ANJOMARAM-PANAFAHANA HO AN'I GASIKARA
1. STViha
(
03/07/2016 18:52)
Araka ny efa hitantsika tamin'ny lahatsoratra teo aloha dia mitady ho voatsamatsamaka sy vakivaky ny fiaraha-monina Malagasy, fantatsika anefa fa ''Ny firaisana no Hery'', ''Izay mitambatra vato, izay misaraka fasika'' , ''Mita be tsy lanin'ny mamba'' koa araky ny tolom-panafahana nataon'ny Hebreo tany Sosana (Babylona) tamin'ny alalan'i Estera dia niray fo sy niray saina amam-panahy ny Israelita rehetra fa hifady hanina mba haneken'ny Mpanjaka ny fangatahan'izy ireo; Inona ary no manakana antsika tsy ahatanteraka izany traikefa mahomby loatra izany mba hampitrakàna ny firenentsika ihany koa ka hanarenana ny efa rava rehetra?
Raha mbola manana 3 andro isika hitolomanana ara-panahy hanovàna ny toe-java-misy eto amin'ny firenentsika dia azonao atao araka izany ny mifampilaza sy mifampitaona toy ny tany Sosana mba hangata-bavaka eny na hifady hanina mihitsy aza hamerenana ny fiandrianam-pirenentsika izay efa rava sy nopotipotehina mba tsy ahitantsika intsony ilay fiadanana sy fandriampahalemana nampanantenan'Ilay Nahary antsika.
Mamerina hatrany ny antso avo hoan'ny Kristiana (Mesianika) rehetra manerana an'i Madagasikara mba hivondrona sy handray andraikitra ka tsy hitaredretra intsony fandrao hadinina amintsika raha mihatra izao loza mitatao amin'i Gasikara malalantsika izao (Ezekiela 33/6). Alao hery ary hoantsika Kristiana ny fandraisana ny toeran'i Estera mba hahatanteraka ny fanakanana izao fandringanana izao. Raha tahiany ka vitantsika izany dia afaka manantena isika araka ny voasoratra fa nafindra ho an'i Estera sy Mordekay tokoa ny fananan'i Hamana izay fahavalon'Israël sy ny voninahiny ary ny fanapahany sy ny fahefany (Isaia 1/26: Dia hampodiako ho toy ny teo aloha ny mpitsara anao ary ny mpanolon-tsainao ho toy ny tamin'ny voalohany. Ary rehefa afaka izany, hianao dia antsoina hoe FAHAMARINANA, tanàna mahatoky.)
NB: Aoka ho fantatsika fa ny fanahian'Andriamanitra dia mampivondrona, mampikambana, mampihavana, mampiray, mampifankatia, fa ny fanahin'ilay ratsy kosa dia mampisitaka, mampisara-bazana, mampifankahala èny mampifamono aza.
Tapaho ny hevitrao, handray anjara amin'ny fifanantonana ve ianao sa mbola amin'ny fisarahana? Fa miankina aminao, amiko, isika ny famonjena an'i Gasikara!
Ho an'Andriamanitra ny Voninahitra sy ny Hery ary ny Fahefana, fa hoantsika Kristiana mivondrina kosa ny fankasitrahana lehibe!
Mbola hitohy...!
Azo hifandraisana:
Fanomezantsoa STViha: 0343193327 / 0340802925

répondu par booboo le 05/07/2016 12:38
2. stahtam
(
04/07/2016 11:09)
[quote=STViha]

