Mifangaro ny volana sy ny volana

1. xxx ( 29/04/2005 22:09)
Lasa ny eritreritro hoe:ahoana no ahafantarantsika ny mahasamihafa ny teny hoe "volana" (volana fenomanana)amin'ny teny hoe "volana" (tsy mivolana)?Teny iray ihany ve ireo fa ny "contexte" no manavaka azy,sa teny roa samihafa tanteraka hatrany ampihandohana?Ahoana ny hevitrareo?
2. maditra ( 29/04/2005 22:18)
Samy hafa be mihitsy ireo ary ataoko fa hatramin'ny voalohany mihitsy. Any aminay any (Tamatave Avaratra) tsy mampiasa "miteny" izany izahay fa "mivolagna" fotsiny no fampiasa ary ilay "volana" (lune) dia "Davolagna" no filaza azy, fa ny mois no "volagna" tahaka ny volana ihany amin'ny teny ofisialy. Na mamaky boky na miresaka, tsy tokony ho sarotra mihitsy ny hanavaka an'ireo raha tsy hoe vahiny angamba.
3. tafita ( 01/05/2005 19:09)
xxx:

Lasa ny eritreritro hoe:ahoana no ahafantarantsika ny mahasamihafa ny teny hoe "volana" (volana fenomanana)amin'ny teny hoe "volana" (tsy mivolana)?Teny iray ihany ve ireo fa ny "contexte" no manavaka azy,sa teny roa samihafa tanteraka hatrany ampihandohana?Ahoana ny hevitrareo?



Ny hevitro ry tsy lazaina fa XXXXXXXXXXXXXXXXX dia izao : Ho anay Betsileo dia mazava io teny roa io fa hoannareo no tsy haiko . Ny volana = LUNE
ilay hita mazava amin'ny alina indrindra rehefa feno manana iny izy dia boribory tsara sady mazava be. Ny volagna = resaka , na teny ambara . ka io gna na gne io mantsy no tsy hainareo avy amin'ny faritra hafa ka tsy nahagaga raha tsy hainareo ny manavaka ny volana sy ny volagna .
Merci ry tsy fantatro fa XXXXXXXXXXXXX fotsiny
4. sipagasy ( 01/05/2005 20:27)
misaotra anao tokoa ry tafita, izany kosa aloha dia mba nianarana tany am-pianarana kilasy faha 5 e!(T5) izany ka tsy haiko na ahoana ny fianarana @ izao fotoana nga tsy misy MALAGASY intsony ny taranja atao any an-dakilasy??????? gagagaga ihany aho mantsy e!
5. Merinaforever ( 02/05/2005 11:07)
Marina fa mitovy fanoratra ny volana (lune) sy ny volana (parole) amin'ny teny Merina.Fa ny fanontaniana tsara apetraka anavahana azy dia ny hoe:inona ny fototeny avy amin'ny teny hoe:volana (lune)? Ny valiny dia ny hoe "VOLA" ka nahatonga ny teny hoe "volavola".Fantstsika fa ny Ntaolo rehefa nitondra vatsy izy satria handeha lavitra ohatra,dia nitondra vary nobolabolaina ka nantsoiny hoe "volavola".Boribory izany ny vola.Naninona nefa no lasa hoe "volana",izany hoe notovanana "-ANA"?
Mba ahazahoanareo azy tsara dia diniho ity teny iray ity:=VOLO.Rehefa tovanana ANA izy io na INA,dia lasa hoe VOLOINA.Dia lasa hoe misy volovolo ny dikany.Milaza fisiana,na toetra izany ny fanampiana azy tovana ANA na INA. Ohatra hoe "somorina",na "taimbodiana" sns.
Toy izany koa ny firafitry ny teny indonesia hoe "RAMBUTAN":ilay AN farany dia milaza fisiana ihany koa=misy ramborambony na volovolony.Tsy inona akory io rambotan io fa ilay antointsika hoe "letchi Sinoa".Ka toy izany no nahatonga ny hoe VOLANA"(lune) satria boribory toetra.Ny foto-teny eto izany dia VOLA.
Ny VOLANA (parole) kosa dia efa foto-teny tanteraka,misy ifandraisany amin'ny teny Indonesia hoe BILANG.
Ka samihafa mihitsy ny BOLA sy ny BILANG,toy ny mahasamihafa ny VOLA sy ny VOLANA.Ny ANA farany amin'ity VOLANA (parole) ity dia tsy tovana tsy akory.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3994