RY MALAGASY (HEBREO)! AZA MATORITORY INTSONY
1. STViha
(
09/08/2016 20:08)
"Tiava ny namanao tahaka ny tenanao" hoy i IESHUA ao @ Lioka12/31, hain'ny MALAGASY na HEBREO tsara mihitsy ny nampihatra io Didy lehibe mikasika ny fitiavana ny namana io na ny fitiavana ny Tanindrazana mihitsy aza. Ohatra t@ alalan'ilay hoe "Aleo very tsikalakalam-bola toy izay very tsikalakalam-pihavanana". Hevero @ izany anie ny maha HEBREO antsika e! Saingy tototra izany ankehitriny hany ka tototra niaraka t@ izay koa ny fahendrena napetrak'ELOHIM tao anatin'ny MALAGASY. (Mandatsa-baratra, manasitrana, mamaky rano, sns...). Tsy ny faniriana hampandroso an'Israël ara-javatra no tsy nisy tao anatin'IESHUA izay antony anisan'ny namonoana Azy, tena nanana faniriana nivaivay hampandroso mihitsy Izy saingy ny ara-panahy aloha no nosahaninY voalohany araka ny Matio 6/33 . Hoy isika angamba hoe: "sarotra tanterahina izany", sarotra tanterahina tokoa izany raha @ hafa firenena satria tsy natao ho azy fa HEBREO no nilanzan'i IESHUA io teny io. Io no tsy maintsy arahina ry havana HEBREO raha te ho tafavoaka ny firenena ; ary na tiana na tsy tiana dia tsy maintsy aharihary eto @ firenena izany TENA FAHAMARINANA izany. Jereo anie ao @ Jaona 6/63 : "Ny fanahy no mahavelona, ny nofo tsy mahasoa na inona na inona. Ny teny izay nolazaiko taminareo dia FANAHY sy FIAINANA" . Tsy fiainana any an-danitra mihitsy na ihany no lazainY amin'izany fa ny ety an-tany izay mahafatifaty antsika indrindra, ka inona moa ny soa mbola hihoatra an'izany hoe azo ALOHA ny fiainana MANDRAKIZAY any an-danitra dia avy eo miadana ara-nofo ety an-tany? Koa araka izany na iza manam-pahendrena sy fahalalàna ary tampo-pahaizana indrindra maneran-tany handroso hevitra ho fampandrosoana sy ho fanarenana ity firenentsika HEBREO ity dia ho zava-poana sy misambo-drivotra koa izany raha tsy ny TENY sy BAIKO avy @ IESHUA no mialoha izany. Noho izany ndao hataontsika lakilosy manaitra ny fanahintsika hiverenana @ ELOHIM amin'izay izao hisatra mampihitsoka lalandava ny firenentsika izao ary hiara -hanaiky fa ny ara panahy ALOHA no fototra hahafaka ny HEBREO ao anaty lavaka.
répondu par RA TAN le 13/05/2017 11:21
3. stahtam
(
10/08/2016 06:36)
[quote=STViha]
"Tiava ny namanao tahaka ny tenanao" hoy i IESHUA ao @ Lioka12/31, hain'ny MALAGASY na HEBREO tsara mihitsy ny nampihatra io Didy lehibe mikasika ny fitiavana ny namana io na ny fitiavana ny Tanindrazana mihitsy aza. Ohatra t@ alalan'ilay hoe "Aleo very tsikalakalam-bola toy izay very tsikalakalam-pihavanana". Hevero @ izany anie ny maha HEBREO antsika e! Saingy tototra izany ankehitriny hany ka tototra niaraka t@ izay koa ny fahendrena napetrak'ELOHIM tao anatin'ny MALAGASY. (Mandatsa-baratra, manasitrana, mamaky rano, sns...). Tsy ny faniriana hampandroso an'Israël ara-javatra no tsy nisy tao anatin'IESHUA izay antony anisan'ny namonoana Azy, tena nanana faniriana nivaivay hampandroso mihitsy Izy saingy ny ara-panahy aloha no nosahaninY voalohany araka ny Matio 6/33 . Hoy isika angamba hoe: "sarotra tanterahina izany", sarotra tanterahina tokoa izany raha @ hafa firenena satria tsy natao ho azy fa HEBREO no nilanzan'i IESHUA io teny io. Io no tsy maintsy arahina ry havana HEBREO raha te ho tafavoaka ny firenena ; ary na tiana na tsy tiana dia tsy maintsy aharihary eto @ firenena izany TENA FAHAMARINANA izany. Jereo anie ao @ Jaona 6/63 : "Ny fanahy no mahavelona, ny nofo tsy mahasoa na inona na inona. Ny teny izay nolazaiko taminareo dia FANAHY sy FIAINANA" . Tsy fiainana any an-danitra mihitsy na ihany no lazainY amin'izany fa ny ety an-tany izay mahafatifaty antsika indrindra, ka inona moa ny soa mbola hihoatra an'izany hoe azo ALOHA ny fiainana MANDRAKIZAY any an-danitra dia avy eo miadana ara-nofo ety an-tany? Koa araka izany na iza manam-pahendrena sy fahalalàna ary tampo-pahaizana indrindra maneran-tany handroso hevitra ho fampandrosoana sy ho fanarenana ity firenentsika HEBREO ity dia ho zava-poana sy misambo-drivotra koa izany raha tsy ny TENY sy BAIKO avy @ IESHUA no mialoha izany. Noho izany ndao hataontsika lakilosy manaitra ny fanahintsika hiverenana @ ELOHIM amin'izay izao hisatra mampihitsoka lalandava ny firenentsika izao ary hiara-hanaiky fa ny ara panahy ALOHA no fototra hahafaka ny HEBREO ao anaty lavaka.
[quote=stahtam]
Mikasa ny hampandroso sy hanarina ity firenena ity izany ianao sy izay miaraka aminao. Dia manendry tena hoe "Noho izany ndao hataontsika lakilosy manaitra ny fanahintsika...". fanoherana baiboly (faminaniana) no ataona(re)o=escroquerie évangélique, ka tsotra ny ho vokany: ECHEC ET DECEPTION. "Wait and see."
4. lahindroy
(
18/08/2016 10:31)
salama tompoko ô
"...hiara -hanaiky fa ny ara panahy ALOHA no fototra hahafaka ny HEBREO ao anaty lavaka."
ok
ka tokony aharitra firy taona io resaka "ara-panahy" io vao ho vita , fa izahay efa somary leo an'ilay fahantrana "ara-nofo" ?
aharitra firy taona vao ho lasa tonga saina hoe HEBREO ny Malagasy ?
aorian'ny 2018 ve ? sa amin'ny 3018 ? ...sao mantsy hisy Mesia vaovao indray amin'izany fotoana izany (=hisy fifanarahana vaovao indray ataon'i YHWH sy ny vahoakany , dia teo indray isika Gasy no ...raisina !
5. RA TAN
(
13/05/2017 11:21)
Io IESHUA tenenin'i STViha jiosy gasy mitovy aminao io vé ilay anaran'ny mesia-nao ry stahtam?