ilaina ve ny fisian'ny miaramila

1. alainkeli ( 19/06/2015 08:41)
Ilaina ve ny fisian'ny miaramila eto Madagascar,
toa lasa matanjaka-be daholo izay mpitondra fanajakàna mipetraka amin'ny PLACE, satria misy ireo miaramila miaro azy, izay tsy tafapetraka ami'ny toerana dia mamory miaramila any ambadika mba te-hahazo toerana hany ka rehefa tafapetra ny mpitondra iray dia mba manana éléments koa izy.
2. rhaj0 ( 19/06/2015 10:28)
Ilaina ve ny miaramila ?
Ny miaramila, raha ny aty Kanada ohatra, dia:

- mandray anjara @ ireny casques bleus sy ireny "mampandry tany" ireny
- maneho ny sandriny sahala @ ireny akoholahy mibontsina fotsiny ireny, nefa toa tsy ho hita ahavita inona akoriny ohatra raha ho avy eo tokoany ny nounours-be Rosiana
- dia mi-parade no atao, dia manao demonstration hoe fanazara-tena hono

- fa kosa, ny miaramila no antsoina rahefa misy ny lozabe voajanahary.. ny aty izany dia rehefa misy tempete de neige ohatra na tondra-drano ouragan be.

Ny fahitako azy, raha ny any amintsika, dia mila akarina (sa avarina) ho "service civique" daholo ny ankabeazan'ireo.. dia mi-patrouille ny moron-dranomasina...

Ny zava-dehibe koa, dia tena TSY TOKONY misy mivangongo ao an-drenivohitra, na renivohi-paritany ny miaramila, fa alefa aparitaka, dia miasa any daholo, service civique na patrouille.

(rehefa midonana-poana ao andrenivohitra ao izy, inona no ataony raha tsy hanao coup d'etat ?)

3. ashley.fabia14 ( 14/09/2015 05:25)
ILAINA HO ALEFA VONOIN DAHALO ANGAMBA
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.9251