Fetim-pirenena 2026

1. hery ( il y a 15 heures)
Nilamina kosa aloha ny fankalazana ny fetim-pirenena tamin'ity 2026 ity e. Hita hoe miramirana ny olona na dia mbola mahantra aza.
Nisy ny fanentanana hoe hanangan-tsaina isaky ny tokantrano fa tsy nisy ireo olona niteny hoe izahay tsy hanangana sns, tahaka ny taona faramparany nisesy teo.
Nisy ihany ny nitsikera fa ny tsapa amin'ny ankapobeny dia tsy nisy intsony ny werawera.
Tena hoe natao toy ny "masontsokina ka ny kely ananana no ahiratra" ary tsy nisy intsony ny "mitomany randrana manendrika ny hafa".
Arahabaina isika tratry ny asaramanitra e.
répondu par Azrael666 le il y a 15 heures
2. Azrael666 ( il y a 15 heures)
Arahabaina daholo e! Ny mahagaga dia toy ny hoe fitondrana tsy tetezamita no eto, fa tena manara-drafitra. Tena nampihetsi-po ahy ilay fiakanjo tena gasy nanerana ny nosy. Vive Madagascar!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.1144