elao fa mampitandrina izay mbola tsy voan'izany fa mangidy ny mijanona mbola tia izay
4. Veloo ( 01/09/2005 20:53)
raha mampiasa ny logikan' ilay izy a dia satria efa ela be loatra ry zareo no niaraka ka efa leo...firy taona kay ry zareo no niaraka? raha t@ izy mbola mamy iny no niresaka ny hivady dia nety ka na dia efa leo ary androany tsy hafa manoatra intsony fa tsy maintsy mitady izay ahatsara ny fanambadiana....

tafita tsy mety kosa zany kle... raha ny fanambadiana dia tsy mety mihitsy fa raha sipa2 aloha ka oe tsy mivady dia ie mihitsy e:wink:
5. fijo ( 01/09/2005 21:19)
sady ny fitiavan voalohany koa anie zavatra taitaitra fotsiny e.tsy mbola matotra tsara akory dia vady aho hoe ,sendran'ny vidim bary miakatra avy eo,vao hoe enao mikaly be loatra.
6. Herimiafina ( 01/09/2005 21:59)
Matetika ny fitiavana dia bazen'ny olona amin'ny zavatra iray na maromaro foana, ohatra bôgôsité, saosy, fahaizana, voninahitra, sns. (misy iray amin'ireo tsy maintsy mahery kokoa noho ny sasany).

Ny saosy anefa mora lany, ny bôgôsité mora simba, ny fahaizana mety laozan'ny toetrandro, ny voninahitra mety mietry, sns. Hany ka manjavona eny ihany ilay condition de basen'ilay fitiavana tany amboalohany dia samy tonga saina dia misaraka.

Ny tokony hatao hitaizana azy rehefa tsy maintsy baser-na amin'ireo ihany dia atao tsikelikely:
-Ny taona voalohany: ny bôgôsité aloha no ampiasaina, misy bôgôsité ambany koa an fa tsy voatery le ambony foana.
-Ny taona faharoa: ampidirina amin'izay ny saosy, mampirevy be.
-Ny taona fahatelo: miseho tena atidoha mikotrika be, genie, einstein milay be, sns.
-Ny taona fahaefatra: efa nivady dia efa samy voafatotra dia tsy afa-misaraka intsony.:-D:-D:-D:-D
7. loloniary ( 02/09/2005 04:44)
ny fitiavana dia fiainana.eo amy fitiavana dia mitovy amin'ny eo amy fiainana ,misy ny mangidy misy ny mamy.saingy eo amy fitiavana dia ny mamy foana no mandeha aloha ka aty aoriana vao miseho ny ngidiny.
manarak'izany dia misy ny mahatanty dia misy ny tsy mahatanty.ny mahatanty izany dia miaritra ny ngidiny eo,miaritra ny toetran'iray foana.raha tsy maharitra ianao ka mahazaka ny misaraka dia misaraka na koa mitady ilay fitiavana hafa in1 any ivelany.
8. Herimiafina ( 02/09/2005 07:08)
Matetika ny fomba fitenintsika rehefa asiana milazalaza ny momba ny karazana olona tiantsika ho vadiana isika dia izao foana:
"Ny ahy olona iray izay tena tia ahy ka na dia lasa ratsy tarehy aza aho, na voan'ny accident ka rava ny tarehiko, malemy, dia eo foana izy mikarakara ahy".

Fa ny tsy fantatsika dia ny hoe "raha avadika moa izay situation izay ka ilay olona indray no voan'izany zavatra rehetra izany, moa va ianao hijanona hikarakara azy?"

Raha mbola eo amin'ilay fanontaniana voalohany dia miheritrereta tsara aloha. Raha efa tonga eo amin'ialay faharoa dia mirosoa amin'ny mariazy.
9. ravakamalala ( 02/09/2005 09:13)
Tafita >> Aiza kosa dia oharinao ny tomobilina sy olona e! rehefa tonta dia tsy ilaina intsony. Andjay be an!!!!

Araka ilay voalaza atsy ambadika oe mila kolokoloina ny fitiavana, rehefa mitsiry iny izy dia karakaraina hitombo. Fa tsy avela ho lo eo.

