Ny kabary nataon Ingahy Rajemison Rakotomaharo v tena tsindro paingotra sa kosa mba entina hilazana fa misy ihany ny olona mahay miteny mahitsy amin ny Filoha ?

1. ravatorano ( 10/01/2005 09:34)
Maro ny olona no gaga sy tena variana tokoa tamin ny kabary izay nataon Ingahy Rajemison Lehiben ny Antenimieran doholona na ny Sénat.
Ny antony dia ny nolazainy fa tonga izao ny fotoana hampiasana izany volabe nolazain ny Filohan ny Nosy izany.
Tsarovy fa nilaza Ingahy Ravalomanana fa ny vola betsaka fa ny ampiasana azy no tsy misy koa dia naverin ny Lehiben ny Sénat izany.
Nolazainy teo koa fa misy olona toa tsy vonona eo amin ny fitantanan draharaha eo amin ny ministera satria toa mitavozavoza ihany eo amin ny fanapaha kevitra ka aty amin ny vahoaka no mijaly sy iharan izany rehetra izany.Nanainga ny filoha ary izy mba hijery akaiky ireo izay \"\"tsy mahavoa\"\" eo amin ireo minisitra ireo mba tsy hanana hena maso amin izy ireo ny Filoha fa ho sahy handray andraikitra haoloizay tsy mahavita ny asany.
Atraoko fa mbola tsi nisy mpitondra andrim panjakana na dia iray aza teto Madagasikara sahy namaky bantsilana ny tsy mety ataon ny fitondrana sy ny aro fanina tokony hapetra amin ireny kabary ireny.
Amitsika v nety ny nitenenan Ingahy Rajemison an ireny resaka ireny ampahibemaso teo ?
ravatorano
novalian'i xxx ny 15/01/2005 20:33
2. tafita ( 10/01/2005 09:52)
Tena misaotra ravatorano, fa tsara be ny resaka nataonao. Ho ahy aloha de anisan\'ny fototra iray tsy mampandroso ny Firenena Malagasy de ny resaka akama akama , hany ka misy ny henamasy de tsy miseho ny marina sy ny hadalana ataon\'ny ao ambonimbony ao. Tena midera ny fahasahian\'ny Pdt senat aho , izay mampiseho fa an-dalana ny democrasia ary izay ny fanantanterahana ny filamatra hoe FAHAMASINANA sy FAHAMARINANA , saingy misy zavatra mbola tsy ampy ao @ Prdt Senat raha io resaka io.
3. tsiperifery ( 10/01/2005 10:08)
Azo isain-tanana ny olo-manan-kaja any Dago \"mahazo alalana \" manao tsindro-paingotra toa an\'Ingà Rajemison any Mkara. Tsy entiny hanamelohana fahatany ny governemanta anefa izany fa zava-misy. Sady fangatahana ny azy no fampitandremana . Fahasahiana tokoa satria sady niala ny fiteny an-kolaka mahazatra ny Malagasy izy no nifidy vanin\'andro lehibe hanaovana izany mba ho henon\'ny mpiray tanindrazana maro . Antenaina fa hampifoha bebe kokoa ny mpiandraikitra samihafa izany fa tsy resaka hanaitairana fotsiny
4. watafon ( 10/01/2005 10:27)
Amiko aloha de sarimihetsika ihany ireny e! sarotra ange ny miteny ohatran\'ireny e! indrindra fa zavatra efa niteraka resa-be toa an\'iny resa-bola iny ! ary Mr Rajemison ange efa mahafantatra tsara ny filoha matoa mahasahy miteny ohatran\'iny e!
5. ravatorano ( 10/01/2005 12:15)
watafon>ka eo amin ilay resaka sari mihetsika izay no tena mahagaga sy mampihomé kely ahy satria raha izany tokoa dia azo lalaovina izany ny filoha aminao azo anaovana film toa ireny.Izaho tsy dia mino an izany ary somary mahalala kely ny toetrany aho ka tsy hanaiky an izany resaka film izany izy.Ny fantatro fotsiny dia resaka mitombina tsy azo kianina ireny fampitandsdremana nataon ny President Sénat ireny ary efa nampoiziko sa tria raha nitarika ny vahoaka ka nandray anjara kabary teny amin ny 13 Mai Infgahy Rajemison taloha dia hitako ny fahitsin ny teniny ary dia ny manandrify tsy miolaka ny azy.
Marina fa mifankahalala izy roalahy ireo dia Ingahy Ravalomanana dy Ingahy Rajemison fa tsy hanao kabary henjana toa ireny izy satria azo resahina any amin ny privé ireny maka salon na room hafa d izy roalahy rery no ao.
Amiko izany dia efa mahadika sahady fa tsy film izany iny resaka iny.
Io moa samy manana ny heviny koa dia misaotra anareo efa nandray anjara aloha eh.
6. maditra ( 10/01/2005 13:32)
Efa im-piry nisolo moa ny ministrantsika izay e!!! Amiko mety misy mahavita azy ireo ministra ireo ary be dia be tokoa, fa izao: Tsy afaka manapa-kevitra lehirony ireo ao! Tsy maintsy manatanteraka izay sitra-pon\'ny tompony izy!
Ilay kabary nataon\'ny filohan\'ny antenimiera izany ange, raha azoko tsara dia fanafenana ny tsy fahaiza-mitantan\'ny fanjakana any amin\'ny ministra e! Dia hilaza indray rehefa avy eo e: mahay ny filoha fa ny mpiara-dia aminy no tsy lasa e, izao sy izao e , katsaka sy voanjobory nataon\'ny fitondrana teo aloha ihany. Mba diniho tsara ihany ny toe-draharaha ao ry zalahy fa tena mampanahirana anie e!
