Iza isika no mampihatra sy manao ny atao hoe "eco-geste"?
Ny "eco-geste" raha adika malalaka amin'ny teny gasy dia ireo fietsika sy fomba fanao andavanandro izay manatsara ny tontolo iainana sy mampiena ny fandotona ny tontolo iainana.
Ohatra vitsivitsy:
-piana ny jiro rehefa mifindra efitrano ;
-esorina amin'ny fitohizan'ny herinaratra ny fitaovana rehefa tsy ampiasaina ;
-tapahina ny rano rehefa miborosy nify fa tsy avela hikoriana fotsiny ;
-tatazana ny rano avy nanasana lamba ary azo ampiasaina anasana trano ;
-averina ampiasaina ny "sachet plastuque" fitaomana entana fa tsy hariana ;
Ohatra vitsy fotsiny ireo fa mbola maro ireo fietsika kely andavanandro miaro ny tontolo iainana azotsika ampiharina.
Iza amin'ireo izao no hataonao ? Iza amin'ireo no hitanao fa tokony hatao ? Ary inona ny fihetsika hafa fanaonao na hitanao fa tokony hatao mba hiarovana ny tontolo iainana ?