Iza no tompon' andraikitra?

1. mandrindra ( 20/07/2005 15:21)
Resaka mandeha matetika tato ho ato ny momba ny fahantrana.
Ao ireo izay milaza fa ny herin'ny tsirairay ihany no mety ahatafavoaka amin'izany. Miasà fa aza mitsikera be fahatany hoy izy ireo. Aza miandry tolorana fotsiny. Aminareo ve tsy manana andraikitraamin'izao firoboroboan'ny fahantrana izao mihitsy ny fanjakana?

Ao indray kosa ny mivoy hoe ny fanjakana no tokony hametraka drafitra sosialy tsara kokoa, izy no tokony hanao izay hampiroborobo ny toekarenampirenena. Tokony hiandry izay baiko avy any ambony fotsiny ve ny vahoaka sa tokony ho hery mitarika?
novalian'i fijo ny 26/07/2005 04:51
2. niry01 ( 20/07/2005 16:08)
sarotra be le resaka, ny zavatra tsapa , aloha raha tsy miezaka isika Mlgsy de ho tavela eo.
Sika koa ohatran ny zatra ampiana zany an:P
Sika koa lany andro mifanome hevitra , fa refa hanantanteraka samy mifampiandry.
Ny zavatra iray koa , variana ao @ nosintsika ao isika de tsy mahita zavatra hafa.
Sika na te hivaoka @ fahantrana aza , de tsy ho avelan' ny firenena manan karena hafa mihintsy.

3. RockyMaivia ( 20/07/2005 16:26)
TIM sucks:b
4. fijo ( 20/07/2005 21:29)
mandrindra ;elah ihany dia efa nahavaly azy hoe ny fanjakana dia tokony ho hery misarika.anjarany no manao ny rafitra ahafahan'ny olona miasa amin kahalalahana,fa ny olona kosa no samy tokony mikaroka izay hampety sy hanatsara ny asany avy eo
5. sasa ( 21/07/2005 04:50)
fijo ekena =D
6. paingotra ( 21/07/2005 12:09)
:Dsamia mikotrana dia tsy mandany andro mifampitsikera dia mety e! samy manao dia hita hoe ny an'iza no mety dia tohizana sy ampiana izay mety fa raha lany andro mifampitsikera dia "lany andro e", ny mpitondra ve, mitovy daholo izay tonga eo, ny fananany no mitombo fa tsy mbola nisy mpitondra fanjakana nizara ka nampanakarena ny vahoakany.Ny mponina no miezaka mivoatra dia mivoatra manaraka izay ny mpitondra fa tsy ny mifanohitra amin'izay no andrasana. Raha diso izay voalazako dia aza harahina, toy ny toka-trano ihany io, ianao no mampandroso azy fa tsy ny mpampiasa na ny fanjakana.
7. xxx ( 21/07/2005 14:55)
ny toe tsaina koa no mbola mahavoa antsika
8. fijo ( 21/07/2005 21:33)
io toe tsaina XXX io aloha dia tena mbola mahavoa antsika e
9. isrine ( 22/07/2005 12:23)
raha samy mahalala ny andraikiny ny tsirairay de tsy hifanome tsiny. ary raha samy mahatsapa fa mifampiankina ny fiainana zany hoe ny tsy vitan'ny 1 ho vitan'ny hafa, de samy manaja ny asany. fa tsy hihevirta ho mpitondra avokoa de izay de efa mahatonga ny toetsaina tsy à ilana azy. Mihevitra ny olona fa ambany ny asany de manao tsirambina...
10. mandrindra ( 22/07/2005 12:40)
dia rehefa miasa ve izany tsy mahazo mikritika ?
11. isrine ( 24/07/2005 08:17)
ny olona koa anie efa zatra ny mikritika foana e. ohatry ny hoe efa lasa fahazarana mihitsy ilay izy.
mandrindra: tsy hoe tsy mahazo mikritika rehefa miasa fa tokony hanampy avy hatrany an'ilay tompon'andraikitra.
ary matetika anie ny mpikritika dia miaraka @ tsy fitiavana ilay tompon'andraikitra mihitsy, ary tsy olona natao hitady vahaolana ny mpikritika fa natao fotsiny hitsikera.
12. scorpion ( 24/07/2005 08:22)
Misy karazany telo ny olona:
1- ao ireo tsy mitsahatra ny mitsikera, hitany daholo izao fianan'olona izao, ny tenany ts hitany fa ny hafa foana no resahiny sy fosainy
2- ao ireo sady mitsikera ny hafa no manao ze mety aminy ihany
3- ao ireo ts mivaky loha fa ny azy sy hahasoa azy sy ny mpiara-belona aminy ihany, na ahoana na ahona tsikera ataon'ny olona, ts rarahiny fa ny fiainany ihany mampiasa saina azy..ny tsikera ts ahoany.

Dia mazana ilay karazan'olona fahatelo no lasa lavitra eo amin fianana.Ts manana fotoana hitsikerana sy hijerena ny fiainan'ny hafa.
13. fijo ( 26/07/2005 04:51)
marina mihintsy io
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2449