fahaiza miteny.

1. fijo ( 05/07/2005 00:09)
faly aho mahita ny namana ato mahay miteny anglisy,frantsay ,alemana,italiana,sinoa koa aza.
ary io tsa hoa mahay iraika fa sendraika dia roa na telo amin'ireo ro indray hainy.
malahelo ihany nefa aho fa matetika aho sefa mba manao teni-mparitra iny dia ,manontany ahy atsy ambadika atsy ny chachany hoee "ina leka zao tarognindroky izao,fa dia tsa misy haiko eee".koa lasa ny chaiko hoee,ina ro choa kokoa,le mahay teni-mbazaha ve moa le mahay ny ankamaroan'ny teny hita ao amintsika.io tsa ho manaratsy fa le michafidy nareo,izay ro mba hilako e.koa dia antsika aby ny rechaka ry akama ichany e.
ho choa any zay
novalian'i diloo ny 04/08/2005 19:24
2. lo ( 05/07/2005 03:27)
"Andrainiko ny teniko, ny an'ny hafa koa feheziko", izay ilay fomba fiteny nalaza teo alohaloha teo, dia niroboka daholo ny malagasy, indrindra ny tanora, niezaka namehy ilay fitenin'ny hafa, saingy ilay hafa any ivelany no tena niezahana fa tsy ilay an'ilay hafa mpiray firenena, izay tsy mifankahazo fiteny amin'ny tena, nefa mifanerasera matetika ...sao dia anisan'ny tsy mampandroso antsika marina tokoa moa io tsy mifankahazo resaka io, ka tsy aleo ve mba iezahana kely ary e
Isika no mahita...
3. yonikafopl ( 05/07/2005 07:29)
za klou anisan le tsy mahay afa tsy ny fiteny gasy ofisialy eeeee, fa ny gasy rehetra nge tokony hahay an'io daholo eeeeeee, io no iraisana kouu,
Fa tsara ny mahay teny vahiny re aaa, raha ny samy gasy no hifanerasera de tsy hisy koa ny fandrosoana kleeee, manjary ambakain'ny vozongo raha tsy mahay.:-P
4. lo ( 05/07/2005 08:22)
angaha moa hoe ratsy e, fa mba ilaina ihany kosa anie ny mifankahazo raha samy mpiray firenena e, indrindra raha mivezivezy ianao, mbola maro ny malagasy tsy nahita fianarana mantsy (40% eo ho eo izy izay), ka izany malagasy ofisialy izany tsy mino aho hoe fantany, fa izay fiteniny hatramin'izay no hainy, dia mba isika mpandehandeha no miezaka mahay sy mahazo izay lazainy, izay ilay tiako tenenina :)
5. mandrindra ( 05/07/2005 08:23)
Tany ampianarana dia io teny malagasy ofisialy io no nampitana ny fahalalana dia nisy ihany koa fianarana teny vahiny. Izany no mahatonga ahy manokana tsy mahay tenimparitra. Misy teny vitsivitsy ihany anefa mba tadidy tamin'ny fandalovana fotoana fohy teny amorontsirak'i gasikara nandritra ny fialantsasatra. Mba ahafahana mampahalala ireny tenimparitra ireny dia tokony hisy fomba fampianarana apetraka.
6. lo ( 05/07/2005 13:10)
izaho io izao dia mihezaka ny hahay fa mbola manafangaro ihany na dia izany aza, sady tsy mbola tena mahavita miteny tsara koa, fa manandrana eny e, mba mitady mpampianatra rah misy any :)
7. kally ( 05/07/2005 14:49)
Tsaroako tsara t@ voalohany nahatongavako teny Ankatso,talohan'izay rehefa mandalo ihany ry zareo Antandroy mpandroaka omby vao mba maheno tenim-paritra tsy hay akory ny mamerina azy, dia teny Ankatso ary moa dia nisy ankizy mpifanolo-bodirindrina aminay tonga tao an-trano dia hoy izy ameza hosy za e! nivandravandra fotsiny aho sady sadaikatra no menatra,nanomboka teo dia fantatro fa tsy maintsy mahay na farafaharatsiny mahazo izay fomba fitenin'ny ankizy rehera teo aho.Abakeo,mifampisongetika eky zahay jiaby io,ndreky tsaikin'i Diègo,ndreky bôka sid-esta, na avy ao afovoan-tany na hatraia na hatraia, miara-mikoragna mahafinaritra e!.Fa mahazo fotsiny aho fa tsy mety mahay.
8. kally ( 05/07/2005 14:49)
Tsaroako tsara t@ voalohany nahatongavako teny Ankatso,talohan'izay rehefa mandalo ihany ry zareo Antandroy mpandroaka omby vao mba maheno tenim-paritra tsy hay akory ny mamerina azy, dia teny Ankatso ary moa dia nisy ankizy mpifanolo-bodirindrina aminay tonga tao an-trano dia hoy izy ameza hosy za e! nivandravandra fotsiny aho sady sadaikatra no menatra,nanomboka teo dia fantatro fa tsy maintsy mahay na farafaharatsiny mahazo izay fomba fitenin'ny ankizy rehera teo aho.Abakeo,mifampisongetika eky zahay jiaby io,ndreky tsaikin'i Diègo,ndreky bôka sid-esta, na avy ao afovoan-tany na hatraia na hatraia, miara-mikoragna mahafinaritra e!.Fa mahazo fotsiny aho fa tsy mety mahay.
9. sahouly ( 05/07/2005 16:35)
mahafinaritra ry zareo ny mahay na mahazo farafaharatsiny ny tenim-paritra ah!, ho ahy manokana dia azoko lazaina fa ireahrehako ny fahaizako sy fahazoako tenim-paritra maro, @ foko 18 eto Madagasikara dia ny teny antandroy (antandroy fa tsy vezo an!) be ireny ihany no manahirana ahy ny mahazo azy fa ny ankoatra izay dia azoko sy mazava tsara amiko avokoa, ary haiko manontolo na tapany ny fiteny amin'ny faritra hafa.
10. chipie1 ( 05/07/2005 16:56)
le izy kou nge refa tsy pratikenao de tsy hay e! zay aloha nanao tenimparitra tany ampenarana fa vetivety donky tsy hay zao !"rehefa mahay ny teny gasy ofisialy za defa zay "...:wink:
le teniny vahiny ndray ilaina ny mahay azy indrindra refa mipetraka antaninoul !
11. kally ( 05/07/2005 17:10)
Na ampiharina io na tsy hampiharina mijanona foana fa ny tany am-pianarana angaha moa dia nianatra niteny akory fa dia ny hoe ny li mifamaly @ di no mba natao.Sa ianareo nianatra niteny? Ny mbola mahafinaritra na izany aza raha oharina @ habeny i Madagasikara dia mbola mifankahazo resaka daholo ihany ny samy Malagasy.Ny teny vahiny tsy adino ary tena ilaina fa tsy natao hanoloana ny teny gasy.
12. chipie1 ( 05/07/2005 18:50)
nenà aloha tsy nijanona e ! nanao anio li mifamaly aminy di io kou zay !
ataoko angamba fa tsy za irery no tsy mahay ato an ! asa aloha :?::roll:
13. mumu ( 05/07/2005 19:06)
tsika 2 mitovy tsy mahay
14. jhouhlambout ( 10/07/2005 09:29)
dia mianarà ary:@
15. zefalah ( 11/07/2005 00:54)
yonikafopl>inona tsara a? na teny gasy ofisialy aza itako tsy ainao ko ..enao koa mitovy amiko..ray sika nefa misaraka...
16. sahouly ( 12/07/2005 15:59)
izay ilay hoe tonga @ tenin'i Lo tery ambony hoe andrianiko ny teniko, ny an'ny hafa koa feheziko e,
17. pitchou ( 13/07/2005 09:27)
ka izao ny ahy no lazaiko mikasika an'izany e! ny teny gasy, ofisialy tsy ofisialy, na faritra aiza na faritra aiza (afatsy @ le toerana iray izay any avaratra any izay tsy teny gasy no ampiasainy fa makoa), dia raha tianao ho azo dia azonao tsara!
izaho izao tsy dia mahay teny gasy saingy tsary mbola very na taiza na taiza teto mada! sady azoko ny fitenin'ny olona no azon'ny olona tsara ze lazaiko! mety misy 2-3 minitra mihanahana kely mizatra le accent fa avy eo d lasa izao!
fa le tenim-bazaha d tena tsy lasa raha tsy ianarana ka!
18. jhouhlambout ( 13/07/2005 23:10)
ié:@
19. diloo ( 04/08/2005 19:24)
Miarahaba ny rehetra aho izay vaovao @\'ity post ity.