Ohatra hoe nisafidy ianao hoe akoho no sakafo tianao indrindra, dia io foana no hohaninao, tsy hoe rehefa leo ianao dia andeha hihinana kisoa na omby na trondro indray, fa rehefa akoho no safidinao dia akoho, fa mba ampatsiro azy fotsiny dia ovaovaina ny saosy e! Androany poulet roti, rapitso asiana champignons noirs, rafak ampitso atono, sns tsy voatanisa,...

Ny zavatra mampalahelo dia ny vehivavy foana no tena hitako manao io ezaka io,

Herimiafina >>> Définition homme idéal : "Beau, riche, intelligent, drôle, héritier, fils unique ( tsisy rafozana, tsisy zaobavy)...:-D:-D:-D
10. pika ( 02/09/2005 09:35)
ny ela mahareroy e, zaza 7 aza tsy mahafehy trano,... tsy zara ary ve mbola tsy nisy nifamantorana dia efa rava toy izay ....
ny olona 2 rehefa miaraka matetika @ voalohany tsy tena mbola mifankahalala kilema sy ny toetoetran'ny fianakaviana koa raha ilay hatsarana sy toetra tsara nahitano azy t@ 1 iny no hitiavanao azy fa tsy hainao koa ny nitia azy t@ kilemany madinidinika dia rariny raha rava e
11. booboo ( 02/09/2005 09:50)
Ilay an'i Herimiafina tary @ voalohany indrindra io koa no hevitro satria zay no niainako sy tsapako.
12. ralaisa ( 02/09/2005 12:47)
Raha araky ny mba hevitro dia misy ny fiteny kristianina mano hoe ny vady hendry dia anjara avy @ Jehova.Ka matoa amiko ilay fifankatiavana tsy mandroso dia tsy izay izany no lahatra.
Raha izaho manokana aloha dia aleoko ny fitiavana rava tsy nisy fifamatorana, na zaza nateraka toy izay ao anaty fanambadiana vao hipoitra daholo io karazan-javatra mety hampisaraka io ka ny ankizy no lasa victime avy eo.
13. booboo ( 02/09/2005 15:42)
eka ouz
14. Veloo ( 02/09/2005 16:15)
Herimiafina a... dia ho sambatra tokoa i Mme Herimiafina kle raha tena tantarahinao izay lazainao an :wink:
15. Herimiafina ( 02/09/2005 17:55)
:-D:-D(l) Merci e! Mbola ho hita eo izany fa andraso aloha izy ho avy.
16. ravakamalala ( 02/09/2005 18:07)
Eny oa akia ry Veloo. Danz be oa Herimiafina fa raha tena tanteraka marina ireo dia ny vadinao no sambatra indrindra fa mahaiza mifidy tsara koa aloha fa sao dia vhv tsy mendrika no hahazo ireo. Tohizo ny fahendrena e!
17. Herimiafina ( 02/09/2005 19:33)
(l)Merci, fa inona moa izany vvavy tsy mendrika izany ry Ravakamalala?
18. xxx ( 08/09/2005 06:10)
tsy mora io resaka fitiavana io, tsy zay rehetra mifankatia akory no afaka hiaraka maharitra fa maro ny antony mety hampisaraka: incompatibilité d'humeur(miady faona @ zavatra tsy misy dikany), hasarotampiaro diso tafahoatra, fiarahamonina sy fanabeazana tsy mitovy(ny ray ohatra mivavaka be nefa ny ray tsy miditra ampiangonana mintsy),sns sns
ny marina zany dia na tianao aza le olona nefa tsy miadana enao miaraka aminy fa gidragidra faona na probleme be foana dia lasa misaraka ny iafarany:cry:
19. xxx ( 08/09/2005 06:11)
tsy mora io resaka fitiavana io, tsy zay rehetra mifankatia akory no afaka hiaraka maharitra fa maro ny antony mety hampisaraka: incompatibilité d'humeur(miady faona @ zavatra tsy misy dikany), hasarotampiaro diso tafahoatra, fiarahamonina sy fanabeazana tsy mitovy(ny ray ohatra mivavaka be nefa ny ray tsy miditra ampiangonana mintsy),sns sns
ny marina zany dia na tianao aza le olona nefa tsy miadana enao miaraka aminy fa gidragidra faona na probleme be foana dia lasa misaraka ny iafarany:cry:
20. lilbon ( 09/09/2005 04:34)
zao aza e!
ny fitiavana misy fotoanany tena tsiss misy eo amy mpifankatia
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1975