Vitres fumées

1. hery ( il y a 10 heures)
Nanjo anay tamin'ny vakansy teo, nanofa fiara nandeha Morondava, dia nosakanan'ny zandary satria fumées ny fitaratra. 
Voalohany indrindra dia na izahay ara tsy nahatsikaritra satria niala vao maraina be mbola maizina izahay ka tsy hitanay akory hoe matroka ny fitaratra sa tsia.

Tonga teo Ambatofotsy dia nosakanan'ny zandary dia tsy navelany nandeha fa hoe matroka ny fitaratra. Tsisy azo natao teo no ho eo satria deraiko kosa aloha ry zareo tsy nety nandray tsolotra na dia nanatona toa ny mahazatra aza ilay mpamilinay. Tsy fantatro izay antso nataon'ny tompon'ny fiara sy ny tany ambony tany fa afaka 45 minitra dia navela nandeha izahay.

Fanamarihana vitsivitsy fotsiny:
- Raha ny fahitako ilay matroka amin'ny fitaratra dia efa hatrany am-potony. Izany hoe tsy vao napetaka taty aoriana akory.
- Tokony nosavaina fotsiny ny olona tao anatiny sao dia mety mampiahiahy fa tsy ny fiara no noterena hijanona tsy fantatra izay antony.
- Ny tena ilàna ireny fitaratra matroka ireny, indrindra amin'ny toerana misy masoandro be toa ny any Madagasikara, dia mba hiarovana ireo mpandeha amin'ny mety ho fandoroan'ny masoandro.

Ho an'ny eto Frantsa
- Ny fitaratra aloha azo takonana 70% ny hamaiziny
- Ny fitaratra aoriana azo takonana tanteraka rehefa misy rétroviseurs havia sy havanana.


© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.3005