Reo olo-mangan'ny Madagascar!!

1. STONG ( 03/08/2005 22:40)
Miarahaba tompoko!
Rehefa nandinika aho dia lasa heritreritra hoe!:
Taorian'ny nahalasanan'ireo olomanga ireo dia mba iza ary ny aty aoriana no mba hahasolo azy reo????
ohatra:Ratsimamanga,Rakotofra,..
Za aloha tsoriko,fa mahatsapa fahabangana lehibe noho ny fandaozan'izy reo an'ny dago:cry::cry:
novalian'i fijo ny 09/08/2005 21:20
2. lo ( 04/08/2005 02:45)
Marina aloha fa tena namela banga tokoa reo olona voalaza ireo fa mbola misy iany ao k, tsy lany olomanga i gasikara :)
ohatra zao, rah ny fihevitro an : Pr Raoelina Andriambololona amresaka fikarohana ara-tsiansa, Rado amin'ny haisoratra, Jean Emilien amin'ny mozika... bdb tsy voatanisa e fa ohatra fotsny iany reo
3. ravatorano ( 04/08/2005 05:39)
ny olomanga anie maro eh fa ny fomba ilazana azy no manahirana.
Ny olomanga ara pôlitika no tena bobaka b eto sady olomangan ny famotehana ny mpiarabelona.
:twisted:
4. ari.malala ( 04/08/2005 06:14)
Zoky ndray io manao politika io an! :)

Tsy lany olo-manga i Gasikara ê! betsaka izy ireny fa tsy re fotsiny ny momba azy ireo.
5. Mifenty ( 04/08/2005 08:09)


Ny ahy kosa lou ra Stong de tsy de rarahiko firy oe olomanga ah olomanga a.


Tsy mahantra olomanga i Gasikara fa mahantra olomarina e.

6. jentilisa ( 04/08/2005 08:47)
Tsy maintsy misy foana na olo-manga na olo-marina fa ny fametrahana azy amin'ny toerany no tsy misy loatra.
7. STONG ( 04/08/2005 10:44)
Mifenty> Marina ny anao,fa ireo nataoko ohatra ireo,d mino aho fa miara-manaiky isika fa nanao t@ fony tanteraka reo.Marina kou ny an'i lo hoe Rado ko anisany,maro tsy voatanisa;saingy iza no hahasolo an'ireo efa lasa?
Ny mampahelo @zao ftona zao d ny toetsaina,
Ny ankizy @ zao mantsy,raha vao mba misy hira taloha reny d himehezandry lerony,hip hop no malaza!!
Raha vo marary d fanafody vita avy any ivelany no hoanina,tsy matoky ny eto an-toerana!!
Ra reo mpanao politika ndray,tsy olomanga zany reny amiko
8. cocorie ( 04/08/2005 12:40)
Aiza kosa no tsy olomanga ny mpanao politika e! Pasitera Andriamanjato olomena ve sa olomavo; efa ela anie ireny sady mana-tantara isaky ny miova mpitondra sa tsy d'acc nareo.hihihih:lol:
9. fijo ( 04/08/2005 21:26)
cocorie an,savony vava ve?olofotsy iny.
stong,marina fa olona nahavita azy ireny,fa ny tsy tokony hoadinoina,dia mila mijery ny hoavy isika ,fa tsy hiandry izay efa lasa foana.
10. mandrindra ( 05/08/2005 10:04)
Ny olona tsirairay dia samy manana ny mahaizy azy daholo, noho izany dia tsy afaka soloina izay efa lasa. Ny azo atao dia ny manohy ny asany mba hanamafisana ny fahatsiarovana azy ireo sy ny efa zavabitany.
fijo, amiko aloha le rangahy iny miova loko araka ny toetrandro e.
11. STONG ( 05/08/2005 10:25)
fijo> marina ny anao,fa marihako kely fotsiny,dinio ny lasa hijerevanao ny ho avy!!
fa2:mandrindra> tsy hisy hahasolo tokoa ny zavabitan'ny tsirairay,saingy eo ny fanotanihako hoe;hisy hanohy v????
12. Mifenty ( 08/08/2005 08:39)

inn ary le tenenin'i Stong oe hisy hanohy v e?

Ny an'i Stong zany refa tsy mpitsoka sodina (Rakoto frah), na inn mou Rastsimamanga de tsisy manohy zany.


sokafy iany ny maso é,

Rajery am mozika, tarika sammy, rossy, sns...

Pétanques ry zalahy gasy champion du monde.

iza ou le bandy rasta mpandihy (HH) iry le, le ao am up the rap,

de misy anlé bandy champion du monde am kick boxing iny kou.

Tsy voatanisa kle, fa ny maso mijery no amboarina hoe manohy ve ireny sa tsy manohy.
13. fijo ( 08/08/2005 21:43)
mandrindra,ka efa soara diatsy arany intsonyle kolera ko.
stong,manaiky aho,fa ilaina ny mijery ny lasa.saingy tsy tsara ny mitarazoka amin'izay efa lasa.
14. Mifenty ( 09/08/2005 08:23)


sa kosa oe refa maty vao Ramalala lé.

Palais de sport midofodofotra fa ny an'ny anankiray chorale no mihira (RAKOTO ratsimamanga)ny an'ny anankiray ny dimbak'ambodin'isotry sy ny mpihira gasy no mihira le.(RAKOTO frah)

Tadidinareo reo fendrasam-paty roa reo ngamba.

Samy RAKOTO iany fa samy hafa be le fendrasam-paty natao kle.
15. fijo ( 09/08/2005 21:20)
tena hoe ,na maty aza izany dia mitohy ny tsy fitoviana
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.6975