hira mampitomany

1. angie ( 08/06/2004 07:47)
asa ianareo raha mba mitomany indraindray reheffa maheno hira tianareo. za misy fotoana tsy afaka mihaino hira gasy mihintsy any an-trano fa mitomany be aho, malahelo na an' i neninay, na Dago tsotra izao. aty ampiasana ndray za mandeha foana ny RVG dia tsy maninona satria be olona foana ato.
novalian'i angie ny 16/06/2004 07:30
2. chipie1 ( 08/06/2004 08:04)
surtout raha hirampivavahana no tena mampirotsaka ny ranomasoko akia ...
3. angie ( 08/06/2004 08:06)
Ny ahy koa fana hira hafa aza ka, ohatra kalon'ny fahiny, hira @ reny fety samy hafa ireny. Ny loza dia tena mila ho safotra za rehefa mitomany hany ka aleoko mivoaka ny trano.
4. chipie1 ( 08/06/2004 08:13)
eeee! za kou misy fotoana otrizay fa atao aona mou ...
5. ari.malala ( 08/06/2004 09:07)
ny tena mahakamo d le lazain'ny ol fa ohatran'ny adala hono, za koa manko mpanao an'izany
6. oully ( 08/06/2004 09:22)
Noheveriko fa zà rery ry reto no manao an'io kay mba misy namana ihany zà. T@ zà vao nisaraka tamin'ny tao an-trano sy ny namana tiana, dia tena vaky mihitsy ny fo rehefa mihaino ireny hira ireny, indrindra moa lé hira niharahana nihaino sy notiavina ireny ... dray!!! dray!!! dray!!! dé aleo mitsoaka araka ny tenin'i Angie....
7. betty ( 08/06/2004 09:36)
Asa fa zah angamba hafahafa nohony rehetra fa nenah de tsy miheno mintss de @ zay tsy malahelo sinon de alahelo lava eo :)
8. angie ( 08/06/2004 10:37)
ka ny loza ange raha tsy mihaino indray za dia manjary tena lasa malahelo e satria lasa tsy misy fotoana mba hampiasaiko an'io teny gasy io intsony.
9. angie ( 08/06/2004 10:41)
za zao mba faly fa misy ankizy gasy maro2 miaraka mankeny @ mer dia mba mikalokalo sy manao vitsily ary lay kilalao gasy rehetra taloha ireny milay be an. Asa raha hainareo lay hira hoe ravimbomanga nasiana menaka matsiro a zoom... milay an
10. nikopol ( 08/06/2004 12:17)
Tena vehivavy marina ianareo. Na izany aza tohizo fa mahafinaritra izany vehivavy mitomany izany.
11. ravatorano ( 08/06/2004 12:44)
betty>ka raha sendra mandeha mamangy ny namana ohatra ka mandefa hira ao izy de tsy hihaino v ianao.Raha ilay akamako izay aloha dia tsy hanaiky an izany e , tsy hihaino hira hiaraka aminy izany ianao sa ahoana sikksse.
Aty Dago aza ianao raha sendra ka manao mission na tafajanona any antoerana lavitra ny misy anao ka mahare ny hira mampanembona ireny mitoreo mihitsy ka voa maika fa any aminareo any ampita any
12. donemaskit ( 08/06/2004 13:00)
tsy mbola nitomany zah aloha e, fa ny anisany saika nampitomany : Alicia Keys, "If I ain't Got You", en live ! milay bé !
13. kitjo ( 08/06/2004 13:21)
aoka re ry done an, hay namanay enao raha iny zany,
araho kely an le Vanessa Carlton "Thousand miles" ange d ireo mifanarakaraka ao @ "hira slow" ireo e

Fa ny nampitomany ahy koa dia ilay "Ny taniko"- Mahaleo , tena oh te hanidina be ho any Dago zany
14. samoina ( 08/06/2004 13:46)
" Après toi " -Vicky Léandros .
Efa elaela io ka mety efa any @ archives . Mangorovitsika mintsy za mandre an'io fa tsy latsa-dranomaso alou e !
15. ramoul ( 08/06/2004 13:48)
itovizana mintsy io hira mampitomany io ry kitjo.
Tena tsy mahatombina mintsy zah rehefa maheno an' io ira ray io aty fa malahelo be an' ilay zoky malala zay mbola any Dago lavitra ahy any
16. kitjo ( 08/06/2004 13:58)
ramoul> f aona no atao oe mbola any Dago fa tokony mankany aminao dol anga nareo kosa?

d ataovy mora2 ihany sao mihevona izy,iihiih

fa tena mampalahelo aloha io hira io e, tonga saina kely mitsy aveo!
17. yonikafopl ( 08/06/2004 18:27)
za ndray ry reto dia tena mafy fo , fa vao nanomboka maty dadanay 2 ans lasa zay dia nisy hira nataony foana hono nandritra ny herinandro talohan'ny nahafatesany sady nadondona rindrina izy, hiram-pivavahana izy io , mbola vaovao tamiko fa izao efa haiko tsianjery , fa tena mampitomany ahy mihintsy.Sady tsy mba nahita azy akory mantsy aho, dia ilay hiran'i Raberanto iny koa ouiiiiinnnnnnnn
ilay Dada malala moa ny titre???
Fa za nefa tsy mba mpitomanimany izany taloha fa mitsikitsiky foana aho na dia malahelo aza fa 2 ans izay mila tsy ho resiko ny alahelo rehefa maheno ireo hira ireo aho.
18. fijo ( 08/06/2004 23:27)
iza moa no tsy malahelo aty lavitra aty e?ary samy manana io tsiahy kely mampanembona io?saingy ny sipa mora latsadranomaso fa tsy midika akory izany fa isika tsy mitomany dia tsy lasa saina ihany koa.ny ahy rehefa maheno ilay hiran'ny mahaleo hoe hanaraka anao iny aho no tena mahatsiaro ny reniko.
19. chipie1 ( 09/06/2004 06:01)
za tam vao tonga taty nanao otrany i betty io. Fa refa ela ny ela niova e!
tsy maintsy ao fôna ilay fahatsiarovana kely!!
20. angie ( 09/06/2004 07:32)
Za kou t@ vao tonga taty tena malahelo foana dia mitomany foana ary tena te hody mihintsy, tena lasa narary foana za. Hafa ihany zany any dago zany. Na i neninay aza niteny hoe mody raha tsy tamana fa tsy maninona. ny tena nampalahelo ahy dia lay lasa lehibe ho azy satria tsy misy mpikarakara intsony sy hiantahantana fa dia miady mafy @ fiainana. Raha tsy nody nanao vacances tany Dago voalohany aho tsy afaka io fijaliana mafy io.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1568