[quote=stahtam]
Fanehoan-kevitra moa no atao eto; dia nisy ity fehezan-teny iray ity noresahinao: "Araka ny efa hitantsika tamin'ny lahatsoratra teo aloha dia mitady ho voatsamatsamaka sy vakivaky ny fiaraha-monina Malagasy, fantatsika anefa fa ''Ny firaisana no Hery'', ''Izay mitambatra vato, izay misaraka fasika''. Milaza fisaratsarahana izany; dia miantso ny Kristiana mesianika tera-tany Malagasy indray ianao avy eo mba "HIVONDRONA". Dia mifanohitra izany zavatra resahinao izany ka vao mainka hihalalina izany ny fahavoazana misy ankehitriny satria fanavahana no entina hampivondronana. Ny Hebreo fahiny, raha niray hina dia IZY IRAY FIRENENA (fa tsy iray antokom-pivavahana) no nanao izany, ka diniho tsara! Zavatra tsy hitombina mihitsy izany fanirianao izany na dia tsara tahaka ny inona aza. Faharavana sy fahapotehana aza no vao mainka hitranga eto ary hiara-mahita izany isika fa tsy misy maniry ratsy ho an'ny firenena akory. Efa vita mantsy ny faminaniana fa raha mbola fitondran'olombelona dia volamena miafara @ vy sy tanimanga no hiafarany ka asa raha mahita fihatsarana @ izany ianao na fiharatsiana.
3. rhaj0
(
04/07/2016 17:55)
statahm:
diniho tsara! Zavatra tsy hitombina mihitsy izany fanirianao izany na dia tsara tahaka ny inona aza
hi hi hi... Ka io anie ilay fomba (kristiana) izay tsy mbola hita(nareo) izay maharatsy azy hono eee...
Tsindrotsindrohana izao resak mampetimety ny baolina rehetra izao, hoe "tsara" hono, dia atambatambatra ao, dia milaza-tena fa "izay mihintsy no tena izy", "izay no nobitsihan'Andmntra"...
Eto izao dia voatsindrotsindrok'i STViha eo io,
- na ny "fahendren'ny Razana",
- na ny "fahendren'ireo namotika ny fahendren'ny Razana".
4. thyna
(
04/07/2016 21:55)
Izaho dia manamafy ny fijeriko teo amboalohany hoe:Lasa voasaratsaraky ny Sekta ny fiarahamonina ary mbola hita taratra izany eto @ fametrahana laharana telefaonina ahafahana miantso!Mazava be anie fa te hanangana fiangonana vaovao ianao e!izay ampitombo ireo efa nampisaraka ny fianakaviana maro!Ianao izao no mitady hanasaraka ny efa mitambatra;hiteny koa ianao rehefa avy eo hoe tsy fihinana ny kisoa(dia tsy hiray latabatra intsony koa ny fianakaviana);Efa fantatro ilay tiana hatongavana fa mba misy fanontaniana kely manitikitika ahy ity hoe:Tsy mety ve raha manao fahagagàna aloha vao manaraka anareo ny olona?tadidio fa io no tantara nisy tao anaty baiboly(rehefa nanao fahagagàna Jesosy na Jesoa na Esoa dia nanaraka azy ny olona;fa ankehitriny mifamototra:tadiavina aloha ny olona na resena lahatra izay vao hanao fahagagàna na faminaniana na tsy mahagàga sy tsy tanteraka aza);somary mahatsikaiky ihany an!Ny mahafinaritra fotsiny dia ny hoe mila mitady vola ny olona ka atao daholo zay azo atao rehefa tsy mangalatra nefa kosa tsy tokony hanambaka toy ilay artiste Evangelika sasany hoe:gratuit ny fampisehoana kanjo nisy nitaty rakitra avy eo hihihi!mbola hitohy....!
5. zaihanity
(
05/07/2016 09:06)
Izaho aloha Kristiana iringiriny fa miezaka mitady hoe inona ilay finoana tena sahaza ho ansika Malagasy ihany koa e,misy milaza etsy ambony fa izay rehetra nahita ny fahagagana nataon' i Jesosy ba Jeso na Esoa dia nanaraka azy avokoa,fanontaniana kely hoe Iza amin ireo anarana ireo aloha no tena Izy e? ka hampitodika Azy amin izay miantso Azy ? anakiray ihany koa fantaro fa nisy fahagagana nolavin i Jesosy na Jeso na Esoa fa mba diniho,inona no anton izany? fantaro ihany koa fa feno Jesosy mandehandeha any amin izao fotoana izao na eto na any ivelany ary mahavita fahagagana,iza no Izy? fa tsy hoe rehefa mahavita fahagagana akory dia izay no Izy,aza manao fijery mihiba sy tery. fahatelo: Jesosy na Jeso na Esoa mihitsy no nanambara fa hisy fifanoherana any am-parany (sao hisy hilaza indray izao hoe tsy mbola tonga ny farany), ka ahoana? ka amiko raha mbola tsy tonga saina sy tsy mino izay voalazanY izay dia aleo mihitsy aloha tsy mivavaka fa mandinika tsara.Tsy fotoanan ny firaisana latabatra amin ny fianakaviana intsony izao,tsy midika izany hoe isaraho ny fianakaviana, fa mba ataovy kosa aloha izay hahatsara ny fanahy e,
Efa nilaza ranamana teo ambony hoe isika Kristiana miara mientana,fa tsy hoe hivadika Sekta velively araka ny lazain ny sasany akory,mba fantaro tsara koa aloha ny niantombohan ny sekta hoe taiza e, sao isika Kristiana mihitsy no sekta,izay no ataoko hoe fandinihina ny ahy,ra efa nampihatra isika ka tsy nahitana vokany dia marina ny fanakianana,mba iaraha mahita eo hoe tena BITSIKY NY FANAHY avy amin Andriamanitra tokoa araka ny voalazany tamin' ny voalohany ve sa bitsika olombelona te hanao peta toko.Misaotra

