RY MALAGASY (HEBREO) AZA MATORITORY INTSONY!

1. STViha ( 09/08/2016 20:05)
"Tiava ny namanao tahaka ny tenanao" hoy i IESHUA ao @ Lioka12/31, hain'ny MALAGASY na HEBREO tsara mihitsy ny nampihatra io Didy lehibe mikasika ny fitiavana ny namana io na ny fitiavana ny Tanindrazana mihitsy aza. Ohatra t@ alalan'ilay hoe "Aleo very tsikalakalam-bola toy izay very tsikalakalam-pihavanana". Hevero @ izany anie ny maha HEBREO antsika e! Saingy tototra izany ankehitriny hany ka tototra niaraka t@ izay koa ny fahendrena napetrak'ELOHIM tao anatin'ny MALAGASY. (Mandatsa-baratra, manasitrana, mamaky rano, sns...). Tsy ny faniriana hampandroso an'Israël ara-javatra no tsy nisy tao anatin'IESHUA izay antony anisan'ny namonoana Azy, tena nanana faniriana nivaivay hampandroso mihitsy Izy saingy ny ara-panahy aloha no nosahaninY voalohany araka ny Matio 6/33 . Hoy isika angamba hoe: "sarotra tanterahina izany", sarotra tanterahina tokoa izany raha @ hafa firenena satria tsy natao ho azy fa HEBREO no nilanzan'i IESHUA io teny io.
Io no tsy maintsy arahina ry havana HEBREO raha te ho tafavoaka ny firenena ; ary na tiana na tsy tiana dia tsy maintsy aharihary eto @ firenena izany TENA FAHAMARINANA izany. Jereo anie ao @ Jaona 6/63 : "Ny fanahy no mahavelona, ny nofo tsy mahasoa na inona na inona. Ny teny izay nolazaiko taminareo dia FANAHY sy FIAINANA" . Tsy fiainana any an-danitra mihitsy na ihany no lazainY amin'izany fa ny ety an-tany izay mahafatifaty antsika indrindra, ka inona moa ny soa mbola hihoatra an'izany hoe azo ALOHA ny fiainana MANDRAKIZAY any an-danitra dia avy eo miadana ara-nofo ety an-tany?
Koa araka izany na iza manam-pahendrena sy fahalalàna ary tampo-pahaizana indrindra maneran-tany handroso hevitra ho fampandrosoana sy ho fanarenana ity firenentsika HEBREO ity dia ho zava-poana sy misambo-drivotra koa izany raha tsy ny TENY sy BAIKO avy @ IESHUA no mialoha izany. Noho izany ndao hataontsika lakilosy manaitra ny fanahintsika hiverenana @ ELOHIM amin'izay izao hisatra mampihitsoka lalandava ny firenentsika izao ary hiara -hanaiky fa ny ara panahy ALOHA no fototra hahafaka ny HEBREO ao anaty lavaka.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3495