7. lo ( 10/01/2005 16:08)
Tadidio fa mpiandraikitra ny seraseran\'i Ra8 tamin\'ny andron\'ny tolona 2001 ingahy Rajemison. Manana ny fahaizany manokana izy matoa namena izany andraikitra izany tamin\'izany. Ankehitriny, mafanafana ny toedraharaha satria latsaka ankaterena ny vahoaka. Mila halamina mba tsy hisian\'ny korontana, nampiasaina ndray le fahaizana miserasera mba hampitoniana ny toe-draharaha, mba tsy hivadian\'ny fitokisan\'ireo vahoaka izay efa manomboka manontany tena amin\'ny toe-java misy ankehitriny.
Nety ny nataony, fa enga anie ka tsy hijanona ho serasera fotsiny iany fa mba hampiova zvtr tokoa. Izay no irariana.
8. watafon ( 10/01/2005 16:09)
zao zany no anampiako an\'ilay voalazako ery ambony e: ka ny @ mahasarimihetsika azy indrindra ange no niresahany azy teny imasom-bahoaka e fa tsy en privé e ! amiko alou mazava be ireny e !
9. mandrindra ( 11/01/2005 17:08)
Izaho aloha dia manaika fa sady sarimihetsika ireny no fahaizan misera ihany koa. Ary ny filoha mihitsy no nangtaka iny kabary mafy iny. Rehfa tsikeraina tsara dia mazava fa ny goivernemanta no fantsiany eo sady ihany koa izy milaza fa ny filoha anie ka miasa e. Efa manakaiky 2007 koa tsy maintsy amboarina ny sary omena ny mpifidy. Pao-droa ny an\'i Rajemison, sady mapitombo ny crédibilité-ny izy no manala tsilo an-dRavalomanana. Io anie rehfa misy tsy mety dia tsy maintsy misy ny atao sorona e. Amin\'izay tafajanona eo ihany ny ekipa fa ny sôsy mitohy any ambadika foana. Adilahy politika ireny e.
10. xxx ( 11/01/2005 18:36)
Ho avy ny fifidianana,tadidio ho anareo rehetra mpandinika raharaha politika fa rehefa akaiky ny éléction dia misy ny prise de position ny politicien rehetra,io no nataon\'i présient ny sénat,hitany fa betsaka ny tsy nahomby @ fitondrana ankehitriny(iangaviana tsy hisy handa fa fait io sady réalité iainana\'ny vahoaka malagasy isan\'andro ary miha ratsy fa tsy miha -tsara akory) dia manao désengagement ny izy sady manondro hoe iza no résponsable na ny incompétant dia tsy iza fa ny éxécutifs.
11. ketoka ( 12/01/2005 07:27)
Efa ho avy ny rémaniement fa comedie daholo reny e!
I Jaques Silla mihintsy no tian-dry zalahy esorina. Mety ho soloina Syllabik ngamba
12. ravatorano ( 12/01/2005 08:49)
ka inn ary hoy ianareo no manakana an Ingahy filoha ravalomana hanala an i Jacques Sylla.
Ny resaka mandeha amin ny salon politika ireny izao dia hoe hisy remaniement amin ny zoma ho avy izao HONO averiko fa HONO io satria resaka mandeha mbola tsaho izany fa tsy tena marina satria sisosion dresaka.
Matetika anefa dia ny siosio no lasa tena izy koa anie eh fa dia ho hita eo izany.
Sa v ho comédie koa no ho avy eo .Raha halana ary i Ingahy Praiminisitra dia tokony hiala aby ireo satria Ingahy Sylla anie izao tsy d manana andraikitra firy eh fa saika Ingahy Zaza praiminisitra lefitra no tena mitantana ny bolina amin ny ampahany lehibe eo amin ny kianja ka d ho hita eo izay avoakan ity herinadro ity fa efa misasaka sahady moa izy ty
13. mandrindra ( 12/01/2005 10:15)
Izao indray ary no mab apetrako, maninona ra i Rajemison be vava teo no asaina mitantana ny raharaha raha mahay. Inona oa no tena andraikitry ny senat.
14. fijo ( 12/01/2005 23:50)
za manoka dia nahatsapa fa i sylla no efa tiana esorina.sarotra amindravalo ny hanala azy mivantana noho ny antony politika miafina,ka ny mora kokoa dia ny filohan\'ny loholona no asaina mamaky bantsilana azy avy eo andrasana raha hametrapialana izy.raha tsia dia hita mora ny hanilihana azy.
15. xxx ( 15/01/2005 20:33)
Omeko tsiny ianao ilay milaza hoe\"maninona moa ra i rajemison be vava teo no asaina mitantntana....inona moa no tena andraikitry ny sénat\",dia hita fa tena tsy azonao ny fandehan-javatra rehetra na ny toe-draharaha politika na ny andraikitry ny sénat ,sy ny NON-DITS
rehetra .Raha te hanao politika ianao dia aza atao @ fo,mais plutot la raison,dia tsy maika be manao analyse sy conclusion finale fa raha tsy izany dia classé parmis ny réaction à chaud ny opinionnao.Averiko indray, tsy nahomby ny éxécutifs,fait accompli io,tsy maintsy maneho ny heviny ny 2 chambres(assemblée nationale sy sénat)satria izay no asany manao controle sy mi-critique ny actions entreprises par léxécutif ary manara-maso ny constititionalité
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.086