Mpitondra Fiangonana sy Mpitondra Fanjakana

1. Azrael666 ( 04/09/2025 18:08)
Intouchables ny mpitondra Fanjakana Malagasy, ary te ho intouchables koa ny mpitondra Fiangonana sasany ankehitriny. Hita taratra izany ohatra tamin'ny toriteny nataon'i Mpitandrina Zaka teny Antsonjombe tamin'ny Janoary 2023.
Tamin'ny andron'ny Tobilehibe Ankaramalaza tamin'ny faran'ny volana Jolay 2025 teo dia nanao toriteny nanohintohina ny "SASANY" koa i Dr Olivier RANDRIANJAKA, ka ankehitriny dia voasokajy ho "liste noire". Notsikerainy tao mantsy "ny mpitondra manao kolikoly, manao vono-moka ny Malagasy, ny JIRAMA maty im-7 isan'andro fa tout va bien, sns KANEFA NY FLM TSY MITENY MIHITSY!". Nahazo "bravo" tamin'ny Deputé Fidel Razarapiera io toriteny io, ary tsy vitsy koa no nankasitraka. Fa ny "sasany" dia TEZITRA!
Asa aloha fa lany Filohan'ny FJKM koa ny Mpitandrina Zaka ilay nahabe resaka tamin'ny 2023 izao, ka hanao ahoana re ny ho tohiny e? Manomboka mihenjan-droa ny t'ady eo @ Fiangonana sy ny Régime Rajoelina, ka ENGA ANIE TSY HISY BALLE PERDUE! Amena.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0479