Hiteny anglisy hono any dago ato ho ato

1. babalahy ( 24/08/2005 14:12)
Inona hoe ny fanapahan-kevitra nataon-draprezy Ravalomanana teny Ivato ?Hoatrin ny tsy fantatro tsara azafady.
novalian'i fijo ny 25/08/2005 22:19
2. Veloo ( 24/08/2005 15:10)
odray inn no maha ratsy an'izany...Ka efa lasa mpinamana be an'ny anglisy izy ko... tsara zany e mampandroso ny firenena..:wink:
3. maintsokely ( 24/08/2005 15:46)
Raha ny fijeriko manokana aloha dia tsara ny teny angilisy noho ny teny frantsay.
Ny antony dia izao. Raha vao nivoaka ny Frantsa dia tsapa fa tsy dia miasa tsara intsony ny teny frantsay. Nankany Belgique aho tamin'ny faran'ny volana jolay dia ny coté frantsa ihany no tena betsaka miteny frantsay fa ny coté Hollande (Anvers) dia vitsy fa na miteny angilisy na neerlandais. Torak'izany koa ny any Alemana tanana akaikin'i Strasbourg (Keil) izat tetezana iray (pont de l'europe) no manasaraka azy dia tsy mety miteny frantsay ny olona ao fa na teny angilisy na teny alemana.
Ny farany dia tany amin'ny JMJ (journée modiale des Jeunes tany Cologne) ny teny afaka nifampiresahina dia tsy nisy afa tsy teny angilisy (io izany no marimaritra iraisana e!) Ka noho izany dia tsaratsara ny mahay angilisy noho ny frantsay.
Ny ambonin'izany rehetra izany moa dia ny document scientifique dia ny 2/3 amin'ny teny angilisy daholo.
4. babalahy ( 24/08/2005 16:05)
Reveko ny mahay teny maro sady mam-pivelatra fa tsy tsara ny manadino ny teny Malagasy satria matetika ireo olon-dehibe de tsy mahay miteny gasy de lasa vary amin'anana mitovy an'ah.
5. fijo ( 24/08/2005 20:59)
za koa momba io voalazan'i babalahy io.amiko dia tokony hianarana daholo ny teny frantsay sy anglisy,fa raha ao mada dia tokony ho teny gasy ihany no ampiasaina.
6. Veloo ( 24/08/2005 21:06)
ka aza adino ny teny gasy avy eo :-D:-D
7. maditra ( 25/08/2005 00:53)
Sady tsara be izany mahay English izany fa, tokony omena fotoana fotsiny ny tanora Gasy hianatra azy tsara satria izahay avy any amin'ny la-cote tsy dia nianatra izany ara-dalana firy fa na ny prof aza mbola sasatra.
8. babalahy ( 25/08/2005 07:06)
Sdy isika avy @ sisiny koa matetika kamo mianatra sa ahoana hoy izy anao?
9. agoago ( 25/08/2005 08:36)
Araka ny voalazan'i Maintsokely dia ny teny anglisy no be mpampiasa sy fampiasa voalohany @ sehatra iraisampirenena.
Madagasiakara anefa zanatany frantsay koa ny teny frantsay no mahazatra antsika, satria nianaran'ny ankabeazantsika hatry ny fony kely no nanabeazana antsika.Lasa fiteny ny maro amintsika amin'ny andavan'andro sady ampiasana @ sehatran'ny asa.Nahafahantsika nivelatra @ fahalalana rehetra ny teny frantsay hatra@ izao.
Manana fahaizana anglisy fototra ihany anefa ny ankabeazan'ny gasy.
Fa raha hoe atao ho ny teny anglisy no ho teny ofisialy, sady ampiasaina @ andavana'andro no eo @ asa dia mila ezaka sy vola be izany.Vao ho tonga @ izany gasikara.
Taitra daholo nahare ny resaka natao Ra8 avy any @ fivoriana'ny SADC, fa nahitsiny ilay izy avy eo. Nantitrateriny fotsiny fa tsara ny mifototra @ fianarana ny teny anglisy (madagasikara ihany tsinona no francophone ao @ SADC).
Na ny tenindreny antsika dia ny malagasy aza anie azo ampiasaina sy ivelarana @ rehetra ihany eto antoerana.Satria raha any @ mpiray tanindrazana tsy mahay teny vahiny ianao no miresaka dia ny teny reny no tsy maintsy ho ampiasainao
10. pika ( 25/08/2005 09:13)
tsara ny mahay teny angilisy fa ny hoe hanolo azy @ teny frantsay dia mbola mitaky hezaka sy fotoana lavabe izany
mora aminy ny teny frantsay @ zanantany azy sy ny zavatra henon'ny sofiny matetika @ TV oh
ary aoka koa anefa fantsika fa matoa ireo firenena tantsinana no mandrioso dia ny tenin'ny reniny no nentina nianarany tsy midika anefa izany ny tsy hihanatra teny vahiny marobe @ maha nosy antsika sy ny mba hifandraisana @ firenenkafa

