Harry Potter ...

1. bichette ( 02/06/2004 07:48)
Anisan'ny tantara tena mahaliana tokoa ny tantaran'i HARRY POTTER, na ny ankizy tsy mpamaky boky aza lasa tena tia mamaky boky (bokin'i HARRY POTTER). Inona no mba hevitrareo amin'ny resaka "sorcellerie" ao anatin'ilay tantara ??? tokony fadina ve ireo zanantsika tsy hamaky i boky io ? moa misy fiantraikany ve amin'ny ara-panahy ???? misaotra anareo maneho ny hevitra
Bichette
novalian'i samarina ny 18/06/2004 13:58
2. librepenseur ( 02/06/2004 08:37)
Tsy tokony hisy famerana izay maniry hijery fa ny hafa misy herisetra marobe aza azon'ny rehetra jerena koh !

mikasika ny ara-panahy indray dia izao :
1) avelao hijery izay té hijery fa hilaina ny fahafantarana ny zava-nisy na dia film aza. Anjara sy adidin'ny lehibe kosa ny manazava tsy misy fitongilanana (izay ilay fanabeazana).
2) izaho tsy afaka hanavotra ny fanahinao, ianao tsy afaka hanavotra ny fanahiko, toy izany koa ianao tsy afaka hanavotra ny fanahin'ny olona rehetra, fampisainana sy fanabeazana amin'ny tokony ho izy no hilaina satria ny olombelona dia vatana (matière) aloha vao fanahy (esprit).
3) Raha manambady ianao dia vatana aloha no vadianao vao fanahy. raha miteraka koa ianao dia vatana no haterakao fa tsy tonga dia fanahy. ny tiako lazaina dia izao : i Harry Potter dia zazalahy mpianatra sorcellerie. Ny fototr'ilay sorcellerie no tokony hazavaina sy halalinina hahafantarana ny tena izy na ratsy na tsara, ny vokany, ny fahazoana azy, ny fihaviany, sns...
4) ilaina ny mahafantatra zavatra maro (culture générale) fa manjary mitompo teny fantatra sy mihaino lakolosy tokana ka mampitongilana fomba fijery
3. booboo ( 02/06/2004 12:49)
ekena !
4. ikaretsaka ( 02/06/2004 13:17)
ny cinema rehetra dia natao hialana voly sy hanitikitika ny saina na genre inona io na inona ary ny fahaizan'ny mpanoratra amamorona ireny zavatra manaitra ny mpijery iireny no maha art sy maha tsara ilay izy.. resaka mosavy (sorcellerie) no hitan'i JK Rowling fa manirikitika ny sain'ireo tia izany dia izay ny nataony..
ny hafa dia miankina @ tsirairay
5. mumu ( 02/06/2004 13:21)
za alou nahita an'ny 1 sy 2 de ande hijery ny 3 za zao!
6. bichette ( 02/06/2004 14:17)
Misaotra anareo naneho hevitra ! misy manko ny olona sasany dia mandrara tanteraka ny zanany tsy hamaky sy hijery io tantara io ka araky ny voalazanareo dia arakaraky ny tsirairay ....
7. ikaretsaka ( 02/06/2004 19:06)
iny indray dia safidin'ny tirairay
8. tsilan ( 03/06/2004 15:16)
Salama
Io no ataoko teny foana amintsika afrikanina hoe : " Mahavariana hoy aho fa ny mpamosavy aty amintsika dia haratsiana foana. Nefa ny an'ny vahiny atao harentsaina ireny ary entina mitaiza ny ankizy amin'ny alalan'ny boky angano, ny sinema. Iza no tsy mahalala izany Ninja izany sy ny hery ananany rehefa mijery sinema sinoa? Iza no tsy te-handre ny tantaran'i Chaperon rehefa miandoha kely izay?
Efa mba nanomboka ihany isika tamin'ireny Kintana Mainty ireny. Saingy toa sarona ihany ny farany.
Tokony mba trandrahana amin'ny hatsarany ny zava-misy eto amintsika.
Jereo kely hoe atao sinema izany dahalo enjehina izany, dia mitsoka moara fotsiny dia manjavona. Na izany Dahalo Ravelo be izany, nenjehin'ny olona dia niafina tao anaty rano, kanjo novain'ny odiny ho voay. Tena mba milay raha izany no lasa film an
Asa aloha eh
9. fijo ( 03/06/2004 23:29)
momba io fihevitr'i tsilan io aho,fa isika dia manaratsy foana ny an tsika.ohatra akaiky ny rhum gasy sy toaka gasy,izay henjehana sy haratsiana ery,nefa aiza ny fankafihazan'ny olona azy aty???
10. bichette ( 04/06/2004 06:08)
Ny mpams any amintsika kosa anie ka tena masiaka e ! tena mampatahoatra be mihitsy ry zareo. Asa ianareo raha nahatsikaritra izany, tena fadiranovana mihitsy indraindray rehefa mandalo fasana amin'ny alina indrindra any ambanimbanivohitra fa mamely hono ny mpamosavy, ny mpams any ampitandranomasina ve dia manao toa izany koa ????? ny mpams ny an'ny vazaha asaina amin'ny plateau de television mihitsy hatao interview, ny mpams gasy ve dia azo atao izany ? koa tsy ianao indray no asiany ody ??? hi hi hi hi
11. librepenseur ( 04/06/2004 11:01)
bichette>

ilay mpams notantaraina taminao ihany no fantatrao, ary mbola ilay mpams natoro anao haratsian'ny baiboly koa no azonao antsaina.izany hoe tsy tena mahalala ny momba azy ireny ianao fa araka izay fahafantaranao sy nampahalalaina anao fotsiny.

tiako anefa ny hilaza aminao fa ny kristiana no tena nandripaka azy ireny nanomboka tamin'ny expansion du christianisme tany europe. izy ireny koa anefa dia nahavita nitsabo aretina, nanasitrana marary, nanao fahagagana maro kanefa dia noringanin'ny kristiana. inona hoy ianao no antony ? valiny: vola.

anjaranao ny mieritreritra...
12. jhouhlambout ( 04/06/2004 11:11)
Film fotsiny io e! tsy misy hidiran'ny religion sy ny sisa......
13. methode ( 09/06/2004 23:42)
Ka finoana daholo na ny finoana kristianina na ny finoan'ny mpamosavy ko!! Fa anjaranao no mifidy hoe finoana ny hery tsara sa ny hery ratsy no tianao (Azafady fa tsy hery ato amin'ny serasera io fa izy bogosy an). Fa raha vao resaka hoe mpamosavy dia resaka fanimban-javatra foana izay!! Araka ny reko aloha dia misy pacte avec le Diable hono! Mitovy amin'io koa ny karazana magie sasany!
14. bichette ( 10/06/2004 06:06)
Misaotra librepenseur tamin'ny fanazavana. Arakaraky ny andraisan'ny tsirairay sy ny zavatra hiainan'ny tsirairay e !
15. librepenseur ( 10/06/2004 08:02)
bichette> misaotra anao koa aho nahatakatra ny tiako holazaina
16. jhouhlambout ( 10/06/2004 12:15)
... Abracadabra.......
17. samarina ( 18/06/2004 13:58)
Ahoana no fomba hifandraisana @ Moussy très urgent fa tsy haiko mihitsy. Enao no sur fa mahafantatra + k moi, alors montre moi le chemin. Lazainy fa ao @ izany chat izany izy nefa tsy hitako ka raha hitanao izy de asaivo mi-contacter ny aty an-trano haingana. Androany ihany fa rahampitso mety efa maty.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3358