Ny Razantsika hendry ..........

1. tafita ( 14/01/2005 10:04)
Tsy hoe hanao ny hira fanao any am-piangonana akory aho fa nahatsiaro zavatra iray izay raha naheno io hira io de ity.
Ny Ntaolo Malagasy de lalim-pandinihana hoatra an\'i solitika ( vazol ) izay. Ka rehefa nandinika izy ireo de nahatsapa fa misy zavatra telo tsy afaka misaraka ao @ olombelona :
vatana , saina ( ireo ny anankiroa ) fa le fahatelo kosa de tsy nomen\'ny zareo anarana satria tsy tena azo faritana marava hono , hany ka nataony hoe . ILAY AMBIN \' NY ANAKIROA ( Izany hoe ilay sady tsy ny vatana no tsy ny saina ) fa ambin\'io roa io. Ka dia io no lasa fitenny mandraka ny ankehitriny hoe AMBIROA ilay lasa any AMBONDROMBE hono araka ny finoan\'ny sasany koa ...
Ahoana ny hevitrareo ....
novalian'i Ramaso ny 05/02/2005 06:07
2. sechat ( 14/01/2005 10:18)
lasa ambiroa am\'zany eo a an! :-D :-D
3. maditra ( 14/01/2005 13:15)
Efa henoko tany amin\'ny taranja malagasy nataonay tany amin\'ny lycee io resaka ambiroa io. Fa io ve no adikantsika ho fanahy sa tsy misy ny fanahy?Satria toa tsy voatanisanao manko ny fanahy izay zavatra iray lehibe misongadina amin\'ny filozofia malagasy!
4. ( 14/01/2005 21:23)
Ara-pilôzôfia dia hendry ny razantsika. Hita amin\'ny hain-teny, ny ohabolana sns izany. Kanefa tsy dia nandroso loatra ny firenena fa toa resaka zava-boahary sy fiainana any ambanivohitra foana no voalaza any amin\'ireny haisoratra ireny. Tsy vao amin\'ny androntsika izao koa no anjakan\'ny doron-tanety sy ny fanimbana ny zava-boahary.
Ilay ambiroa indray dia zavatra tsy hita maso sy tsy azo tsapain-tànana ohatry ny vatana sy saina. Araka izany dia tsy mazava izy io, betsaka ny azo iantsoana azy ary mampatahotra aza indraindray. Ny avelo ohatra dia toy ny zavatra mamelovelo, izany hoe tsy hita maso, mety ho matoatoa aza.
5. yrhinas ( 15/01/2005 06:38)
zava- pady loatra ho an\'ny olona ny momba io ara-panahy io , ny mbô tiako lazainy de hoe mila hery sy tendry manokana avy @zanahny olona iray vao afaka hikaroka ifotony ny momba ny fisiny sy ny fiainany , ny eken\'ny maro anefa de misy ny fanahy ratsy ary misy ny fanahy tsara , mety hitombina tokoa zany anjoanjo zany , fa misy efa hatry ny elabe raha @ malagasy manokana ny atao hoe mpampita hafatra , tsy haiko lôtra ze fomba iantsoana azy fa ny azo ambara de hoe voafidy manokana izy ireny ary zanahary no mifidy azy ary tsy ny olon-drehetra no fidiny fa misy taranja manokana sy fomba hanendreny azy ka mino aho fa hisy @izy ireny ho voatarika ho namana ka hifanerasera amiko sy aminao kou...de zay fa isaorana ny nanome aina ...
6. fijo ( 17/01/2005 23:00)
ilay tsy milaza anarana,tsy milaza ny mpanoratra hoe nandroso ny ntaolo fa hendry.ary marina fa hendry sy tena nahay nandinika izy.
ny fandrosoana lazainao indray.izao ve no atao hoe fandrosoana?????
7. ikaretsaka ( 18/01/2005 04:31)
eny hoa
8. booboo ( 20/01/2005 12:12)
x matotoa tsy mitonana anarana>tsssss, ny ambiroa ao @ vatanao ihany fa ny avelo sy ny tariny hafa mitsy kouh
9. fijo ( 20/01/2005 23:33)
azavao booboo an
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2152