Produit salée d'apéritif

1. jock ( 26/07/2017 04:33)
Bonjour daholo ! mialatsiny fa resaka "fanendasana" izy ity.
Ho anao manana trai-kefa amin'ny fanendasana tsakitsaky, toy ny cacapigeon, mofo baolina, cuisse d'ame sy ny sisa. Maninona kay rehefa manendy azy ireny dia lasa mandrotra misavovona be ny menaka ka very mihintsy.
Misaotra mialoha @ fanampianao ahy sahady.
novalian'i jock ny 09/08/2017 05:21
2. Jock ( 26/07/2017 08:04)
Aiza nareo o!
3. rhaj0 ( 01/08/2017 19:15)
Izaho koa manontani-tena fa maninona no mandroatra tokoany indraidray. Fa dia hozy Ineny Gogola hoe:

https://www.google.ca/search?q=friture+mousse&oq=friture+mousse&aqs=chrome..69i57.9247j0j1&sourceid=chrome&ie=UTF-8

Antitra hono ilay menaka ary oxydé, ary dia lasa stable (fa tsy mientona) ny zavatra endasinao ao (misy rano ohatra) dia io lasa roatrany io. Fa rahefa nampiasaina eo @ in-10 eo koa hono dia lasa toa izay. Misy azany lasa manetroka, na lasa madity...

Tsy haiko hoe, "simba" ary mbola azo hohanina ve ilay menaka eo sa tsia..


Dia ameo recette fanaovana cacapigeon, mofo baolina, cuisse d'ame sy ny sisa eee...
4. jock ( 09/08/2017 05:21)
Salut! Misaotra anao "rhaj0" namaly ny olako. Nijery an' Ineny google za dia mazava amiko ihany ilay izy ka andramana indray aloha zany ny tsy ampisy rano ilay pate. "Amiko tsy dia resaka menaka loatra no olana @lay izy.
Ianao lay omena recette "cacapigeon, mofo baolina sy cuisse d'ame" manao recherche an'reo anarana ireo fotsiny ianao dia afaka misafidy fa be recette omeny ao. tao mantsy za no naka ary izao manandrana izao nefa mbola tsy tena afa-po. Ka rehefa tena mety tsara ny ataoko dia omeko anao eto ihany. Misaotra betsaka tompoko.

Raha misy manana solution @ty resaka menaka mandroatra ity rehefa manendy dia mba omeo azafady indrindra. Misaotra antsika rehetra.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.5773