11. zandikely ( 25/08/2005 12:22)
Tsy ratsy aloha izany fa mila fanomanana fotsiny e !
Tsy marina kosa ny filazana hoe Madagascar irery miteny frantsay ao aminy SADC, fa ao koa ny Congolais ( ex-Zaire), ataoko fa misy 4 fotsiny ny mampiasa teny frantsay ao.
Fa raha izao aloha ry zareo dia reseko lahatra aloha ry zareo anglisy mba hanokatra indray ny ambassade aty Dago. Teny anglisy ve hianarana nefa izy tompon-teny indray namody varavarana .

12. Veloo ( 25/08/2005 15:51)
oay kle angaha tsy misy ambassade any Dago?
13. babalahy ( 25/08/2005 20:42)
Efa nihidy havako eeeehhhh!Rango nomoaly...
14. rovitra ( 25/08/2005 21:18)
ny fahitako izay soso kevitra izany, dia manamafy ny fandalinana nataoko momba ilay fanotaniana hoe tianao ve Ra 8. Tsara ny fahaizana sy ny fahalalana, fa manahy aho, fa mitsofoka moramora ny amerikana sy ny anglisy. Any Dago no ataony poubelle fa ny taniny tahitahiny. Ferana ny olona mandeha any EU, fa izay rehetra te ho any Dago dia tafiditra mora fotsiny. Misy tombotsoa tadidiaviany ao. Ny volamena sy ny Pétrole. Ireo no voalohan-kerana sarobidy indrindra amin'izao fotoana izao.
15. maditra ( 25/08/2005 21:41)
babalahy> tsy hitako io hafatrao io ka azafady, zah aloha mahita fa kamo zah ny hianatra ENglish e. Ny antony voalohany angamba dia ny tsy fisian'ny fitaovana entina hampianarana izany. Ataoko ahoana ny ahavitrika amin'ny solaitra mainty be dia mpianatra mitabataba, ny mpampianatra tsy sure akory na marina ny zavatra ampianariny na tsia. Eny e, misy ihany aloha ny olana avy amin'ny mpianatra fa azon'ny fanjakana atao tsara ny mampihena izany hakamoana izany.
16. Herimiafina ( 25/08/2005 21:54)
Ilay tanjona amin'ilay fitenenana aloha ry zalahy dia resaka fifandraisana fa tsy hoe poera-poera na fidedahan'ny mpitondra an. Tadidio ilay tenin'Itpl Monja Jaona tamin'ny andron'ny Fanjanahantany: "ilaina ny mahafantatra ny tenin'ny fahavalo". Ka Hianaro ihany aloha fa tsy hay izay afitsokin'ny ampitso.
17. fijo ( 25/08/2005 22:19)
izay mihintsy
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0559