Inona no ilàna fivavahana?

1. jentilisa ( 15/07/2005 11:26)
Zavatra tsotra tahaka izay no anontaniako anareo mba hahalalanareo tsirairay avy ny toerana misy anareo ao amin'ny fivavahana. Tsy mifidy io na kristiana na silamo na nentin-drazana na bodisma na inona na inona misy anao. Inona no ilàna fivavahana? Dia izay fivavahana arahinao.
novalian'i marozevo ny 16/08/2005 15:44
2. jhouhlambout ( 15/07/2005 11:48)
Nahatsapa isika olombelona fa tsy mahafehy ny zava-drehetra(aretina,fahafatesana,toetr'andro,etc...). Donc: lasa mino sy mivavaka @ ilay hery tsy hita maso mahafehy ireny zavatra ireny. Raha ohatra anefa nahavita ny zava-drehetra isika dia tsy nisy mpivavaka mihintsy teto an-tany...
3. ari.malala ( 15/07/2005 12:13)
ilaiko ny fivavahana satria rehefa avy mivavaka aho dia mahatsapa fiadanam-po avy @ Andriamanitra.
4. booboo ( 15/07/2005 13:02)
Ilaiko satria zava-dehibe aminà ny hoe misy mahatsapa ny raha tsapako tena mihaino ahy sy misahirana ho ahy ary tena tia ahy. Na mety ho azoko @ olombelona ihany aza tsy tena tanteraka tahaka ny an'Ilay ivavahako.
5. ndrena ( 15/07/2005 15:00)
Ilaiko ny fivavahana satria io no mitarika ahy handova ny fanjakan'A/tra maharitra mandrakizay.
6. STONG ( 15/07/2005 15:37)
Eh! Ny hevitrareo eo ambony reo (4)dia efa zavatra iray antony hivavahana(fisaorana)@n'ANDRIAMANITRA,satria mbola betsaka ny zany ny tanora mahatsiaro Azy
7. ndrena ( 16/07/2005 05:12)
Ilain'ny rehetra izany ny fivavahana @ Andriamanitra marina mba tsy hahavery sy tsy hampijaly azy any @ farihy mirehitra afo maharitra mandrakizay.
8. jentilisa ( 16/07/2005 17:16)
Tsy dia mety loatra angamba raha noho ny tahotra ihany. Fa ilaina indrindra indrindra izy io mba hampisy fifandraisana tsara amin'Adriamanitra, rehefa tsyara ny fifandraisana aminy dia mora ny hifandraisana amin'ny olona. Mety hoe mivadika izany teniko izany saingy rehefa mahalala ny tena ny tsirairay dia hahatsapa fa tsara ny mifandray amin'ny olona. Ny fifandraisana amin'ny olona io anefa tsy ho @ fifanakianana fa ho @ fiaraha-miombona kosa. Sa inona koa no mbola hanampy izany? sa hanitsiana izany?
9. ndrena ( 18/07/2005 07:30)
Ny fivavahana @ A/tra tokoa aloha dia tsy @ tahotra fa @ fitiavana Azy e!Misy mantsy mampihorohoro ny @ zavatra ho avy fotsiny nefa tsy dia manambara ilay tena vahaolana.Fitiavan'A/tra anefa no mahatoy izao antsika rehetra
10. velonantoandro ( 18/07/2005 12:02)
Inona no ilàna ny fivavahana?
Raha araka ny hevitro indray aloha dia,mba anaovana fanonoka mba handehanan'ny afera.:lol:
11. ari.malala ( 18/07/2005 12:52)
velonantoandro:

Inona no ilàna ny fivavahana?
Raha araka ny hevitro indray aloha dia,mba anaovana fanonoka mba handehanan'ny afera.:lol:



interêt fts zany? no comment!
12. johns ( 19/07/2005 08:11)
Ny ahy indray ny hivavahako dia ny hitoerako foana eo akaikin'Andriamanitra sy ny hitoerany ato amiko.
13. LazaRandri ( 01/08/2005 06:24)
Hoy i Jentilisa:
"Tsy mifidy io na kristiana na silamo na nentin-drazana na bodisma na inona na inona misy anao. Inona no ilàna fivavahana? Dia izay fivavahana arahinao."

Sady tsy azoko no gaga aho mahita fa akambanao vala iray ny "ondry" sy ny "osy". Mba valio ito fanontanian'i Paoly ito azafady fa raha tsy izany tsy azoko ilay fanontanianao.

Fa inona no iraisan'ny fahamarinana sy ny fahotana? Ary inona no iombonan'ny mazava sy ny maizina? Ary inona no ifanarahan'i Kristy sy Beliala? Ary inona no iraisan'ny anjaran'ny mino sy ny tsy mino?
14. marozevo ( 16/08/2005 15:44)
Ny ahy ny antony hivavahako dia satria tsapako amin'ny fiainako isan'andro fa manampy ahy Andriamanitra. Ho ahy ny fivavahana dia valim-pitiavana.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.6223