Tena miarahaba manokana ireo tanora Malagasy mpanao fanatanjahantena nahazo ireo amboara tena volamena
Rehareha iraisampirenena tokoa izany marika volamena izany satria tena matanjaka tokoa noho ny hafa, ny vatana sy saina samy matanjaka daholo, tsara be fa tohizo, nareo no modely ho an ny zaza Malagasy aty ao aoriana
Ny seho endrika fanakanana ny saina Malagasy tsy ho sahaza le marika volamena dia tokana ihany no antony, saina Farantay no ho soloina an iny saina Malagasy iny raha tsy mahay le tompon daka tanora Malagasy, mbola tanora fanahy tokoa ka tsy nahay niady ara hetsika ny fitazonana le saina Malagasy, sarobidy izany marika volamena izany
Ny mba hafatro amin ny maha namana malagasy ato serasera dia tandremo sao solafaka , mahaiza miady ny lalana hizorana, aza avadika ho saina Farantay le saina Malagasy, tandremo sao tia vola sy tia voninahitra ara materialy, tazomy hatrany ny amboara niandoahanao maha Malagasy hatramin ny voalohany izao ka hatramin ny farany. Mirary amboara ampolony na anjatony mandrapahatongan ny marika volamena afara
Faly aho fa nahazo amboara ny tanora Malagasy, tiako be, mahatsiaro fa mafy ny ezaka nosendraina dia tonga amin ny amboara volamena sarobidy erantany iraisampirenena
Ny taranja fanatanjahantena, dia amboara vatana sy saina, ka sarobidy le amboara e. Malagasy hatrany, Malagasy hatrany, Malagasy farany. Tiako be!!!!!