Raikimpitia amina matoatoa.

1. Herimiafina ( 01/09/2005 04:41)
Indray andro hono nisy bandy iray tena tia sipa iray favy be ary tena tiany tokoa. Tsy sahy nitory ny fitiavany mihintsy io bandy io. Ilay sipa nefa nahafantatra ihany fa tena tia azy io bandy io. Efa ho efatra taona taty aoriana ry zareo vao afaka niaraka saingy fitia tsy naharitra satria i ra-sipa dia nanjavona tampoka teo tsy nisy fanazavana.
Volana vitsivitsy taty aoriana, rehefa avy nijaly mafy razokiny dia nanampakevitra ny hanorina fitiavana vaovao ary dia nahita tokoa i razokiny, niheritreritra razokiny hoe tena tian'i razokiny ilay tovovavy vaovao hitany ary dia niaina tao anatin'ny fahasambarana indray izy roaroa.
Indraindray anefa dia tsy mitsahatra manonofy i razokiny ary mahita ny tarehin'ilay sipa voalohany miantso vonjy, ary isakynny avy manonofy razokiny dia tena tora-kovitra tokoa satria hafahafa ilay nofy. Ary dia tsapan'i razokiny koa fa mbola ten atia ilay sipa voalohany ihany i razokiny saingy tsy afa-manoatra satria nofy ihany sisa no hahitany azy. Tapitra teo ny tantara.

Mba omeo toro-hevitra aho hatoroko an'io namantsika ao anatin'ny alahelompitiavana io satria olona efa tsy mi-existe intsony no mandrebireby saina an-drazokiny.
novalian'i zakony ny 28/09/2005 14:20
2. Liltax ( 01/09/2005 04:52)
:?::?::?:!:
3. ravakamalala ( 01/09/2005 08:18)
Mampalahelo ilay sipany vao2 fa izy no eo miaraka amin ilay bandy nefa vehivavy hafa no ao andohan' ilay "kary".

Tokony ho afaka aminy foana io fa tsy moramora anie ny manadino e! Indrindra moa ny ratram po, raha tena tia azy ilay sipa vao2 dia miaritra ary manome fotoana an ilay bandy mba handinoiny.

Fa zao koa anefa tenenina an i leiry wo :: indray andro any mbola ho rakatr' ilay sipa vao2 io foana we misy vehivavy hafa mibahana ao antsain ity lehilahy miaraka aminy, ka raha sarahi io sipa io ve izy dia mahatanty an 'izany.
TANO NY AZO FA SAROTRA NY MILA.
4. booboo ( 01/09/2005 11:23)
Asaivo mamboatra saina izy fa matoa nanjavona ilay iraika dé tsy tia izy izay e ! fara-faha sakabe izy niteny na ni-tél na nanoratra fa tsy milentika tampoka ôtra zany. manompa zany amiko klou e !
5. Veloo ( 01/09/2005 16:24)
Herimiafina, mbola ho afaka io nofiny io fa mbola ho ela asa raha firy taona izay izy no nanonofy an\'ilay kala...(a moins angaha ka mahita ny sarin\'ilay kala izy ary ho hitany fa tena niova be ny tarehiny na ny bikany dia tsy ho tiany intsony satria mantsy izao mbola ilay tarehin\'ny t@ ry zareo niaraka no mbola ao an-tsainy nefa sur fa efa niova izay ilay kala.) ary kosa anefa raha oe hitany fa tena tsy niova mihitsy ilay kala dia tokony hianatra ny hafa-po an\'izany hananany izy. Asa raha mazava ny teniko? (tsy dia mahay manazava tsara mantsy za io hihihihi)
Ka arak\'ilay lazain\'i ravaka oe \"tano ny azo fa sarotra ny mila\" marina io an...
Teneno izy fa aza ampijaliana amin\'izany ny sainy.
6. Herimiafina ( 01/09/2005 19:25)
Ny fahalalako azy dia efa manana akamabe i Ra-sipa dia lasa nanaraka an'ileiry any rehefa avy nampirafy kely tamin'ilay akaman'i Herimiafina.
Dia ny fahalalako azy manaraka koa dia toa efa niaraka kelikely ry zareo vao nolazain'ilay sipa ileiry hoe "efa manana akamabe aho fa ianao tiako be". Toa rehefa natao teny ny adi-varotra maromaro tsy mety vita toy ny hoe "Iza no tinao izaho sa ileiry" sy ny hoe "Hoteneniko ileiry dia hisaraka izahay dia izaho sy ianao amin'izay", sns.
Kinajo indray andro tsy nisy sampona, rehefa avy nifamihamihana, nifandamoro tetsy sy teroa ry zareo indray hariva izay dia izay no nahitan-drazokiny an'ilay sipa farany.
Toa niantso ny RAR ihany hono razoky fa toa kaopy daholo ireo dia tsy mety milaza izay misy azy.

Inona ary no zava-nitranga? Eo ilay misitery. Fa ny olana dia ilay fahitana mianjady an'ileiry indraindray manonofy ilay sipa io miantso vonjy aminy dia ratsy saina be ileiry dia te-hitady be nefa atao ahoana indray ilay iray efa eo ampelantanana sady favy be? Favy be anie ilay sipan'ileiry amin'izao fotoana e.
7. fijo ( 01/09/2005 20:05)
lazao lery fa izay eo revena,fa aza miandry izay tsy hita any e.
8. Herimiafina ( 01/09/2005 20:23)
Fantatr'ilay sipa amin'izao fotoana izao io blem an'i takaka io satria efa notantarain'ileiry taminy.
9. fijo ( 01/09/2005 20:35)
ka le sipa koa tokony hanampy azy ka.
10. Veloo ( 01/09/2005 21:05)
Herimiafina a, fantatro tsara ny manjo an'ny namanao fa ny zavatra tokony ataony dia hanadino an'ilay 1 satria hijaly ilay kala 2 io no sady en plus efa nolazain'i lery taminy harary ny fon'ilay kala faha 2, na dia tsy ampisehony amin'ilay bandy ary.. Ilay bandy no mila manao decision ferme oe avelao zany ary tokony hi assure an'ilay kala faha 2 izy satria manomboka aminizao mila assurance sy porofo ny fitiavan'ilay bandy izy izao...Ho votsi-droa eo no atahorako. Tadidio fa ny vaiavy tiny ny la mampi-assure-andrizareo oe mbola tia izy an ....
11. fijo ( 01/09/2005 21:16)
kay ,le votsidroa no loza ko
12. Herimiafina ( 01/09/2005 23:03)
Merci zalahy an.
13. Veloo ( 02/09/2005 16:20)
:wink:tsisy fisaorana Heri a dia bonne chance ho an'ilay namanao ooooooo
14. andmia ( 28/09/2005 10:16)
asivo mandoro volo iz eeeee, hihihihihhahahahahah
de @ zay las le matotouuuuu ouhhhhhh,ouhhhhhh
mataotsa za kle, vonjeo ehhhhhh
15. zakony ( 28/09/2005 14:20)
inona ny zavamisy ary raha mipoitra tampoka ilay sipa taloha amin'izao?:evil:
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1755