mpankafy COUNTRY

1. xxx ( 30/08/2005 00:25)
mba maniry ny te hifanakalo hevitra sy vaovao @ ireo namana hafa mpankafy hira country.Asa manahôna ny hevitrareo fa raha ny tenako dé...... mpankafy tokoa,noho izany dé mba mangataka amibareo ny vaovaon'ireto tarika ireto raha misy mahalala na mahafantatra ny vaovao mombamomba an-dry 'zareo reny : tarika TSIAKORAKA , tarika NJILA , tarika MIARA , tarika NY AINGA... sns (raha ny hevitro dé ireo no sangany) sa ahôna hoy ianareo???....:wink:
novalian'i xxx ny 05/10/2005 20:36
2. cowboy ( 30/08/2005 05:24)
io ndray enao an
3. Avo ( 31/08/2005 12:54)
Tarika miara no tiako amin'ireo.Any andafy no monina
ny leader-ny.
4. saotra ( 06/09/2005 00:12)
tsiakoraka sy njila ary ny ainga no fatako fa tsy fatako zay misy azy
5. fafa ( 06/09/2005 09:20)
ny Ainga zao manao fampisehoana mamaramparana ny taona aty Dago! any Ambatolampy atsimo any izy ngamba zao no hanao! Tsiakoraka mamarana koa ny fankalazana ny faha 20 taona nihirana ka etsy Andrefanambohijanahary eo @ Le Goûter no hanaovany Cabaret @zany, ny daty tsy de tsaroako fa miala tsiny indrindra, ny tarika Njila mo de tsy mbola henoko oe handalo aty Dago na tsia fa zay no azoko ambara zany zao!
6. mpanarivo ( 10/09/2005 18:44)
ny ahy aloha dia izao!
ireo mpihira gasy izay lazainareo country ireo dia tsy na dia iray amin'ireo lazainareo ireo no mpihira country.satria any america (texas)na(nash ville) ny mpihira country. anisan'ireo malaza dia i alan jackson; george starit;keith whitley;randy travis;tracy lawrence;toby keith;kenny chesney;tim mc graw sy ireo tsy vitako hosoratana eto daholo.
raha misy namana tia ahafantatra bebekokoa momba ny mpihira tena country dia manorata amiko.
fa izaho dia anisan'ny mpankafy sy mpanaraka anireny. hananako daholo izay hira tadiavinareo.
(ny country ) izany.
izay fa havelao any ireny tsy country ireny.
miandry anareo ah!
7. laxile ( 10/09/2005 19:24)
izaho kosa aloha dia mahita fa mihira country ihany ireo gasy voatanisa ireo ary mba tena mamoaka zavatra tsara foana e! mba jereo anie ry ny ainga reo e! reo no tena mpihira amiko:henoy tsara ange ny tononkirany fa sady mahafaly,mahatsikaiky, mampalahelo, mananatra ihany koa, ary mitondra ambavaka. NY FAMPIADIAM-PEO moa dia tsy lazaina intsony fa tena hainy zareo zany. tena tafavoakany ihany koa ny gadon kira country. Izaho dia isany mpankafy ireo olona voatanisan'ny namana mpanarivo ireo toa an dry ALAN jackson sns ireo satria ireo no tena tompon'ny country, saingy tsy ambanin-javatra amiko ihany koa reo mpihira malagasy ireo fa efa mahay ry zareo ary mendrika ny ho tohanana hatrany.
SUR E! mahafinaritra!!!
8. Faribolana ( 10/09/2005 21:55)
(l) Miala tsiny aho fa mba voakitika kely ny ambom-poko t@ ity indray mitoraka ity ka voatery manoratra eto: Izaho dia anisan'ireo tena mpankafy "country music" mihitsy ary somary adinon'i Mpanarivo ny fisian'iry Dolly Parton sy Kenny Rogers sns...izay tena nalaza teto Madagascar taloha! Izany akory tsy milaza fa tsy "country style" koa ny an'i Ainga, izay tena manana ny maha-izy azy mihitsy!!!
Ary ahoana no hilazan'i Mpanarivo an'ireo gasy manao "Jazz" sy "Rock'n Roll" ireo? Dia tsy alehany koa ve ireo hoy i Mpanarivo?
Ny antsika anie ny Hira Gasy sy ny Salegy ihany no avy eto Madagascar e, dia izany ve midika fa io ihany no afaka hataontsika? TSIA!!!
Gasy ka Manja e! Mahay ny Gasy e, ary mbola mahatoraka ny sasany avy any Amerique mihitsy aza!
