SHANA TOVA OUMETOUHA
1. STViha
(
09/10/2016 17:31)
Salama e ! Faly indray miarahaba ny MALAGASY na ny HEBREO manerana ny NOSY, faly sy ravo tokoa manambara amintsika izao vaovao tsara manaraka izao : Tsinana ny Alahady lasa teo mantsy ny volana fahafito amintsika HEBREO, tsy volana mitovy @ rehetra mantsy izy io raha eo @ HEBREO sy ELOHIM RAINY fa dia hafa kely ary feno karazam-pifaliana ao anatiny ao raha jerena tsara ao @ Levitikosy 23/23-43 izay mirakitra ny fotoam-pivavahana voatendry rehetra ho an’ny Zanak’Israël. Misy karazany roa mantsy ny taom-baovao amintsika HEBREO dia ny taom-baovao rehefa tonga ny ABIBA (Volana Voalohany), sy ny taom-baovao ARA-PANAHY rehefa tonga tahaka izao ny volana faha-7, taona faha 5777 moa izy io izao ara-panahy. Na dia izany aza dia hafa noho ny hafa izy io @ ity isa 7 sy ny hasiny amintsika MALAGASY koa tsara raha araraotina ny fandalovan’izany satria manambara fahafenoana, tonga @ fenitra notadiavina. Ny tena marina moa dia efa voaomana hatry ny ela natao ho antsika ity taona 5777 ity fa tsy misy kisendrasendra izany @ HEBREO. Koa MIARAHABA TRATRY NY TAONA E ! Dia mirary taom-baovao sambatra sy lafatra ara-panahy ho antsika rehetra indray. Tsara ny manamarika fa ny ARA-PANAHY no mibaiko ny ara-JAVATRA ka ho hitantsika manaraka tsy ho ela indray ny fanataterahina izany ho fiaraha-mientana @ fanaganana ny firenena. NY SHALOM anie hitoetra @ MALAGASY rehetra !
Azo hifandraisana
Fanomezantsoa 034319327 / 0340375077
Azo hifandraisana
Fanomezantsoa 034319327 / 0340375077
répondu par lolo110255 le 13/10/2016 15:33
2. lolo110255
(
13/10/2016 15:33)
STViha:

dia faly miarahaba anao koa ny tenako
"...ny ARA-PANAHY no mibaiko ny ara-JAVATRA..." kanefa hoy isika Malagasy (na taranaka Hebreo io na tsia) hoe "rehefa noana ny kibo dia lasa...mivezivezy ny fanahy "
etsy andanin'izany , mba mety azonao omena fanazavana fanampiny kokoa ve izahay amin'ilay fanambarana hoe :
"Ny tena marina moa dia efa voaomana hatry ny ela natao ho antsika ity taona 5777 ity fa tsy misy kisendrasendra izany"
iza avy no tafiditra ao anatin'ilay antsoinao hoe "ho antsika" ?
ny mponina rehetra manerana ny Madagasikara sa ireo milaza fa Hebreo ny fihaviany sa Hebreo daholo rehefa Malagasy ?
ary farany
iza no antsoina hoe Malagasy amin'ireo olona 22 000 000 monina eto ?