Aza gadraina ny mpampaneno lakolosy

1. hery ( 18/05/2023 18:14)

Anisan'ny famantarana iray hoe manomboka mafanafana ny toe-draharaha eto amin'ny firenena, ary manomboka marefo ny fanjakana rehefa manomboka manenjika sy managadra mpampaneno lakolosy. Ny antony dia na marina na tsy marina ilay zavatra voalaza dia mety hampivoaka zavatra tsy dia mazavazava loatra eo amin'ny fitantanana ka dia saromana fotsiny amin'ny hoe manakorontana saim-bahoaka.
Saimbahoaka efa sahirana amin'ny fitadiavana ve dia izany no hanakorontana azy? Ny teny mivantana ataon'ny mpanohitra sy ny miara-manonja aza tsy manakorontana azy akory. Fa matoa izay samborina ireny olona ireny dia mety misy marina atahorana havoakany ihany.

Ka misy sosokevitra kely ho an'ireo hitantana fitondrana handimby an-dRajoelina.

Aza samborina ny mpampaneno lakolosy, maromaro ny antony:

- Ireny dia fitaovana azo ampiasaina hanadiovana fitondrana. Na marina na tsy marina ny zavatra lazainy dia asio fanadihadiana na dia tsy atao hitam-bahoaka aza, sao dia fery vao manomboka, ka raha tsy voatsabo dia hanonitra. Raha samborinao ireny dia tsy ho fantatrao intsony ny zavatra sasany tokony hodiovina izay mety tsy hitanao na tsy hitan'ny manodidina anao.
- Raha miseho anarana ny mpampaneno lakolosy dia manana fahasahiana izy izay, ka matoa izy sahy dia azo atao tsara ny manatona sy miresaka aminy hanampy hangataka fanazavana amin'izay zavatra lazainy.
- Raha samborina ny mpampaneno lakolosy mampiseho anarana dia tsy maintsy hisy hafa hiseho izay tsy mampiseho anarana. Sarotra be avy eo ny mamehy izay mpampaneno lakolosy tsy mampiseho anarana intsony. Ary rehefa tsy mampiseho anarana intsony dia tsy ho fantatra intsony amin'izay ny tena mpampaneno lakolosy milaza ny marina sy ny mpampiely tsaho. Ka raha hoe hisakana ny vaovao tsy marina ny tanjona dia tsy tratra.


© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1471