9. Faribolana ( 10/09/2005 22:05)
Niverina indray aho fa nisy diso ny voalazako teo aloha ary tena hanaovana azafady @ ilay tarika fa NY AINGA ry zareo fa tsy AINGA akory.
Mankalaza e!
10. fijo ( 15/09/2005 20:53)
misy mahay kos any gasy,fa tsy hoe ny amerikana ihany no mahay an'io e
11. eisy ( 16/09/2005 10:57)
Carpenters,Joan Baez,Willy Nelson, Bob Dylan,James Taylor, Ammylou Harris,Dolly Parton.... de de be e!
Country izany anie aloha de tena milay mihintsy e!,efa nisy resaka natsipiko ihany teto raha tadidinareo momba ny tarika Tsiakoraka izay tsapako aloha amiko manokana fa tena manao ilay Mozika Country amin'izay tokony ho izy e!.tsy hoe fanaratsiako ny tarika Ny Ainga akory fa ny an-dr*y zalahy ireny ohatran'ny Mozika sadasady tsy haiko ny milaza azy.....Henoy anie ny Ballades sy ny Melodien'ny gitaran'Ny tsiakoraka e! Eny ekeko fa misy alok'ireo mpanhay mozika toa an-dry James Taylor, Crosby Still Nash and Young, Shadows ..Dire.. ny Mozikany fa tsapa ho e ilay Structure Country de tena ao tsara.
Ny momba ny TSIAKORAKA aloha de vao namoaka hira roa vaovao izy e! fa vehivavy no nampihirany azy tao aorian'ilay hoe Ravin-taratasy iny; avie maneke sy peratra no lohateniny izany ry zalahy ka ballades contry tena izy a! misy feon'ireny Pedal Guitare sy ireny piano country ireny tsara mihintsy omaly ilay faharoa no naparitaka ankafizo fa izy lay..
12. eisy ( 16/09/2005 11:06)
Hank Williams Sr? Hank Williams Jr, John Denver,Ann Muray, Crosssby and Nash, Do Williams, Kenny Rogers, Linda Ronstadt,Garth Brooks, Peter Mary and Paul, dixie Chics, Eagles,Joan Baez, Parton ,bede be ry xxx a! hanoratra aho de ahoana hoy nareo amin'ny Apache sy ny cuir de ny Medecine Bag?
13. fijo ( 16/09/2005 20:09)
tsiakoraka aloha dia tena izy amin'io e.
14. eisy ( 19/09/2005 07:44)
Nanao karazana Country ihany koa anie i Tselonina sy mireille fa ohatran'ny hira vitsivitsy fotsiny e! Raha tadidinareo tamin'izany mbola TVM irery ny Tele teto amin'ny tanàna de nisy ireny hira hoe: Za moa hendry ireny ... fa tamin'izany i Tselonina mtendry Gitara de i Mireille mandidy Violon. Milay konko ireny a!
15. zakony ( 19/09/2005 13:23)
i Tahiana manao hira country

www.tahiana.com
16. xxx ( 05/10/2005 20:36)
ah !!mahafinaritra 'ry reto ah ,misaotra anareo namaly ,heveriko fa tsy hisy hamaly ngé lé izy éé hahaha ,'zay no tsy nijerévako teto tsony lol hay mahafinaritra.. saingy 'zao !!marina daholo 'reo voalazanareo 'reo ary maniry ny hifanoratra sy hifanakalo vaovao tokoa ny tenako lol saingy.... hadinoko angamba no nanamarika hoé :Mpihira mozika Country Mlalagasy no mahaliana ahy 'zany éé hahahaha fa 'reo vazaha 'reo an efa haiko tsianjery avokoa... hadinonareo ary i Emmylou Harris lol... fa tsy any no tiako ahatongavana,mpihira country gasy éé lol raha tsy mahatezitra an lol dé misaotra bétsaka fa sao lava lôtra 'ty ka tezitra nareo !! ( fanamarihana kely fotsiny an : ilay hoé namoaka hira vaovao roa i tsiakoraka dé...raha ny fahitako azy an,dé hira efa ela bé 'reny hira roa navôkany farany 'reny fa nohavaozina fotsiny hihihi.. raha diso ny tenako dé aza memézana an !
'zay fa dé misaotra éé..... mpihira country malagasy no ndeha ho resahana é (na hira country mou 'zany éé) veloma finaritra daholo dé @ manaraka misaotra ô ^:^
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3924