Ahoana no andraisanao hoe:"vy tsy mikitrana irery"...

1. Lydag ( 30/09/2016 08:35)
Ahoana no andraisanao hoe:"vy tsy mikitrana irery"? Marina mandrakariva ve izany? Matoa misy ny ady na korontana dia samy tomponandraikitra ny anadaniny sy ankilany?
novalian'i Lydag ny 01/03/2017 08:32
2. 201007jacky ( 30/09/2016 08:39)

Lydag:

Ahoana no andraisanao hoe:"vy tsy mikitrana irery"? Marina mandrakariva ve izany? Matoa misy ny ady na korontana dia samy tomponandraikitra ny anadaniny sy ankilany?



Ny vy dia sarin-teny ihany, izay manova anarana. Mety ho "ady" na "fahombiazana" koa aza. Ny mikitrana dia azo adika hoe maneno. Ara-kevitra dia "tonga, misy, miseho".
Ka ny zavatra iray mitranga dia tsy avy amin-javatra tokana fa misy zavatra roa ao nifampiankina nahatonga azy.

Misaotra Lydag
3. hery ( 21/02/2017 23:29)
Tsy misy zavatra tongatonga ho azy izany fa tsy maintsy misy loharano eo. Mety ny andaniny, mety ny ankilany, fa mety zavatra hafa mihitsy koa. Io zavatra hafa fahatelo io matetika no tsy hitan'ny olona.

Tsy mikitrana irery ny vy fa tsy voatery ho ny andaniny na ny ankilany no nampikitrana azy.
4. Lydag ( 01/03/2017 08:32)
Salama! Ilay andaniny sy ankilany mihitsy no lazaina fa "vy" eo izay ilazana fa samy maneno, samy mihenjana, miziriziry amin'ny heviny, ka izany no tsy mampisy olana ny fifandraisana. Raha mba miezaka malefaka ny iray izany hoe manao toy ny taratasy ohatra dia tsy hipoaka ny ady. Manilika ny hadisoana amin'ny hafa foana manko isika toy ny nataon'ny razantsika:"Adama sy Eva" hoe: ny vehivavy nomenao ahy io, ny bibilava...

Misaotra
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1051