ATIMY (Ravorona Iry O)

1. tamatave ( 07/08/2004 02:00)
Miarahaba ny Namana rehetra. Ao amin'ny pejin'ny Serasera Tononkira dia misy lahatsoratra fohy mikasika an'i mpihira ATIMY izay namorona ny hira atao hoe RAVORONA IRY. Mba iangaviana izay manan-ko lazaina fanampiny mikasik'io tarika ATIMY io mba hampiditra izany, fa tena mahaliana ahy mihitsy ry zareo ireo.Mankasitraka sy misaotra mialoha anareo rehetra. Raha azo atao koa ny hifampiseraserako mivantana amin'ilay Namana nandefa io lahatsoratra io dia hisaorana azy.
Tam
novalian'i tamatave ny 07/09/2004 05:20
2. malaky ( 07/08/2004 10:00)
Manaon'nareo raolll
ny nampiditra ny mombamoba ny tarika atimy dia namana iray tany Maurice tany fa efa eto madagasikara izy amin'izao fotoana izao saingy any amin'ny toerana tsy misy internet no miasa saingy mandalo matetika eto tana ihany!! ny nampiditra ny tonokira Ravorona iry indray dia ny tenako!! saingy tsy dia ampy fahalala betsaka ny amin'ny tonokira fa ny tarika kosa d fantatra tsara!!
3. malaky ( 07/08/2004 10:05)
Fa nareo ma iza raol raha tsy mahadiso?
4. ludo ( 15/08/2004 07:36)
Mba tiako tadiavina koa lay mpihiran'ny
Hiombompitia aminao aho ra toa sitrakao
hisedra sy hamakivaky zao fiainana zao oo
ra toa ka ianao no hitantana ny_ diako
ny tokantranoko no zary hasambarana

D atreo fotsiny no haiko mba efa nanontany iany aho fa tô we Mr Razafy no mihira azy
d ny titre ka ra sendra misy
mahay ny tonony azafady mba ataovy ao @
tononkira saotra anao @ fiaraha-miasa!!!

5. tamatave ( 27/08/2004 05:16)
Misaotra an'i Malaky, ary ialan-tsiny raha izao vao afaka namaly. Te ahalala be be kokoa momba io tarika io aho saingy efa ela ihany moa izay ka dia vitsy angamba ny olona mahatadidy azy? Io hira Ravorin'Iry O io dia nankafiziko mihitsy tamin'izany fotoana efa elabe izany, kanefa tsy manana K7 mitahiry azy aho, ka maniry koa aho raha maniry ny mba ho afaka hihaino io hira io indray raha sendra misy manana ny K7-n'izany isika Namana. Asa ianao angamba Malaky mety mahita ny azo hatao amin'izany? Misaotra mialoha.
P.S.: Raha mbola misy zavatra (sary, lahatsoratra,tononkira, ets.) azo ampiana mikasika ny ATIMY dia mba ampidiro e! Misaotra antsika jiaby
6. malaky ( 28/08/2004 14:39)
Ny K7 klou misy fa ratsiratsy ny fandraisam-peo eh satria fampisehoana nataony tamin'ny taona 1978 tao amin'ny CCAC niaraka tamin'ny mahaleo no nakana azy . Tamin'izany ilay izy mbola bande manetika de tato afara vao nadika tamin'ny k7 ary tsorina fa ratsy d ratsy ny feo. Manaraka izany dia mbola ry zareo tarika ihany koa no manana an'io d za mindrana rehefa hihaino; ny sary koa misy bdb any fa ry zareo ihany no manana azy ary mbola ifampiresahana aminy angamba vao ampidirina ato ny sary , ny tonokira sasany koa mbola angatahana any fa tsy dia mahay loatra ny tenanay!
7. tamatave ( 31/08/2004 15:59)
Misaotra an'i malaky indray.
Fanontaniana kely raha tsy mahadiso: manana fikasana hamoahana CD mirakitra ireo hirany taloha ireo ve ry ATIMY. Ny tenako mantsy aty lavitra (Amerika Avaratra) ary mino aho fa maro ireo olona nankafy an'i ATIMY no maniry ny hanana ireo hira ireo, na any an-Tanindrazana na aty ivelany. Raha mba azonao ampitaina dia isaorana mialoha, ary raha ilaina ny fiaraha-miasa amin'izany tanjona izany dia vonona aho.
Mankalaza
8. malaky ( 06/09/2004 07:55)
Misaotra an'i Tamatave amin'ny finiavana!!
Izaho izay mamaly moa dia zandrin'ny iray aminireo ao anatin'ny tarika!!. ka ho resahana amindry zareo anagamba aloha ny proposition apetrakao dia ho hita eo ihany izay ambarany!! mifanintsy amn'io resaka efa narosonao io ihany fa efa misy vitsivitsy izahay (Zandry sy zanaky ny tarika) no maniry ny hamelona sy hanao fandraisampeo ny hiran'izy ireo fa mbola eo ampandinihina azy eh!!
misaotra eh!!!
9. tamatave ( 07/09/2004 05:20)
Malaky,
Tsara izany fikasananareo izany fa tsy very ny lova sarobidy. Mirary soa sy fahombiazana, dia miandry vaovao avy aty aminareo tsy ho ela.
Tam
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3388