ambarao de lazao zay hevitrao !

1. toksijax ( 31/05/2005 07:13)
salut daholo !
AHOANA KAY NY HEVITRAO MOMBA AN'LE ANKIZY TSY AVELAN'NY RAD MANAO FITIAVANA IRENY ???????
novalian'i fijo ny 17/06/2005 04:48
2. ari.malala ( 31/05/2005 07:44)
betsaka ny antony, ohatra hoe mbola kely loatra ilay ankizy dia mety hanelingelina azy @ fianarany, na koa efa fantatry ny RAd ny toetran'ilay olona dia sakanana izy.
3. sonwin ( 31/05/2005 08:16)
Mahasoa ny ankizy zany satria tsy kilalao ny fitiavana, anarany aza hoe ankizy, milalao no mety aminy dia mianatra tsara.
4. chakkakkely ( 31/05/2005 08:54)
marina tokoa fa mbola betsaka ny ankizy tsy avelan ny rad manao fitiavana nefa kosa ange tokony andinika iany izy eh! fa maninona ny zanany no mandeha mitady fitiavana any ivelany , tsy ampy ny ao antrano matoa ny ankizy mandeha mitady any ivelany, fa ra ampy ny ao tsy andeha hitady zany izy, antony iray anaovan ny ankizy fitiavana io ,
fa nefa koa ange rehefa sakana io dia vao maika manao le ankizy eh! ka tsy aleo ve tsy sakanana fa avela izy anao fa saingy arahana maso fotsiny, zay alo ny hevitro eh!
5. ainaheri ( 31/05/2005 09:01)
D teneno lay rad we fa manin aho no tonga teto ra tsy nisy zany fa ty tena nareo!!
6. pika ( 31/05/2005 09:23)
ilay hoe tsy ampy ny fitiavana ao an-trano angamba tsy tena miombonkevitra loatra ny tenanay
marina kosa anefa ilay hoe rarana be farintany ny tokony ataon'ny rad dia ny mifampidinika @ zanany mampahafantatra azy ny mety ho vokan-dratsin'io milalao fitiavana io indrindra raha mbola ankizy raha teo mampiseho oh raha azo atao tsy ilaozan'izany azo atao oh eo @ fm
7. ari.malala ( 31/05/2005 09:30)
tsy resaka fitiavan-tena ary tsy resaka tsy fahampiana fitiavana. Lalànanan'ny natiora ny fitiavanafa saingy mila dinihina tsara aloha hoe olona mba efa responsable ve no manao fitiavana. Ohatra, ankizy manomana fanadinana nefa tsy mianatra mintsy fa variana mampiaraka na collé eo ambody telephone foana ny sofiny, tokony mbola havela ihany ve zany? Na koa ohatra hoe isan-kariva de @ 6:30 fara fahatarany no fodiany fa vao nanao sipa izy de lasa tsy mody raha tsy @ 8 alina na mahery aza, dia mety ve zany?Hoy i chakkakkely oe "
avela izy anao fa saingy arahana maso fotsiny
dia hoy aho mamaly, ny ankizy @ maha ankizy azy dia ny mifampitantara ny zavatra heveriny fa marina aminy sy hainy nomahaliana azy, ka ankizy tsy manana experience @ resaka sexualité ve no havelanao hanao izay saim-patany dia ianao hanaramaso dia hanjary ny fiainany?! asa moa!!! tsy mahagaga raha betsaka ankehitriny ny ankizy simbasimba foana sy manarinary zanaka!
8. booboo ( 31/05/2005 09:49)
Lé "manao fitiavana" ve oe "manao sipa" sa manao inn ?
9. hery ( 31/05/2005 10:08)
Ilay ankizy (raha tena ankizy) dia tsy atahorana loatra amin\'ny resaka fitiavana satria tsy fantany akory izany... ny olana, izay mahatonga ny ray amandreny hisakana, dia ny olona manararaotra ny maha ankizy an\'ilay ankizy. Tandremo mety azo lazaina hoe ankizy eto ny olona izay mbola tsy mahalala na tsy mihevitra na inona na inona momba ny fitiavana (na dia efa be taona ihany aza) dia sendra ireo namana izay efa lasa lavitra.
Rariny raha misakana ny ray amandreny raha izany tokoa no mitranga... satria tsy fantatr\'ilay \"ankizy\" akory... mbola tsy tonga amin\'izany ny sainy.
Fa raha efa manomboka vonona amin\'izany indray ny vatany dia anjaran\'ny ray amandreny ny mandray anjara amin\'ny fanabeazana azy haingana dia haingana mba tsy ho songonan\'ny télé sy ny naman-dratsy.
10. maditra ( 31/05/2005 17:43)
Angamba raha hoe fitiavana fotsiny (sentiment tsy misy acte sexuelle) dia tsy tokony ho rarana. Avelao izy mba hitia. fa ny rapport sexuel (azafady fa maivamaivana kokoa ity teny ity amin'ny teny vahiny) no tokony hanarahana maso azy, araky ny namana etsy ambony. Izay angamba no hevitro e. Anarina fotsiny izy hoe tsy mety aminao izany firaisana alouhan'ny fanambadiana izany ka miandrasa kely kaloungany.
11. dadabe ( 31/05/2005 18:30)
hono hoa ry zareo ,mba farito tsara hoe le taonan'ny ankizy ???? le intervall zany e
12. welie ( 31/05/2005 19:41)
Fa izao marina an!

Ny fiarahana @ olona (rehefa we mbola ankizy mou izany e) dia tsy voatery hoe hanelingelina ny fianarana akory... Eny mety tsy ho maro fa na izany aza.. misy ny ankizy vao maika marisika hazoto hianatra.... Tena misy io fa tsy hoe mamorona an! :-P

maditra> Ary ianao zany tena hendry be ka! :-)

Izay mihitsy! Ny fitiavana en tant hoe sentiment dia inoako fa tsy hisy olona afaka ny hanakana izy io aloha, eny fa na ny RAD aza... Fa eo @ lafiny firaisana indray dia izay no ilana ilay fifanankalozan-kevitra eo @ RAD sy ny zanaka...

13. fijo ( 31/05/2005 22:57)
fitiavan'ny RaR izany ka dinio tsara aloha fa tsy hoe ireo ko olona tranainy tsy maharaka revy.
14. sasa ( 01/06/2005 05:25)
za klou fan's club an'i frera klé, rehefa ankizy dia aleo sakanana mintsy fa manimba io fitiavana io raha mbola kely loatra.
15. fijo ( 15/06/2005 04:39)
izay mantsy.voatavo manta ve hoanina le
16. sasa ( 15/06/2005 05:02)
fijo marina lesy ny an'lah klé, aleo ihany mihinana le efa matoy e
17. fijo ( 15/06/2005 21:28)
iny tsy misy saosao ka aleo iny fa raha ihinana zavatra ahitana loza ve tsy aleo hipetraka le
18. mamzelkely ( 16/06/2005 07:22)
io kosa alo mila fantatra we firy taona zany ankizy zany e!! araky lay tenenin dadabe io satri anie enao am RAR mety ho ankizy fôna e!!! tena misy mantsy ny RAR mi-refuser we mihalehibe ny zanany!!!
19. bibioul ( 16/06/2005 07:43)
Tonga am lay fotoana fandrosona isika malgas ka betsak n ts mazak stria manana ilay soatoavina hajaina, tsar izany nef da ts tana tsony :-Diz ty e!?
20. mamzelkely ( 16/06/2005 07:46)
inn ny tsy tana tsony ry bibioul!!!:roll:
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.355