6. tsitialainga
(
05/07/2016 09:07)
Salama daholo ny mpihantsehatra rehetra e!
Raha ny hevitro indray kosa dia tsy dia mahita fifanoherana @ ireo lazain'ny STViha ireo aho fa asa na ny fomba fijery sy fandalinana no tsy mitovy, sambany ary mba misy mampitsiry hevitra fampifanantonana sy fampihavanana na dia eo aza ny tetika maizina eo @ antokom-pivavahana sasan-tsasany.
Sahala amiko aloha dia mba nandramako sy notanterahiko io tolo-kevitra nalefan'ny STviha io satria tsy misy fatiantoka hoahy ny mamaky ny bokin'i Estera sy mivavaka isan'andro ao anatin'ilay 7 andro lazainy e!
Sady tsy miantso olona hivavaka any aminy izy raha mba niantso an'io laharam-pifandraisana io aho fa mizara izay mba fantany fotsiny ry zareo ka anjaranao ny manaraka na tsy manaraka izay lazainy. Iza moa no mahita raha mba mandaitra hoan'ny tenako sy ny ankohonako fotsiny aza io vahaolana naroson-dry zareo io. Mitovy @ an'ny katolika ihany io ilay mikiky saple sy mivavaka ka inona moa no mandràra ahy tsy mba hanandrana?
Mety hilaza ianareo hoe ianao mpanandra-kandrana fa ny ao anaty baiboly aza anie miteny hoe: ANDRAMO KA IZAHAO FA TSARA JEHOVAH E! Ka sao mba JEHOVAH ity???
Noho izany dia aza ny kihana no alefa aloha fa mba andramo ihany aloha fa tsy nitaky rakitra t@nao anie izy fa anjaranao fotsiny no manatanteraka na tsia any an-tokantranonao any e!
Mahereza daholo ôôôôôôô!!!!!!!

7. stahtam
(
05/07/2016 11:27)
[quote=tsitialainga]

Mba diniho kosa àry ireto e!
1°) Kristiana mesianika tera-tany Malagasy no antsoiny hivondrona, midika izany fa tsy ho ny Malagasy rehetra mihitsy no ho tafiditra ao (ny Silamo, ny mpitana ny fomba Malagasy...);
2°) Ilay sento ho an'ny firenena dia iraisana, tsy lavina izany. Fa rehefa ny faminaniana no milaza dia aleo tsy manohitra satria amiko izay no fahendrena (fa tsy fanakianana akory). Oh: rehefa tonga ny faminaniana fa 70 taona no ho babo any Babylona ny Israeliana dia tsy hisy israeliana hifady hanina sy hitomany na hivavaka izany eo raha mbola 40 taona na 60 taona no afaka, fa tany @ faha 70 taona mihitsy vao natombok'i Daniel ny fifadian-kanina sy fivavahana nataony;
3°) Ny Daniel 2 no faminaniana mamaritra ny andro ankehitriny: vy sy tanimanga rehefa niainga avy any @ volamena (fiainana entin'olombelona mitotongana). Ka amiko dia ny fanomanana (na fidirana) ao @ fanjakan'ilay vato tsy nendahan-tànana izay haharitra mandrakizay no imasoako fa raha izay fahasambarana avy @ fanjakana entin'olombelona dia "nofinofy sy misambo-drivotra ihany" (na iza na iza hitondra eo).
Fomba fijery izay ka raha diso dia aloavy fa raha mamy kosa (misy hisainana) dia samy manam-panahy isika rehetra (izay mirona @ finoana ny baiboly) ka samia mitsakotsako.
9. booboo
(
05/07/2016 12:38)
Handray anjara @ fifanaNtanonana ???? tena miova tanteraka ny hevitra vao diso tsipelina an ! ( noeud coulant sa brelage manakory no hatao @ izany mifanantona izany ? )