I Kally no fantatro ato.
Allo Kally,
Tsara ity post ity.Eto kosa angamba mety hahay hifanaraka isika mi-tsama.
Izaho koa mirevy ny fitenim-paritra,ohatra:Vezo, antaisaka,Betsimisaraka.Mahafinaritra tokoa ny miezaka miteny ny fiten\'ireo rahalahy sy anabavy any amorontsiraka ireo.Tonga dia mandeha ho azy ny fifankatiavana.

Ity ohatra ny fiteny Vezo:
Manao akory Rakemba,akory Dadilahy.Mafana biby ty amy areo atoy.Vasa misy rano azafady fa ty vatako le miovitse.Le mosare vatany aho,vasa misy bele amy areo agne.

Fiteny Betsimisaraka:
Akory lahaly raogny e.Mbola tsara.Avy tagny bazaryb e zaho nivanga betsa.

Fiteny antaisaka:
Akory charo.Akorabcha chalahancha cha nareoabcha skorabcha.

Antakarana:
karakory tsika jiaby e

Sakalava:
Igno jijinao

Mety diso ny fomba filazako azy fa mba miezak\'ezaka eny aho.
Tiako aloha ny mianatra ny teny samy malagasy e.Sady mahafinaritra koa ny mponina any amorontsiraka.
Tena tsapa fa manana harena kolotoraly isika.Tena hita koa fa midadasika i Gasikara.Tsy misy atahorana hiady tany.Teny \"fière\" ny fananan-tsika 18 foko aho.Tena hafa kely isika malagasy.

Mandrapihaona o.:wink::D:D:D
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3106