TENY SY SORATRA MALAGASY

1. naharyhaingo ( 27/06/2005 14:05)
Manahoana e!
Efa nahavita "Chiffres et lettres" teny sy marika @ teny malagasy aho fa ny voambolana malagasy no tsy ampy ato amiko koa raha mba afaka manome ahy voambolana malagasy ianareo dia tena namana tokoa. Fa ny marika no efa mandeha

Mba ampio fa zavatra gasy no atao e!
misaotra nahary
novalian'i fijo ny 10/08/2005 22:17
2. hery ( 27/06/2005 14:19)
naharyhaingo> Misy tetikasa wikibolana http://mg.wiktionary.org/wiki/Fandraisana izay vao manomboka... fanangonana teny malagasy izy io ary avy eo dia fanangonana ny dikanteny na voambolana.

Angamba afaka mifanampy isika.

Andefaso hafatra aho raha misy azo ifanampiana.
3. DotMG ( 28/06/2005 07:36)
Manana voambolana malagasy miisa eo amin' ny roanjato arivo eo ho eo aho ampiasain' ny rindrankajy mpitsara tsipelina malagasy. Omeo ahy ny adiresy imailaka dia alefako any ireo rakitra misy ny voambolana malagasy.
(GPL)

4. rToukkys ( 10/08/2005 12:13)
Salama daholo e!

Hono ho'aho, inona kay ny langage ampiasainao ry naharyhaingo? Izaho koa manana projet ho fanamboarana "Des chiffres et Des lettres" amin'ny teny malagasy ka mety ho afaka mifanampy isika. Ny ahy izao eo amin'ny fitadiavana algo tena haingana indrindra izay aho vao hanangona ireo teny rehetra. Efa mampiasa algo iray ihany aho any saingy somary miadankadana kely ka tsy tiako.
5. fijo ( 10/08/2005 22:17)
milay fa mahereza e
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.5134